Feno 43 taona tamin'ny 28 mai teo ny nanamasinana ho Eveka ny Papa Emérite Benoît faha-16. Fanamasinana notanterahina tao amin'ny katedraly Notre-Dame de Munich any Allemagne.

Nanendry azy ho amin'io toerana io ny Papa Paoly faha-6 izay efa olomasina ankehitriny. Iray volana taorian'io fanendrena ho Eveka io dia efa notendrena ho Kardinaly sahady i Monseigneur Joseph Ratzinger. Nitàna ny toeran'ny Arsevekan'i Munich sy Freising nandritra ny 5 taona izy, teo anelanelan'ny 28 marsa 1977 hatramin'ny 15 febroary 1981. Nantsoin'i Papa Joany Paoly faharoa ho Préfet-n'ny sampana miandraikitra ny fampianaram-pinoana tao Rome nandritra ny 24 taona, nanomboka ny 25 novambra 1981 hatramin'ny 19 avrily 2005. Voafidy ho Papa tamin'ny faha-19 avrily 2005 ny Kardinaly Ratzinger ary nandray ny anarana Benopit faha-16 teo amin'ny faha- 78 taonany. Nametra-pialàna tamin'ny andraikitra naha-Papa azy izy ny 11 febroary 2013 ary efa 93 taona izy ankehitriny.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...