Tsaroana amin'izao 10 janoary izao i Masindahy Guillaume de Bourges. Teraka tamin'ny taona 1110 avy amin'ny fianakavian'ny Comte tao Nevers i Guillaume. Bodouin de Corbeil sy Estachie de Chatillon no ray aman-dreniny. Olona tia vavaka sy nifototra tamin'ny fianarana ary tia mandini-tena ihany koa i Guillaume.

I Pierre, dadatoany avy amin'ny reniny, arsidiakra tao Soissons no nanabe azy, izay nampahalala azy ny lafiratsin'ny fiainan'izao tontolo izao sy nampianatra azy ny fankahalana ny harena ary nampahafantatra ny hafaliana masina amin'ny fianarana ombam-pitiavam-bavaka.

Niroso tamin'ny fiainana maha-pretra àry i Guillaume, chanoine tao Soissons aloha no nanombohany avy eo tao amin'ny Notre-Dame de Paris. Naniry hiaina tao anatin'ny fanginana izy ka lasa nitoka-monina tany Grandmont diosezin'i Limoges. Nisy tsy fifankahazoana sy korontana anefa ny fiainan'ireo mpitoka-monina tao ka lasa nifindra tany amin'ny fikambanan'ny Cistérciens tao Pontigny i Guillaume. Noho ny fankasitrahan'ireo rahalahiny ny toetrany dia voafidy ho lehiben'ny trano izy avy eo lasa lehiben'ny fikambanana tao Fontaine-Jean tao Saint-Maurice-sur-Aveyron. Avy eo lehiben'ny fikambanana tao Chaalis ao amin'ny diosezin'i Senlis. Anisan'ny toetra hahatsiarovan'ireo namany an'i Guillaume ny hafaliana sy ny halemem-panahy ary famolahan-tena. Ary tsy nataony ambanin-javatra ny fitantanana sy ny fampianarana.

Rehefa nodimandry i Henry de Sully, arseveka tao Bourges ny 23 novambra 1199, dia nanahirana ihany ny nifidianana izay ho solon'ity eveka ity ka i Eudes, eveka tao Paris no nifidy an'i Guillaume handimby an'i Henry de Sully. Na dia arseveka aza anefa i Guillaume dia notohiziny ihany ny fomba fiainana maha mpitoka-monina azy: ny fanetren-tena, ny halemem-panahy, ny hafaliana, ny famolahan-tena ary ny fitiavam-bavaka.

Entitra amin'ny adidy nankinin'ny Fiangonana taminy i Guillaume, anisan'ny nanehoany izany ny nampiatoany ny fombam-pivavahana nampakaran'i Philippe Auguste II ny vadiny faharoa, izay marihana fa mbola tsy maty akory ny vadiny voalohany. Nandritra ny folo taona no nitantanan'i Guillaume ny arsidiosezin'i Bourges, ary nampiavaka izany ny ady nataony hanoherana izao fampianaran-diso.

Talohan'ny nahafatesany dia mbola afaka nandray ny Sakramentan'ny Eokaristia i Guillaume. Nandohalika izy, ary niangavy mba hapetraka any amin'ny Cistérciens ny vatany ary rehefa miala aina izy dia mba ampandriana amin'ny tany eo ambony lavenona. Ny 10 janoary 1209 no nodimandry i Guillaume. Ny 17 mey 1218 ny Papa Honorius III no nanoratra ny anarany ho isan'ireo olomasina ary napetraka tao anaty vata tsara endrika ny reliques ka napetraka tao amin'ny Katedraly izay nandraisany anjara mavitrika ny fanorenana azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 febroary 2025

• Nanentana ny kristianina aty Afrika ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, mba hiray hina amin'ny vavaka sy ny fifadian-kanina araka ny fomba amam-panaon'ny tsirairay sy ny fahafahany, ny 3 hatramin'ny 5 marsa 2025... • Notontosaina ny sabotsy 15 sy ny alahady 16 febroary 2025 ny fihaonan'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... • Mampiely hatsarana sy mampiombona ny vahoaka ny zava-kanto, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony ho fankalazana ny Jobilin'ny mpanakanto omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...