Ireo dingana efa nolalovan'ny fandaharana "mba ho vanona" : Ny ambaratonga voalohany dia ny fitiavana ; ankehitriny dia eo amin'ny ambaratonga faharoa isika izao, dia ny firesahana ny safidy, ity farany dia harena nomen'Andriamanitra ny olombelona. Ny olona tompon'andrikitra dia olona manana vina sy tanjona, isan'ambaratongany... Fandaharana "mba ho vanona" iaraha-miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Hifarana anio hariva amin'ny 6 ora ny fahafaha-manatitra ny antotan-taratasy filatsahan-ko fidiana ho filoham-pirenena, hivoaka amin'ny sabotsy izao ny lisitr'ireo kandidà nahafeno ny fepetra, ho fidiana amin'ny 9 novambra 2023... ♦ Miisa 17 ny kandidà nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiana teny amin'ny HCC hatramin'ny omaly hariva...♦ Tokony hotohizana ny sa vitan'ny filoha Andry Rajoelina tao anatin'ny fe-potoam-piasana voalohany iny hoy ny antoko TGV, ka miantso azy ho kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny faha 9 novambra ho avy izao ny mpikambana, araka ny fehin-kevitra tamin'ny famaranana ny kôngresin'ny antoko omaly...

♦ Natao teny amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena, ny Sorona Masina nanaovan'ny Diôsezin'Antsirabe ny fangatahana an'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina ho Evekan'io Diôsezy io, araka ny fomban'ny Eglizy... ♦ Miisa 17 ireo kandidà nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana ho Filoham-pirenena amin'ny 9 nôvambra 2023, eny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana... ♦ Mangataka ny firotsahan'Andriamatoa Andry Rajoelina, Filoham-pirenena amperin'asa, ho kandidà amin'ny fifidianana amin'ny 9 nôvambra 2023, ny antoko TGV...

Ny toetsaina mifaninana mifampitaha dia efa nisy hatramin'izay ary nivoatra tsikelikaly. Ny fifaninana dia efa voajanahary mba hahafahana mandroso amin'ny dingam-piainana tsara kokoa. Amin'ny maha olombelona antsika dia nampiasa saina isika mba hafahantsika mandalina kokoa ny mikasika ny fifaninanana sy ny fifampitahana. Misy olona enefa tsy afaka ny hifaninana sy hifampitaha noho ny tsy fitovian'ny niaingana (ara-batana, fananana, fanabeazana, sehatra iainana...). Ny toe-tsaina mifaninana sy mifampitaha dia tsy azo hirobohana tsy ampy fiheverana fa mila fandanjalànjana fepetra maromaro, tokony olona mitovitovy no mifaninana amin'ny lafin-javatra maro.

♦ Tsy misy mahasakana ny hetsi-pitakiana ataon'ny sendikà SECES izay fitakiana voaaron'ny sata ary am-pilaminana hoy ny sendikà androany teny Ankatso... ♦ Ezahana hiakatra 10% isan-taona ireo mpianatra misitraka ny fampisakafoana an-tsekoly. Efa maherin'ny 1.000.000 isa izy ireo ankehitriny... ♦ Manao antso avo amin'ny sekreteram-panjakàna miadidy ny zandarimariam-pirenena ny fianakavian'ireo roalahy voalaza fa maty notifirin'ny zandary tany amin'ny Kaominina Bebaboka, distrikan'i Maintirano...♦ Manahy amin'ny mety hisian'ny fihaonana eo amin'ny filoha Russe sy ny filoha Koreana tavaratra ny Amerikana, manoloana ny ady any Ukraine...

Ny tontolo iainana dia izay iriariavan'ny olona : ny tany, ny ala, ny rano, ny tanàna, ny faritra honenana sy izay rehetra eo aminy. Ny tontolo iainana dia ilay tandrovina sy kajiana ary arovana. Ny tontolo iainan'ny olona dia misy sehatra roa lehibe dia ny tontolo ambanivohitra sy an-drenivohitra. Ho fikajiana ny tontolo iainana dia tandremanana ireo izay mety hiteraka vahavoazana mihatra amin'ny aina sy ny mihatra amin'ny saina. Ireo fahasimban'ny tontolo iainana mihatra amin'ny saina dia azo raisina ohatra ny mikasika ireo teny sy voambolana hampiasaina amin'ny dokam-barotra mampiasa teny diso na mampifangaro ny teny vahiny amin'ny teny malagasy...

♦  Manamafy ny antso amin'ny fandraisana andraikitry ny rehetra mba hisian'ny fitoniana eto amin'ny firenena ny FFKM. Nisy fihaonana teo amin'ny FFKM sy ny filohan'ny repoblika omaly... ♦ Misy ny mizàna tsindrina ila amin'ny fahafahana manao hetsika sy maneho hevitra pôlitika eto amin'ny firenena hoy ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, taorian'ny sakana nataon'ny mpitandro ny filaminana teny Mandriamena... ♦ Tsy misy fiovana goavana ny rafi-panabeazana amin'izao taom-pianarana nanomboka omaly izao, hoy ny ministry ny fanabeazam-pirenena... ♦ Nampanantena ny hamerina ny fahefana amin'ny sivily amin'ny alalan'ny fifidianana madio sy mangarahara ny filohan'ny tetezamita any Gabon, nandritra ny fianianana nataony...

♦ Tsy tafiditra tao amin'ny efitrano saika hanaovany fikaonan-doha teny Andoharanofotsy androany, ireo mpanao pôlitika ivelan'ny fitondrana. Nizotra ara-dalàna kosa ny Kôngresy Nasiônalin'ny antoko TGV, tetsy amin'ny CCI Ivato... ♦ Manao antso avo ho an'ny olom-pirenena Malagasy rehetra, hifanome tanana aminy, hanavotra ny firenena sy ny tanin-janaka iombonana ny kandidà Andrianainarivelo Hajo... ♦ Tsy misy fiovana goavana ny rafi-panabeazana amin'izao taom-pianarana nanomboka androany izao, hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena...

♦ Raiso ho antson'Andriamanitra ny fikatrohana ao amin'ny Ekipa Ankalazao ny Tompo, hoy i P. Pierre Marcial Rakotomahefa, tamin'ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny Ankalazao ny Tompo... ♦ Nanentana ny tanora hihazakazaka hitondra an'i Jesoa tsy amin-tahotra eo amin'ny fiainana, i Mgr Alfredo de Nobrega, tamin'ny famaranana ny JMJ Diôsezy faha-7, tao Mananjary... ♦ Nifarana androany ny famangiana apôstôlika nataon'ny Papa François tao Mongolie...

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 1, 15-17)

Tonga tetý an-tany Izy, hamonjy ny mpanota.

Teny marina tokoa sy mendrika hitokiana indrindra izao:
Tonga tetý an-tany i Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota,
ary izaho no lohany indrindra aminy;
fa izany indrindra no nahazoako famindram-po,
dia ny mba hanamparan’i Kristy Jesoa ny haben’ny famindram-pony amiko aloha,
mba ho fianarana ho an’izay hino Azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Ho an’ny Mpanjakan’ny taona rehetra anie,
dia Ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana,
ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 112, 1-2. 3-4. 5a sy 6-7

Hisaorana anie ny Anaran’ny Tompo, hatrizao ka ho mandrakizay.

Derao, ry mpanompon’ny Tompo.
Derao ny Anaran’ny Tompo.
Tsarovy ny Anaran’ny Tompo,
na izao na ho mandrakizay.

Tongava marain-tsy hariva:
hidera ny Anaran’ny Tompo.
Ambonin’ireo firenena:
Ny lazany avo dia avo!

Moa misy mitovy amin’ny Tompo?
Ka miondrika Izy mijery,
na lanitra izany na tany.
Alàny amin’ny fako ny ory,
esoriny avy eo ny mahantra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 43-49)

Nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko; nefa tsy manao izay lazaiko.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy,
na hazo ratsy mamoa voa tsara.
Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra;
fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo,
na voaloboka amin’ny voaroitsilo.
Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara
avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony;
ary ny olona ratsy fanahy kosa
mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony;
fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany.

Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko,
nefa tsy manao izay lazaiko?
Hasehoko anareo izay azo anoharana ny olona rehetra manatona Ahy
ka mihaino ny teniko sy manatanteraka azy:
tahaka ny olona anankiray manao trano izy,
izay nihady lalina aloha vao nandatsaka ny fototra eo ambonin’ny vatolampy,
ka nony tondraka ny rano dia nasian’ny riaka mafy izany trano izany,
nefa tsy nampihontsona azy akory izany,
satria tsara orina tambony vatolampy izy.
Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka,
dia tahaka ny olona anankiray nanorina ny tranony
eo ambonin’ny tany tsy àry fototra,
ka vao nasian’ny riaka, dia nirodana niaraka tamin’izay,
ary loza ny faharavan’izany trano izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Fiantombohan’ny taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 1, 1-2. 12-14)

Mpiteny ratsy aho fahiny, saingy nahazo ny famindram-pon’Andriamanitra.

I Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy,
araka ny didin’Andriamanitra Mpamonjy antsika,
sy i Jesoa Kristy fanantenantsika,
mamangy an’i Timôte, tena zanako amin’ny finoana:
ho aminao anie ny fahasoavana, sy famindram-po amam-piadanana,
avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompontsika!
Misaotra an’i Kristy Jesoa Tompontsika izay nankahery ahy aho,
fa nekeny ho mahatoky, ka nametrahany fandraharahana,
dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny,
sady mpanenjika sy mpanao an-keriny;
kanefa nahazo famindram-po aho,
satria tsy fahalalana no nanaovako izany,
noho izaho tsy mbola nanam-pinoana,
fa nony nomban’ny finoana amim-pitiavana
izay ao amin’i Kristy Jesoa,
dia nihoa-pampana ny fahasoavan’ny Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 15, 1-2a sy 15. 7-5. 11

Ianao re, ry Tompo, no zara lovako.

Andriamanitra Tompo ô, ambeno
fa Ianao re no hany hifefeko.
Ianao re, ry Tompo, no lova,
hany zarako mandrakizay.

Ka isaorako, Tompo, Ianao
fa nanolotra saina, fanahy.
Eo alohako foana ny Tompo;
tsy hiala ankavanako Izy.

E ny lalan’ny fiainana izao,
dia hatoronao ahy hatrany.
Ho finaritra mandrakizay,
izay mitoetra eo ankavananao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin’Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 39-42)

Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba?

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao izao fanoharana izao tamin’ny mpianany:

“Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va?
Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa?
Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra,
fa izay mpianatra tapi-pianarana
no hoatra ny mpampianatra azy ihany.
Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao,
nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao?
Ary ataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe:

‘Ry rahalahy,
aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao’

nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao?
Ry mpihatsaravelatsihy,
esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao;
izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka
amin’ny mason’ny rahalahinao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 3, 12-17)

Mitafia ny fitiavana izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.

Ry kristianina havana,
olom-boafidin’Andriamanitra ianareo sady masina sy malala,
ka mitafia famindram-po amam-piantrana,
halemem-panahy amam-panetren-tena,
fahamaotonana amam-pandeferana.
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka,
raha misy manana alahelo amin’ny namany.
Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa.
Fa ambonin’izany rehetra izany,
dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.
Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy
izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray
ary hahay mankasitraka anie ianareo.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy,
ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo;
ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo,
amin’ny Salamo aman-kira fiderana,
mbamin’ny tononkira masina.
Ary na inona na inona ataonareo,
na amin’ny teny, na amin’ny asa,
dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra,
sy amim-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 150, 1-2. 3-4. 5-6

Ny manana aina rehetra, aoka hidera ny Tompo!

Derao Andriamanitra any an-toerany masina!
Derao Izy any amin’ny habakabany mahery!
Derao Izy noho ny fahefany tsy toha!
Derao Izy noho ny halehibeny diso ohatra!

Derao Izy amim-peon’anjomara!
Derao Izy amim-baliha sy lokanga!
Derao Izy amin’amponga sy dihy!
Derao Izy amin-jejy sy sodina!

Derao Izy amim-kipantso-mikarantsana!
Derao Izy amin-kipantsom-pamindràna!
Ny manana aina rehetra
aoka hidera ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavan’Andriamanitra lavorary ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 27-38)

Aoka ho mpamindra fo toy ny Rainareo mpamindra fo ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy:
Tiavo ny fahavalonareo,
manaova soa an’izay mankahala anareo,
misaora an’izay manozona anareo
ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.
Raha misy mamely ny takolakao anankiray,
dia atolory azy koa ny ilany
ary raha misy maka ny lambanao,
aza sakanana na alainy mbamin’ny akanjonao aza.
Omeo izay rehetra mangataka aminao,
ary raha misy mifaoka ny anananao,
dia aza mitaky izany aminy intsony.

Izay tianareo hataon’ny olona aminareo,
no mba ataovy amin’ny olona koa.
Raha izay tia anareo ihany no tianareo,
fankasitrahana inona no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa.
Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa,
fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota aza mba manao toraka izany ihany koa.
Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo,
fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany,
mba handraisany toraka izany.
Fa ianareo kosa,
tiavo ny fahavalonareo,
manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny:
dia ho lehibe ny valisoanareo,
ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra,
dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy.

Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo.
Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo;
aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo;
mamelà, dia havela ianareo.
Manomeza dia homena ianareo;
fatra tsara, mifatratra,
sady mihintsana no avo loha no homena ho ao am-pofoanareo:
fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 18 jolay 2025

• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...