Fotona nifampirariantsoa sy nifampiarahabana noho ny nahatrarana ny taona vaovao 2020 teo amin'i Papa François sy ireo masoivoho vahiny miasa ao Vatican, ny alakamisy 9 janoary.

Nasongadina nandritra izany ny tsara ho fantatra momba ireo fifandraisana ara-diplomatika amin'ny Fiketrahana Masina sy ireo fifanarahana vita sonia teo amin'i Vatican sy ireo firenena maro ary ny fikambanana iraisam-pirenena samihafa nandritra ny taona 2019. Nivoitra tamin'izany fa miisa 183 ankehitriny ny firenena sy fanjakana manana fifandraisana ara-diplomatika amin'ny Fiketrahana Masina. Ankoatra ireo ny Vondrona Eraopeana sy ny "Ordre militaire souverain de Malte". Miisa 89 kosa ny "Chancelleries d'ambassade", miampy ireo biraon'ny ligy arabo, ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fifindramonina sy ny kaomisaria ambony misahana ny mpitsoamponenana eo anivon'ny Firenena Mikambana,izay samy manana ny foibeny any Rome. Maromaro ireo fifanarahana vita sonia sy nankatoavin'ny Fiketrahana Masina tamin'iny taon-dasa iny. Isan'izany ny fifanarahana tamin'ny Repoblikan'Italie, tamin'ny 13 febroary 2019, momba ny fampiharanany fifanarahan'i Lisbonne, nankato ireo lohahevitra mifandraika amin'ny sehatry ny fampianarana ambony any Eraopa. Tao koa ny fifanarahana momba ny "état juridique"-n'ny fiangonana katolika any Burkina Faso, tamin'ny 12 jolay 2019. Isan'ny vita sonia tamin'iny taona iny koa ny fidiran'ny Fiketrahana Masina tamin'ny fifanaraham-paritra vaovaon'ny UNESCO momba ny fankatoavana ny fianarana sy ny diplaoma ary ireo marim-pahaizana ho an'ny sekoly ambony any Amerika latina sy ny nosy Caraïbes.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...