Tamin’izany andro izany, nony vita ny vakinteny nataon’i Jesoa tao amin’ny bokin’i Izaia Mpaminany, dia nifantoka tany aminy avokoa ny mason’ny olona rehetra tao amin’ny sinagôga, ka dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: "Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany". Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy ireo: "Tsy ny zanak’i Jôsefa va ity?" Ary hoy kosa i Jesoa taminy: "Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe: ‘Dokotera, sitrano aloha ny tenanao’. Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa". Dia notohiziny hoe: "Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy. Ary lazaiko marina aminareo koa, fa maro ny mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra, nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza, fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sarepta any amin’ny tany Sidôna ihany; ary be koa no boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa i Naamàna Sirianina ihany". Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany, ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana; fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy dia lasa.
Tamin’izany andro izany, ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe: "Efa azon’i Belzeboba Izy, ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony." Nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe: "Hataon’i Satàna ahoana no fandroaka an’i Satana? Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany; ary raha misy fianakaviana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fianakaviana izany: koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satàna, ka miady an-trano, dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny. Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny olo-mahery sy mandroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony. Lazaiko marina aminareo fa hahazo famelan-keloka ihany ny zanak’olombelona amin’ny fahotany rehetra, sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay itenenany ratsy an’Andriamanitra; fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, fa manam-pahotana mandrakizay. Satria hoy izy ireo hoe: manana fanahy maloto Izy."
Noho ny maro efa nanoratra ny tantaran’ny zavatra inoana tokoa amintsika sy noraisintsika tamin’ny vavolombelona sady nahita maso no mpitory teny hatramin’ny voalohany, dia nataoko fa mety koa, rehefa niala nenina aho hahalala tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany, ny hanoratra azy milamina tsara ho anao, ry Teôfily manan-kaja, mba ho fantatrao fa marina tokoa izay nampianarina anao.
Indray andro i Jesoa, dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin’ny manodidina rehetra ny lazany. Nampianatra tao amin’ny sinagôgan’izy ireo Izy, ka nankalazain’izy rehetra. Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy Izy, dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny. Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: "Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka Ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorîna ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana". Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga. Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: "Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany".
♦ Tontosa androany teny amin'ny EKAR Trinite Masina Mangasoavina, ny Eokaristia Masina hitondrana ny Lakroa JMJ mankany amin'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Nahatsiaro am-bavaka ny Papa Fraçois noho ny tsingerin-taona nahaterahany ny 17 desambra teo, ny tao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Nanainga ny mpino rehetra ny Papa nandritra ny vavaky ny Angelus, mba haka tahaka an'i Masina Maria, hijery : ambony mandrakariva ary hamakivaky ny tontolo andro amin-kafaliana eo am-panampiana ny hafa...
Tamin’izany andro izany, dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea, ary tao ny Renin’i Jesoa. I Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady. Nony inona, lany ny divay ka hoy ny Renin’i Jesoa taminy: "Tsy manan-divay izy ireo". Ary hoy i Jesoa taminy: "Izaho sy ianao moa no ahoana amin’izany, ravehivavy? Tsy mbola tonga ny fotoako". Dia hoy ny Reniny tamin’ny mpanompo: "Ataovy izay rehetra holazainy aminareo". Ary nisy siny vato enina teo, fidiovana araka ny fanaon’ny Jody, nahalany rano indroa na intelon’ny famarana avy, ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Fenoy rano ireo siny ireo". Dia nofenoiny hatramin’ny molony. Ary hoy i Jesoa taminy: "Tovozy amin’izao, ka ento amin’ny mpandahatra ny fanasana". Dia nentiny. Vao nanandrana ny rano voaova ho divay ny mpandahatra ny fanasana (izay tsy nahalala ny niaviany, fa ny mpanompo nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra ka nanao taminy hoe: "Ny an’ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rehefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny".
Izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no santatry ny famantarana nataony; naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany. Ary rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kafarnaôma Izy sy ny Reniny mbamin’ny rahalahiny sy ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo.
