17 jona — Teraka ny taona 520 i Hervé. Harivian sy Rivanon no anaran’ny ray sy reniny. Harivian rainy dia mpihira tao amin’ny nosy Grande-Bretagne, ary efa niasa tao amin’ny lapan’ny mpanjaka Childebert. Mpivavaka sady madio ity rainy ity ka tsy azoazony ny nipetraka tao an-dapa, nanapakevitra izy fa hanokana ny fiainany amin’Andriamanitra.

Niverina tany aminy izy ka nandalo tao Armorique, nanonofy izy tao ary nisy anjely nilaza tamin’ny hoe i “Rivanon no anarany, hihaona aminao izy rampitso ary ho raisinao ho vady ka hiteraka mpanompon’Andriamanitra lehibe ianareo”. Inona tokoa nihaona tamin’i Rivanon i Harivian ka nampakariny ho vady io. Ny ampitson’ny mariazin’izy ireo dia hoy i Rivanon hoe : “Raha hiteraka lahy aho dia mangataka amin’Andriamanitra mba tsy hahita izao hazavana mamitaka haparitak’izao tontolo izao”. Fa hoy i Harivian hoe : “Nefa na izany aza aleo izy hahita ny fahalebeazan’ny fiainana any an-danitra”.

Dia niteraka lahy tokoa àry izy ireo ka nataony hoe Hervé no anarany. Teraka jamba io zaza io, mbola kely izy dia maty ny rainy ka i Rivanon ihany no nitaiza azy, vao 7 taona monja i Hervé dia efa hainy avokoa ireo Salamo sy ireo Tononkira fito fampiasan’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany. Tamin’izany no nanankinan’i Rivanon reniny tamin’ny mpitoka-monina iray natao hoe Martianus ny fanabeazana an’i Hervé. Rehefa henon’i Hervé fa i Urfol dadatoany, olomasina ihany koa io izay saika ipetrahany tao aoriana kely, dia lasa izy nankany amin’ny toerana fivavahan’io dadatoany io. Niankohaka nivavaka teo izy, nihorohoro mafy ny tany ary ireo rehetra niaraka taminy teo dia niankohaka tamin’ny tany. Nisokatra ny tany ka nisy fofona nivoaka tao. Io fahagagana io no nahalalana sy nahitan’i Hervé ny fasana misy ny dadatoany, namboariny io, nasiany vato, ary taty aoriana dia lasa toerana fisehoan’ny fahagagana ary dia hatreo no nanomboka ny fanajana an’i Masindahy Urfol. I Hervé moa tsy nihoana tamin’ny reniny intsony raha tsy tamin’ny fotoana nahafatesan’i Rivanon. Ka tao aorian’izay dia nijanona kely tao amin’ilay trano fivavahan-dreniny izy ary nanorenany sekoly tao amin’io toerana io.

Fa na dia jamba azy i Hervé araka ny fanirian-dreniny dia hitany ny halebeazana sy ny hatsaran’ny lanitra, ka notoriany an-kira ireny hoe “Antsan’ny paradisa”. Izy dia nahay nihira toa an-drainy ihany koa ary fanirian-drainy raha teo koa moa ny ahitan’i Hervé izany habeazan’ny fiainana any an-danitra izany. Taty aoriana dia nifidy handeha ho mpanirery i Hervé ary rehefa nitoka-monina tany izy dia maro ireo mpianatra nanara-dia azy. Nanorina trano fitokana-monina tao Lanhouarneau i Hervé, ilay antsoina hoe l’ermitage de Hervé. Nandritra ny fiainany izy dia tsy mety nohamasinina ho pretra, fa nanaiky kosa ny omena ny laharana maha exorsiste na ilay antsointsika hoe mpanala demony. Na dia jamba aza izy dia izy ihany no nanome ny hendrik’ilay fiangonana kely izay tsy foiny nilaozana. Nihidy tao izy telo andro talohan’ny nahafatesany, ka hita nisokatra tampoka ny masony tamin’izany. Hoy ny hirany farany hoe : “Hitako ny lanitra misokatra, ny lanitra no tanindrazako, te hanidina ho any amin’ny lanitra aho, hitako ny raiko sy ny reniko, ao amin’ny voninahitra sy ny hatsarana, hitako ny rahalahiko ireo olona avy amin’ny fireneko, ireo anjely no eo ambony lohany, toy ny tantely eo amin’ny sahan’ny voninkazo”. Andro fahatelo tao aorian’io fahitana io dia nantsoiny i Christine, zaza izay notaizain-dreniny dia nolazainy io hoe anomano vato aho ataoko ondana ary lavenona hatoriko fa rehefa tonga ny anjely haka ahy dia ho hitany aho matory eo ambony ny lavenona. Nontanterahin’i Christine izay nolazainy ka sady hoy izy tamin’ny Hervé hoe : “Raha tianao àry ry dadatoa dia hangataho Andriamanitra mba hanaraka anao tsy ho ela aho, toy ny lakana manara-drenirano”. Nivaly tokoa ny vavak’i Christine tamin’ny fotoana nialan’ny ain’i Hervé dia niantsampy teo an-tongony i Christine ka nodimandry tao amin’io koa. Notronin’ireo mpitoka-monina maro namany moa i Hervé nandritra izany. Nalevina tao Lanhouarneau tao Finistère izy ary maro ireo vahoaka tonga nanaja azy tao. Noho ny tahotra an’ireo Normands dia nafindra tao amin’ny Chapelle tao Breste ny reliques an’i Hervé natao tao anaty volafotsy, ary nomen’ny Duc Geofrroy an’i evaka tao Nantes tamin’ny taona 1002. Fa nony taty aoriana dia tsy hita izy io nandritra ny Revolisiona frantsay.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...