01 jona — Martiry tamin’ny taonjato faharo i Masindahy Justin, avy any Flavia Neapolis izy na antsoina hoe Naplouse any Palestine amin’izao fotoana izao. Mpanompo sampy ny ray aman-dreniny, nanan-katao tokoa izy ireo ary nandalina ny kolontsaina sy ny fiteny grika ka afaka tsara nampianatra an’i Justin.

I Justin raha teo moa nitozo ka lasa nandalina ny filôzôfia. Noteteziny rehefa mety ho sekoly ambony nanaovana ny fikarohana ireo izay fanontaniana manitikitika azy ka itadiavany ny valiny marina sy ny fahendrena tena izy. Nontantrainy ao amin’ny asa sorany ny hoe “Dialogue avec Tryphon” izany lalana nodiaviny izany. Noresahany tamin’ny mpampianatra iray stoïcien izany fitadiavana sy fikaroana lalina izany fa tsy niresaka an’Andriamanitra mihitsy io. Nialany io ka lasa indray izy nanatona mpikaroka nirona tamin’ny foto-kevitr’i Aristote, nilaozany ihany koa anefa io fa tsy nihevitra afa-tsy izay ho karamany ihany. Ireo mpandalina momba ny fampianaran'ny Platon no hitany fa manana foto-kevitra mafonja sy nanintona azy. Ka io no noheveriny fa mitehi-tany ny valin’ny fanontaniany.

Teo amin’ny faha-30 taonany anefa dia nifanena tamin’ny kristianina iray izy ary io no nanampy azy hahita ny marina izay nokarohany izay ela izay : i Kristy irery ihany no marina sy hanome azy izany. Tonga kristianina i Justin, tsy hoe nolaviny akory ny fampianarana sy ny fikarohana nataony momba ny filôzôfia ; fa noheveriny kosa hanampy azy amin’izany fitadiavana an’i Kristy izany. Nampifandraisiny noho izany ny finoana kristianina sy ireo nohalalininy satria ny foto-pampianarana rehetra dia misy ampahany tena marina izay hita ao amin’i Kristy. Nanomboka nampianatra àry i Justin ka nanorina sekoly fandalinana filôzôfia tao Ephèse sy tany Rome.

Fotoana nanjakan’ny amperora Marc Aurèle tamin’izany fotoana izany. Nisy ny fanenjehana ny kristianina. Nisy namany izay nihalona azy ka niampanga azy ho kristianina. Nosamborina àry i Justin niaraka tamin’ny namany 05 lahy sy vehivavy iray. Nosamborina mba handà ny finoana an’i Kristy sy hitsaoka ny amperora sy hanolotra sorona amin’ny sampy. Nefa dia fandaharan-teny lava manohana ny fivavahana kristianina no nasetriny izany. Nesoin’ny mpitsara izy ary nataony hoe mihevitra ny ho any an-danitra ve. Fa hoy izy : "Tsy hoe mihevitra fotsiny aho fa fantatro ary tsy hisalasalako kely akory fa ho any an-danitra aho". Natolotra ny Préfet Rusti kosa àry Justin tamin’izay fotoana izay ary i Justin mihitsy no nilaza tamin’io fa kristianina izy. Nomelohina ho faty i Justin niaraka tamin’ireo namany ka notapahana ny lohany.

Nanoratra boky roa i Justin, ny iray dia nataony hitoriana fa i Jesoa no Mpamonjy ary ny iray kosa dia namelabelarany sy niarovany ny finoana kristianina. Nambaran’ny papa Benoît XVI fa anisan’ireo Aba mpandaha-teny sy mpanohan-kevitra misongadina indrindra teo amin’ny Fiangonana tamin’ny taonjato faharoa i Masindahy Justin.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...