♦ Manentana ny rehetra handray anjara amin'izao sinaody faha-16 izao, ny Papa François... ♦ Volana hanomezana sehatra ny ankizy ny volana desambra, nanome hafatra manokana ho azy ireo ny avy eo anivon'ny VPKA sy ny OPM... ♦ Nandritra ny Audience générale tamin'ny alarobia teo no nanentanan'ny Papa François, ny mpino rehetra, mba hiverina hizaha miaraka amin'i Masindahy Josefa, ny lanjan'ny fahanginana...
Tamin'izany andro izany, raha mbola niandry ny olona sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy, dia niteny i Joany ka nanao tamin'izy ireo hoe: "Izaho manao batemy anareo amin'ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho: Izy no hanao Batemy anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo".
Tamin'ilay natao batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao batemy koa i Jesoa, ka raha mbola nivavaka Izy dia nisokatra ny lanitra; ary nidina teo amboniny ny Fanahy Masina naka endri-batana toy ny voromahailala, dia nisy feo re avy any an-danitra nanao hoe: "Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko indrindra".
Misy ny olona voasokajy ho vahoaka fotsiny fa tsy olom-pirenena. Ahoana ary ny hanomanana sy hamolavolana ny Malagasy ho tena olom-pirenena mahalala sy mahafantatra ny adidiny sy ny andraikiny ? Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Misy dingana telo lehibe ny fanomanana ny sinaodin'ny eveka faha-16 : ny fakan-kevitra ny vahoakan'Andriamanitra any amin'ny Eglizy fototra izay entina eo anivon'ny Fivondronam-ben'ny Eveka, ny fandinihan'ny eveka eo amin'ny kontinanta ary ny fivoriam-ben'ireo eveka solo-tena any Roma. Fanazavana entin'i Ramatoakely Miora Rakotonirainy, Ekipa nasionaly mpandrindra ny sinaody.
Tamin’ny andro nanoloran’ny ray aman-dreniny an’i Jesoa tao an-tempoly, dia nisy koa tao mpaminany vavy anankiray, dia i Ana, zanak’i Fanoela, fokon’i Asera; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian’ny naha-virjiny azy ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin’ny tempoly, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina tamin’ny fifadian-kanina sy fivavahana. Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany, ka nidera an’Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema. Ary nony tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra araka ny Lalàn’ny Tompo, dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy. Ary nitombo nihanatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena, ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.
Rahefa tapitra ny andro fidiovana araka ny lalàn’i Môizy, dia nentin’ireo ray aman-dreniny ho any Jerosalema i Jesoa mba hatolotra amin’ny Tompo, araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàn’ny Tompo hoe: "Ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe: masina ho an’ny Tompo", ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromahailala roa, araka ny voalaza ao amin’ny Lalàn’ny Tompo. Ary indro, nisy lehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema, ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely, ary tao aminy ny Fanahy Masina sady efa nanambaran’ny Fanahy Masina izy fa tsy hahita fahafatesana mandra-pahitany an’i Kristin’ny Tompo. Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny tempoly, ka nony nitondra an’i Jesoa zazakely ny rainy aman-dreniny hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy, dia nitrotro Azy izy ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe: "Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao amim-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao, fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao." Dia gaga ny ray aman-drenin’ny zaza noho ny zavatra nolazaina ny aminy. Ary nitso-drano azy ireo i Simeôna, ka nilaza tamin’i Maria renin’ny Zaza hoe: "Indro, itý Zaza itý no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’i Israely ary ho famantarana hotoherina, — ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra, — mba hiseho ny hevitry ny fo maro."
Tamin'izany andro izany, nony lasa izy ireo Majy, indro nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanao hoe: Mifohaza hianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, ary mandosira any Ejipta, dia mitoera any ambara-pilazako aminao indray, fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny. Mbola alina dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny, ka lasa nankany Ejipta. Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin'i Heroda, mba ho tanteraka ny tenin'ny Tompo voalazan'ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako. Ary nony efa hitan'i Heroda fa voafitaky ny Majy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazakely rehetra tao Betlehema sy tamin'ny tany manodidina, hatramin'ny roa taona no ho midina, araka ny andro nofotopotorany tamin'ny Majy. Dia tanteraka tamin'izay ny tenin'i Jeremia mpaminany manao hoe: Nisy feo re tao Rama, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy: Rasely nitomany ny zanany, ka tsy azo nampiononina, fa tsy eo intsony ireny.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco