Vakiteny voalohany

Bokin’ny zanak’i Siràka 3, 2-6. 12-14

Manaja ny ray aman-dreniny izay matahotra ny Tompo.

Sitraky ny Tompo ny hanajan’ny zanaka ny rainy;
ary nanorina ny fahefan’ny reny amin’ny zanany Izy.
Izay manaja ny rainy manonitra ny fahotany;
ary fanangonan-karena ny fanajana ny reny.
Izay manaja ny rainy, hampifalian’ny zanany;
ary hohenoina amin’ny andro ivavahany izy.
Izay manaja ny rainy ho lava andro iainana,
izay manaiky ny Tompo hanome fiononana ny reniny.
Anaka, tohano amin’ny andro fahanterana ny rainao,
ary aza mampalahelo azy ny andro iainany.
Raha avy izay haharerahan’ny fanahiny, iantrao izy,
ary aza manatsinontsinona azy,
rehefa be indrindra ny tanjakao.
Fa ny soa atao amin-dray, tsy mba ho very tadidy;
ary hisolo toerana ny fahotanao,
ny fanambinana ho tonga amin’ny tranonao.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 127, 1. 2. 3. 4-5

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra amin’ny lalany.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra fehizay amin’ny lalany.
Eny, ahazoanao tombontsoa ny asanao:
hasambarana moa ny anao!

Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
eo anivon-tranonao;
ny zanako solofon’ôliva
manodidina ny latabatrao.

Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Avy ao Siôna anie ny Tompo hitahy anao hatrany:
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
amin’ny andro rehetra hiainanao.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany KôIôsy 3, 12-21

Toy izao ny fiainan’ny mpianakavy eo anatrehan’ny Tompo.

Ry kristianina havana,
olom-boafidin’Andriamanitra ianareo sady masina sy malala,
ka mitafia famindram-po amam-piantrana,
halemem-panahy amam-panetren-tena,
fahamaotonana amam-pandeferana.
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka,
raha misy manana alahelo amin’ny namany.
Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo
no hamelanareo heloka ihany koa.
Fa ambonin’izany rehetra izany,
dia mitafia ny fitiavana,
izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.

Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy,
izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray;
ary hahay mankasitraka anie ianareo.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy,
ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo;
ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo,
amin’ny salamo aman-kira masina.
Ary na inona na inona ataonareo,
na amin’ny teny, na amin’ny asa,
dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra,
sy amim-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.

Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo,
araka ny mety ao amin’ny Tompo.
Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo,
ary aza sosotsosotra aminy.
Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra,
fa ankasitrahin’ny Tompo izany.
Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo,
fandrao dia mamoy fo izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy;
ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 2, 13-15. 19-23

Ento ny Zazakely sy ny Reniny ary mandosira any Ejipta.

Nony lasa ny Majy,
indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Jôsefa
tamin’ny nofy ka nanao hoe:

“Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny Reniny,
ary mandosira any Ejipta,
dia mitoera any mandrapilazako aminao indray,
fa i Herôda efa hitady ny Zazakely hovonoiny”.

Mbola alina, dia nifoha izy,
nitondra ny Zazakely sy ny Reniny,
ka lasa nankany Ejipta.
Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Herôda,
mba ho tanteraka ny tenin’ny Tompo
voalazan’ny Mpaminany hoe:

“Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako.”

Ary rehefa maty i Herôda,
indro nisy Anjelin’ny Tompo,
niseho tamin’i Jôsefa tany Ejipta tamin’ny nofy,
ka nanao hoe:

“Mifohaza ianao, ento ny Zazakely, sy ny Reniny,
ka modia any amin’ny tanin’i Israely,
fa efa maty izay nitady ny ain’ny Zazakely”.

Dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny Reniny
ka tonga tany amin’ny tanin’i Israely.
Nony reny anefa fa i Arkeiaosy no nanjaka tany Jodea
nandimby an’i Herôda rainy,
dia natahotra hankany izy,
ka nankany Galilea nony efa nilazan’Andriamanitra tamin’ny nofy.
Ary nony tonga tany izy,
dia nonina tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta
mba ho tanteraka ilay tenin’ny mpaminany hoe:

Fa hatao hoe Nazareanina Izy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Efa nandroso tolo-kevitra, eny anivon'ny fitondram-panjakana, hanitarana ny fe-potoana hanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny CENI... ♦ Voatendry ho sangany eo amin'ny ady amin'ny kolikoly, ny lehiben'ny Fitsarana momba ny kaonty, Rakotondramanana Jean de Dieu. Notoloran'ny Sekreteram-panjakana amerikana, mari-pankasitrahana momba izany tany Washington izy... ♦ Mitana ny laharana faharoa amin'ny fampidiram-bola ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana amin'ny alalan'ny valanjavaboaharim-pirenena ao Isalo, ny Faritra Ihorombe...

Nitondra fihavaozam-panahy ho an'ny krsitianina ny fankalazana ny faha-60 taonan'ny diosezin'Ambatondrazaka ny taona 2021. Fanamby telo lehibe no atrehan'izy ireo ankehitriny : ny fanatsarana ny rafitra hifanaraka amin'ny an'ny Eglizy maneran-tany, ny fanentanana ny kristianina hivavaka sy hiaina ny sakramenta, ary handray andraikitra ao amin'ny fiainan'ny Eglizy. Fifampizarana entin'i P. Sata Jean Noël Andrianasolo

♦ Tsy raikitra ilay fitsipaham-pitokisana saika hataon'ireo Solombavam-bahoaka ny Governemanta Ntsay Christian. Misy tsindry avy any ambony ny tsy nahatanteraka izany, hoy ny Depiote Voninahitsy Jean Eugène... ♦ Hampitomboina avo 5 heny ny simenitra vokarina any Ibity Antsirabe. Nampanantena ny Filoham-pirenena fa hidina 50% ny vidin'ny simenitra eto amintsika, afaka 3 taona... ♦ Misy mpitsara ambony sy mpitsabo mibodo tanin'olona 2 hekitara etsy Ampanataovana Ambohidratrimo. Nananganan'izy ireo trano sy nofefeny ny tany, na tsy nahazoana alalana tamin'ny Kaominia aza...

Manatanteraka fiofanana iraisam-pirenena ao amin'ny Ivo-toeran'ny Soeurs de la Sagesse ao Benasandratra ny Fanilon'i Madagasikara nanomboka ny 29 oktobra 2022. Miisa 22 ireo mpandray anjara ka malagasy ny 19 amin'izy ireo. "Samaritanina tsara fanahy : manao soa ho an'ny tena, ho an'ny hafa, ary amin'ny natiora", io no lohahevitra nofidian'ireo mpampiofana roa avy amin'ny CICG-Europe (Conférence Internationale Catholique du Guidisme) sy ny aomonie maneran-tany. 

Nankahery ny tanora hanaraka ny dia'i Masina Maria ny Papa François, mandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny Tanora, ankalazaina amin'ny fetin'i Kristy Mpanjaka. "Niainga i Maria ka nandeha faingana" ( Lk 1,39), io no lohahevitry ny hafatra izay fanasana ny tanora, mba hitondra an'i Jesoa ho an'ny hafa, ka hitsinjo ny namana, amin'ny fanorenana fiaraha-monin'ny mpiray tampo, hanatanteraka ny nofy hiaina ao anatin'ny fiadanana. Fanolorana ny hafatry ny Ray masina ho an'ny tanora miaraka amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary

Maro ny voka-pikarohana azo ampiasaina amin'ny fandrosoana taorian'ny nijoroan'ny sehatra momba ny fikarohana sy ny fampianarana ambony miara-miasa amin'ny ala sy ny harena voajanahary na ny DPFB. Sehatra ivondronan'ny FOFIFA, ny oniversiten'Antananarivo ary ny CIRAD izay manambatra ny heriny ho an'ny fikarohana sy ny fanofanana momba ny lohahevitra fitahirizana sy ny fanomezan-danja ny harena voajanahary eto Madagasikara ny DPFB izay efa 20 taona nijoroana...

