18 jona — Miaramila tao amin’ny tafika romanina i Léonce, ary mpitoka-monina iray no nampibebaka azy. Nozarainy tamin’ireo mahantra ny sakafon’ny tafika misy azy. Ary tsy niafina izy tamin’ny fitiavam-bavaka an’i Kristy, sy nanameloka ny fivavahana amin’ny sampy.
Nisy nitory tamin’ny governora tao Phénicie izy. Governora tena mpanompo sampy tokoa ary nahazo halalana avy amin’ny amperora mba hamono ireo mpianatr’i Kristy. Naniraka olona nankany Tripoli ary ilay governora hisambotra an’i Leonce ary hiambina azy mandram-pahatongany. Teny an-dalana ireo hisambotra azy dia voan’ny tazo mahery i Hypathos sy i Theodule, ary ny alin’io dia nisy anjely niseho tamin’ny Hypathos ka niteny hoe raha te ho sitrana ianao dia antsoy in-telo ilay Andriamanitra ivavahan’i Léonce ; nataon’i Hypathos tokoa izany ka sitrana izy, ny ampitson’io dia tonga tao an-tanana i Hypathos sy i Theodule, nihaona tamin’i Léonce. Niarahaba azy ireo i Léonce ary nilaza taminy fa namany ilay olona tadiaviny, nasainy tao aminy izy miralahy, rehefa noraisiny tsara dia nambarany fa izy no Léonce miaramilan’i Kristy. Nihankohaka teo an-tongotr’i Léonce izy miralahy, ary niangavy azy mba hanala azy amin’ny sampy, ary ampiombona azy amin’i Kristy. Nivavaka ho azy ireo i Leonce, ary nisy rahona niseho teny an-danitra, nandraraka ny rano hanaovana batemy azy ireo. Nandeha tany an-tanana izy ireo niakanjo fotsy sy nitondra jiro mirehitra, tezitra ireo mpanompo sampy ka raha vao tonga tao Tripoli ilay governora dia nampisambotra sy nampiditra azy ireo am-ponja, nandritra izany dia nampahery ireo namany i Léonce mba hiaritra am-pifaliana sy hanantena ny fiainana mandrakizay. Ny alin’io dia niara-nivavaka sy nihira izy telo mirahalahy.
Nandritra ny fanadihadiana azy ireo dia tsy nandà ny finoana an’i Kristy izy fa vao mainka aza nanamafy ny maha-miaramilan’i Kristy azy. Ary tsy misy hamerina azy intsony hivavaka amin’ny sampy. Novonoina sy notapahan-doha mialoha i Hypathos sy i Theodule rehefa avy nampijaliana mafy dia mafy. Fa i Léonce kosa rehefa nampijaliana ka tsy nandaitra taminy izany sy ny fikapoana azy dia nasaina nohenjanina tamin’ny tsato-by efatra, ny vatany iray manontolo, ary nokapohina mandram-pahafatiny. Nandritra izany kapoka mivaivay natao azy izany no niderany an’Andriamanitra sy niakaran’ny fanahiny ho any an-danitra. Napetraky ny kristianina teo akaikin’ny seranan-tsambo tao Tripoli ny fasana misy an’i Léonce, ary nanorenana bazilika lehibe izany taty aoriana ho fanajana azy, ka maro ireo olona tonga manaja azy sy mangata-bavaka aminy. Anisan’ny martiry be mpanaja ao Phénicie i Masindahy Léonce.