♦ Tsara ny tahan'ny fampidiran-ketra tamin'ny taon-dasa teo. Nahatratra 3680 miliara Ariary mahery ny vola niditra tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, raha araka ny tatitry ny Foibem-pitantanana Ankapoben'ny Hetra... ♦ Manambana hitokona ny Randrana Sendikaly, noho ny fidinan'ny karama farany ambany amin'ny sehatra tsy miankina... ♦ Miato hatrmin'ny rahampitso ny fampianarana eny amin'ny Lisea Andohalo, noho ilay savorovoro nateraky ny fahaverezan'ny fiday lafo vidin'ny mpianatra iray. Niakatra filankevi-pifehezana teo anivon'ny sekoly, ny raharaha androany...
♦ Notsenaina tao Andriba, vavahadin'ny Diôsezin'i Mahajanga, tamin'ny tapany maraina teo i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Eveka vaovao ho an'ny Mahajanga... ♦ Tsy tokony hipetraka ny ady hevitra momba ny hisiana na tsy hisian'ny fifidianana amin'ity taona ity hoy ny Sampana Fanaraha-maso ny fifidianana SAFIDY... ♦ Miahiahy ny amin'ny fomba fiasan'ny CENI ao anatin'izao fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izao ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Namafisin'ny mpitondra tenin'ny Antoko Me Rakotomalala Rija fa efa nanaitra amin'ny tokony hanaovana audit ny logiciel ampiasain'ny CENI izy ireo saingy mijanona ho antso an'efitra izany hatramin'izao...
Ny firaisan-kina manova zavatra maro eo amin'ny fiainana. Ny sehatra rehetra misy fifandraisana, fifaneraserana dia ilàna firaisan-kina satria izany no fototry ny fandrosoan'ny tsirairay. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Nahatsiaro ireo 49 mianadahy lavo noho ny tolona ho an'ny fahafahana sy ny fijoroana ho an'ny fitiavan-tanindrazana, tamin'ny 7 febroary 2009, ny fitondram-panjakana notarihan'ny Filohan'ny Repoblika... ♦ Mandrahona ny hiverina hitokona sy hanamafy ny hetsika fitakiana indray ny sendikan'ny Mpirakidraharaha... ♦ Namaky bantsilana ny fomba tsy ara-drariny sy tsy ara-dalana nahazoan'ny olona tany 9 hektara eny amin'ny Kaominina Alasora, Distrikan'Antananarivo Avaradrano, androany, ny Transparency International Initiative Madagascar sy ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany...
♦ Nahatsiaro ireo 49 mianadahy lavo noho ny tolona ho an'ny fahafahana sy ny fijoroana ho an'ny fitiavan-tanindrazana, tamin'ny 7 febroary 2009, ny fitondram-panjakana notarihan'ny Filohan'ny Repoblika, omaly... ♦ Mandrahona ny hiverina hitokona sy hanamafy ny hetsika fitakiana indray ny sendikan'ny Mpirakidraharaha-pitsararana... ♦ Namaky bantsilana ny fomba tsy ara-drariny sy tsy ara-dalana nahazoan'ny olona tany 9 hektara eny amin'ny Kaominina Alasora, Distrikan'Antananarivo Avaradrano, omaly, ny Transparency International Initiative Madagascar sy ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany...
Ny fandaminana ny fandaharam-potoanan'ny ankizy dia miankina amin'ny taonany sy ny filàny. Manomboka eo amin'ny fahadimy taonany farafahatarany no hanabeazana ny ankizy kanefa hajaina ny filàny mba hampivelatra azy ara-tsaina. Ireo filàna fototra tsy azo hiodivirana dia ny torimaso sy ny sakafo, lalao sy fanantanjahantena... Ilain'ny ankizy ny fivoahana ivelan'ny trano mba ahafahany mandinika sy misintona lesona eny amin'ny fiaraha-monina sy mankafia ny tontolo iainana. Atao anatin'ny fandaharam-potoanan'ny ankizy ny fiarahana manao zavatra amin'ny lehibe : miresaka, milalao, mikirakira fitaovana, mamaky boky. Tokony tandremana ny fisafidianana olona hiandraikitra ny zanaka mandritra ny tontolo andro...