♦ Tsy tomombana ny fikarakarana ny fifidianana amin'ny taona ho avy hoy ny Filohan'ny antoko Tiako i Madagasikara, Ravalomanana Marc. Manamafy ny amin'ny tokony hanaovana ny fikaonandoham-pirenena hametrahana ny fitsipika hifehezana ny fifidianana ifanarahana izy ireo... ♦ Nihaona tamin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina teny amin'ny lapam-panjakàna Iavoloha nyFilohan'ny FIDA mandalo eto Madagasikara... ♦ Marihana andraony 08 desambra ny andro eran-tany ho an'ny toe-tany. Nanokana ity volana desambra ity hanaovana fanentanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana iadiana amin'ny fihafanan'ny tany ny Orange Madagascar...

Ny 08 desambra no andro natokan'ny Eglizy katôlika hankalazana ny fetin'i Masina Maria tsy azon-keloka, indrindra isika eto Madagasikara satria izay no mpiaro voalohany ity nosy ity. Tamin'ny taona 420-430 no nisian'ny fahatairana sy alahelo lehibe nisy teo amin'ny kristiana tany Efezy satria nisy ny filazana nataon'ireo nosterius fa tsy azo antsoina hoe "renin'Andriamanitra" i Masina Maria. Ny 11 ôctôbra no fankalazana ny fety maha renin'Andriamanitra an'i Masina Maria. Izy no reny fankatahaka ho an'ny reny rehetra ary itokian'ny olona maro...

Zava-dehibe ny fahafahana ka tokony ho tsapan'ny tsirairay fa tsy tokony hanohitohina ny fahafahan'ny hafa ny fahafahana ananana. Ny zon'olombelona, ny lalàna, ny dina ary ny fady no mamehy ny atao hoe "législation". Betsaka ny olona manitsakitsaka ny lalàna sy ny didin'Andriamanitra ka mahatonga ny korontana, izay mahavery zo ny hafa, ary tsy mahatontosa ny adidiny noho ny fanelingelenana ataon'ireo milaza ho manana fahafahana diso tafahoatra. Ilaina ny manoa ho zava-dehibe ny fifampifehezana eo amin'ny fiaraha-monina izay mifototra amin'ny lalàna. Tokony hasongadina ny "dina" sy ny "fady" satria iry voalohany dia hifehezana ny fiaraha-monina, fa ny faharoa kosa dia hanabeazana ny ankizy sy ny adolantsento...

Ny soatoavana dia manampy betsaka ny tanora handanjalanja sy hahafantatra ny tokony ataony manoloana ny tranga maro samihafa iainany : safidy, fanapahan-kevitra, fijoroana amin'ny maha-izy ny tena, sns. Etsy andaniny, mila mitady hevitra ny ray aman-dreny hampita azy ireo ny soatoavina ary hamporisika azy ireo hanana izany ihany koa. Etsy ankilany, mila mametraka fitsipika sy soatoavina ny tanora hiatrehany ny hoaviny... 

Mivavaka ho an'ny fanahin'ireo nodimandry ao amin'ny afo fandiovana isika mba hitalahoana ny famindram-pon'Andriamanitra ho an'ny fanahin'izy ireo. Mba hahafahana manana ny fahamasinana ilaina idirana any amin'ny fiainana mandrakizay, ireo nodimandry ao amin'Andriamanitra dia mandalo ao amin'ny afo fandiovana, dingana hanafahana azy ireo tanteraka amin'ny fahotana. Fandalinam-pinoana momba ny afo fandiovana irahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Émilien

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...