Hita taratra tao amin'ny lahateny nataon'i Papa François, nandritra ny fandraisany ireo masoivoho vahiny miasa eo anivon'ny Fiketrahana Masina ao Vatican, tonga niarahaba azy noho ny nahatrarana ny taona vaovao, ny alakamisy 9 janoary teo, ny fiahiany an'izao tontolo izao.

Noresahany teo anoloan'ireo ambasadaoro miisa 183 avy amin'ireo firenena sy fanjakana manana fifandraisana ara-diplomatika amin'i Vatican, ny momba ireo toe-draharaha mafampana maneran-tany ankehitriny ka nilazany ny tokony hisian'ny tontolo tsy misy fitaovam-piadiana nokleary. Tsy ho tanteraka, hoy izy, ny hananganana tontolo anaty filaminana sy fiadanana tanteraka raha mbola misy ny tahotra amin'ny mety ho fandringanana tanteraka ny olombelona, noho ny fisian'ny fitaovam-piadiana nokleary. Nasian'i Papa François teny koa ny fahalovan'ny fanararaotana sy ny famarinana olona ataon'ireo tsy mataho-tody, mitady tombony amin'ny fahantrana sy fahorian'ireo mandositra ny ady sy ny fahantrana lalina. Betsaka koa, hoy hatrany izy, ireo mpitsoaponenana miampita ranomasina miksa ny hitady fiainana tsaratsara kokoa, saingy zary lasa fasana ho azy ireo izany, toa ny tranga fahita amin'ny ranomasina Méditerranée.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...