Feno 43 taona tamin'ny 28 mai teo ny nanamasinana ho Eveka ny Papa Emérite Benoît faha-16. Fanamasinana notanterahina tao amin'ny katedraly Notre-Dame de Munich any Allemagne.

Nanendry azy ho amin'io toerana io ny Papa Paoly faha-6 izay efa olomasina ankehitriny. Iray volana taorian'io fanendrena ho Eveka io dia efa notendrena ho Kardinaly sahady i Monseigneur Joseph Ratzinger. Nitàna ny toeran'ny Arsevekan'i Munich sy Freising nandritra ny 5 taona izy, teo anelanelan'ny 28 marsa 1977 hatramin'ny 15 febroary 1981. Nantsoin'i Papa Joany Paoly faharoa ho Préfet-n'ny sampana miandraikitra ny fampianaram-pinoana tao Rome nandritra ny 24 taona, nanomboka ny 25 novambra 1981 hatramin'ny 19 avrily 2005. Voafidy ho Papa tamin'ny faha-19 avrily 2005 ny Kardinaly Ratzinger ary nandray ny anarana Benopit faha-16 teo amin'ny faha- 78 taonany. Nametra-pialàna tamin'ny andraikitra naha-Papa azy izy ny 11 febroary 2013 ary efa 93 taona izy ankehitriny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...