♦ Hotanterahana any Antsirabe ny 30 aogositra hatramin'ny 4 septambra 2022, ny JMJ Mada-10... ♦ Nankahery ny vahoaka Malagasy ny Papa François tamin'ny fihaonany tamin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Nasiam-panitsiana ny dikan-teny frantsain'ny litorjia fankalazana ny Eokaristia Masina...
Nihaona tamin’ny Papa François ny talata 30 novambra 2021 ny Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan’i Morondava. Maro ny dinika nifanaovan’izy ireo : ny zava-misy iainan’ny vahoaka Malagasy, ny JMJ 2022, ireo diosezy mbola tsy manana eveka… Indro ary ny hafatra manokana avy amin’ny Papa François ho an’ny vahoaka Malagasy tao aorian’ny fihaonan’izy ireo.
Ny fanehoana fitiavana dia ilaina, na eo amin'ny mpianakavy na eo amin'ny olona roa. Ndeha ho sokajiana toy ny fanadinana na enti-mody ny fanehoana fitiavana, inona no havoakan'ny fanombanan-tena nataontsika? Inona no tokony hatsaraina? Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Tamin’izany andro izany, rahefa nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa sy ny mpianany, dia nanontany Azy ny mpianany nanao hoe: "Ahoana àry no ilazan’ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?" Ary namaly Izy ka nanao hoe: "Tsy maintsy ho avy tokoa i Elia ka hanavao ny zavatra rehetra. Nefa lazaiko aminareo fa tonga sahady i Elia, fa tsy fantatry ny olona izy, ka nanaovany izay sitraky ny fony. Ary ho tahaka izany koa no hampijaliany ny Zanak’Olona." Dia fantatry ny mpianatra tamin’izay fa i Joany Batista no nolazainy taminy.
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Amin’inona no hanoharako itý taranaka itý? Amin’ny ankizy madinika mipetraka eny an-kianja izay miantso ny namany, ka manao hoe: Nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nandòn-tratra ianareo. Fa tonga i Joany, tsy nihinana tsy nisotro, nataon’ny olona hoe: Azon’ny demony izy. Tonga indray ny Zanak’Olona, mihinana sy misotro, lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io, sady mpisotro divay sy sakaizan’ny poblikanina mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra. Fa efa nohamarinin’ny asany ny Fahendrena."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra no lehibe noho izy. Ary hatramin’ny andron’i Joany Batista no ho mankatý dia azo an-keriny ny Fanjakan’ny lanitra, ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy. Fa ny Mpaminany rehetra sy ny Lalàna dia naminany hatramin’i Joany, ary raha mety mino ianareo dia izy no ilay Elia ho avy. Izay manan-tsofina hihainoana aoka hihaino."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo; ka handeha hitady ilay nania izy? Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza."
Indray andro, raha nampianatra i Jesoa, dia nipetraka nanodidina Azy teo koa ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna sasany avy tamin’ny tanàna rehetra tany Galilea sy Jodea mbamin’i Jerosalema, ary tao aminy hanasitranany ny marary ny herin’ny Tompo. Dia indro nisy olona nitondra lehilahy malemy anankiray tamin’ny fandriany ka nitady hampiditra sy hametraka azy teo anatrehany; fa tsy nahita izay hampidirany azy izy ireo noho ny habetsahan’ny olona, ka niakatra teo ambonin’ny tafon-trano izy ary nanesorana ny tafo dia nampidininy teo afovoan’ny olona teo anatrehan’i Jesoa ralehilahy mbamin’ny fandriany. Nony nahita ny finoan’izy ireo i Jesoa, dia nanao hoe: "Ralehilahy, voavela ny helokao." Tamin’izany ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina dia nisaintsaina anakampo nanao hoe: "Iza moa itý miteny ratsy toy izao itý? Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery." Fa fantatr’i Jesoa ny heviny, ka hoy Izy taminy: "Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo? Inona no mora holazaina kokoa, ny hoe: Voavela ny helokao; sa ny hoe: Mitsangàna ka mandehana? Ary mba ho fantatrareo fa manam-pahefana hamela heloka etý an-tany ny Zanak’Olona, dia izao no lazaiko aminao, hoy Izy tamin’ilay malemy: Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao." Niaraka tamin’izay dia nitsangana teo imason’ny olona izy, ary nitondra ny farafara nandriany ka lasa nody any an-tranony nankalaza an’Andriamanitra. Nitolagaga avokoa izy rehetra ka sady nankalaza an’Andriamanitra no raiki-tahotra nanao hoe: "Nahita zava-mahagaga isika androany."
Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara, fony i Pôntsy Pilaty no governora tany Jodea, i Herôda no tetrarka tany Galilea, i Filipo rahalahiny no tetrarka tany Itorea sy Trakônitida, i Lisanià no tetrarka tany Abilena, ary i Ana sy i Kaifa no lehiben’ny mpisorona, dia tonga tamin’i Joany zanak’i Zakaria tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra. Dia nankany amin’ny tany rehetra amoron’i Jordany izy, nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin’i Izaia mpaminany hoe: Re ny feon’ilay miantso avy an’efitra hoe: Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany; ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy, ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.
Tamin’izany andro izany i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: "Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny." Ary niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Ary hoy Izy: "Mankanesa any amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely. Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony; nahazo maimaim-poana ianareo, koa manomeza maimaim-poana."
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco