Fanirian’i Papa François ny hanaovan’ny Eglizy katolika any Ethiopie sy Erythrée ho fanamby ny fahafahana manao ny tsara.

Nihaona tamin’ny mpianatra sy mpanabe avy amin’ny « collège pontifical » etiopiana tao Vatican ny Papa François, tamin’ny sabotsy teo. Nandritra izany no nanentanany ho amin'ny hiarovana ireo sampan’asa katolika misehatra amin’ny fanabeazana sy ny asa sosialy toa ny eny anivon'ny hôpitaly mba ho tombotsoa sy ho fahombiazan’ireo firenena ireo. Mankalaza ny faha-100 taonany ankehitriny io “Collège pontifical” io ka anasan’i Papa François ny rehetra  hahay haka lesona tamin’ireo taona maro nijaliana vokatry ny ady an-trano sy adim-poko nisy teo amin’i Ethiopie sy Erythtée izany. Nanentana ireo pretra hahay hanasitrana ny ratra anaty sy hanampy hatrany amin’ny fampihavanana ny Papa, ho an’ny ho avin’ny ankizy sy ny tanora.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...