Fanirian’i Papa François ny hanaovan’ny Eglizy katolika any Ethiopie sy Erythrée ho fanamby ny fahafahana manao ny tsara.

Nihaona tamin’ny mpianatra sy mpanabe avy amin’ny « collège pontifical » etiopiana tao Vatican ny Papa François, tamin’ny sabotsy teo. Nandritra izany no nanentanany ho amin'ny hiarovana ireo sampan’asa katolika misehatra amin’ny fanabeazana sy ny asa sosialy toa ny eny anivon'ny hôpitaly mba ho tombotsoa sy ho fahombiazan’ireo firenena ireo. Mankalaza ny faha-100 taonany ankehitriny io “Collège pontifical” io ka anasan’i Papa François ny rehetra  hahay haka lesona tamin’ireo taona maro nijaliana vokatry ny ady an-trano sy adim-poko nisy teo amin’i Ethiopie sy Erythtée izany. Nanentana ireo pretra hahay hanasitrana ny ratra anaty sy hanampy hatrany amin’ny fampihavanana ny Papa, ho an’ny ho avin’ny ankizy sy ny tanora.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...