♦ Feno 14 taona katroka anio ilay fitifirana olona tamin'ny 7 febroary 2009. Tsy fantatra ny tena marina momba ity raharaha ity hatramin'izao, tsy misy na fanadihadiana na fitsarana... ♦ Misy fanodikodinam-bola 360 tapitrisa Ariary eo anivon'ny Paositra Malagasy. Maromaro ireo mpiasa vaorohirohy amin'izany, ka anisan'izany ny Tale Jeneraly, hoy ny gazety iray mpiseho isan'andro... ♦ Hotapahana rahampitso ny vahaolana hamahana ny olana sedrain'ireo mpamokatra sy mpandraharaha amin'ny lavanila eto Madagasikara...
♦ Tsy mitsahatra ny mitady vahaolana sy mikatsaka ny tombontsoa ho an'ireo tantsaha sy mpandraharaha ny fitondram-panjakana, manoloana ny olana amin'ny mbola fisian'ny lavanila maro, no ireo tsy lafo... ♦ Mbola misy ampiasaina hatrany amin'ny 40 taona, ireo harena an-kibon'ny tany, izay akora fototra ilain'ny orinasa Cementis hamokarana simenitra any Ibity... ♦ Notoloran'ny orinasa Telma vola 136 tapitrisa Ariary androany, ireo mpilalao sy ny Staff technique an'ny Barea...
♦ Nanomboka tamin'ny volana janoary teo ny fisoratana anarana ho an'ireo ankizy rehetra izay hiatrika ny Fihaonamben'ny Ankizy, andiany faha-3, hotanterahana eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny 27 hatramin'ny 30 jolay 2023... ♦ Ny 18 sy 19 febroary 2023 no hotanterahana, ny fihaonamben'ny Filankevitra amin'ny Fitondrana ny Vahoak'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nifarana tamin'ny fivahinianana iraisam-pinoana tao amin'ny Mausolée John-Garang, Soudan Atsimo, ny Fitsidihana Apôstôlika faha-40, nataon'ny Papa François...
♦ Mbola miaina anaty fandikan-dalàna ny Fitondrana ankehitriny, vokatry ny fitanany ny governoram-paritra tsy voafidy, hoy ny Ministra teo aloha Tsaranazy... ♦ Mihoa-pampana ihany ny antontan'isa momba ny kolikoly eny anivon'ny fonja, izay nampahafantarin'ny rafitra iray tamin'iny herinandro lasa iny, hoy ny tompon'andraikitry ny fonja... ♦ Misy hatrany ny tranga vaovao amin'ny Covid-19, kanefa efa tena goragora tanteraka ny fampiharana ny fepetra sakana...
Ny hoe "velon-dray aman-dreny" dia ireo manana ray sy reny, samy mbola velona na misara-toerana aza. Ara-tantara dia hatramin'ny nanjakan'Andriamanelo, nandalo tamin'ny fitondran'Andriamasinavalona ary hatramin'ny nanjakan'Andrianampoinimerina, no nisy sy nanana ny lanjany ary ny voninahiny ombana hasina ny "velon-dray aman-dreny"...
♦ Higadona eto Madagasikara rahampitso ireo mpilalao sy ny delegasiôn'ny Barea. Hisy ny fitsenana makotroka azy ireo ety Ivato mandram-pahatonga any Mahamasina, hoy ny fampitam-baovaon'ny Ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahan-tena... ♦ Mbola tsy voafaritra na hotanterahina amin'ity taona ity na tsia ny fifidianana Ben'ny tanàna, noho izy mifanindry amin'ny fifidianana Filoham-pirenena. Milaza ny tsy mahatapaka samy irery ny CENI, raha ny fanazavàn'ny filohany omaly... ♦ Manaitra ny Fanjakàna foibe ny mponina avy amin'ny Kaominina Maromby, Distrikan'Amboasary-atsimo amin'ny afitsok'ireo Zandary anatin'ny CSAO izay mampandry tany any an-toerana, eto an-drenivohitra ny solonten'ny mponina nampahafantatra ny zava-misy...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco