Vakiteny voalohany

Boky Fanisana (Fanis. 13, 1-2a. 26 — 14, 1. 26-29. 34-35)

Na taiza na taiza, tsy nahita ny tany niriny izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’i Môizy tao amin’ny tany efitr’i Faràna ny Tompo nanao hoe:

“Maniraha olona hisafo ny tany Kanaana,
izay omeko ny zanak’i Israely.”

Nony afaka efapolo andro dia niverina avy any am-pisafoana ny tany izy ireo.
Tonga izy, dia nanatona an’i Môizy sy Aarona,
mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra,
tao Kadesy tany an’efitra Faràna.
Nanao filazana taminy sy tamin’ny fiangonana rehetra izy ireo
ary naneho ny vokatry ny tany taminy.
Izao no filazana nataony tamin’i Môizy:

“Nankany amin’ny tany nanirahanao anay izahay.
Tany tondra-dronono sy tantely tokoa izany,
ary itony no vokatry ny tany avy any.
Fa ny vahoaka monina any, mahery;
ny tanàna, sady mimanda no lehibe;
ny zanak’i Enàka aza, hitanay any koa.
Amaleka no monina amin’ny faritanin’i Negeba;
ny Heteanina, ny Jebozeanina, ary ny Amôreanina
no monina amin’ny tendrombohitra;
ary ny Kananeanina no monina amin’ny moron-dranomasina
sy ny moron’i Jordany.”

Fa i Kabela nampangina ny vahoaka ny amin’i Môizy:

“Andeha isika, hoy izy,
hiakatra haka ny tany fa mety ho lasantsika tokoa izy.”

Nefa hoy kosa ireto olona niara-niakatra taminy:

“Tsy manan-kery isika hananika izany vahoaka izany,
fa mahery noho isika izy.”

Sady nataony laza ratsy teo anatrehan’ny zanak’i Israely
ny tany izay nosafoiny, ka hoy izy:

“Ny tany notetezinay nosafoina dia tany mandevona ny mponina aminy;
ny olona rehetra hitanay tany dia olona avo ranjanana daholo;
ary hitanay tany koa ry rapeto zanak’i Enàka, taranaky ny rapeto:
mova tsy ny valala izahay teo imasony sy teo imasonay.”

Dia nanandra-peo nikiakiaka ny fiangonana rehetra,
ka nitomany ny vahoaka nandritra iny alina iny.

Niteny tamin’i Môizy sy Aarôna ny Tompo nanao hoe:

“Mandra-pahoviana no handeferako ity fiangonana ratsy mimonomonona amiko ity?
Reko ny fimonomononana ataon’ny zanak’i Israely amiko.
Lazao amin’izy ireo hoe:
Velona Aho, hoy ny Tompo;
hataoko aminareo izay noteneninareo tamin’ny sofiko.
Hiampatrampatra amin’ity efitra ity ny fatinareo:
ianareo rehetra izay efa nanaovana fanisana ka voaisa,
ny efa roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko.
Araka ny efapolo andro nisafoanareo ny tany
— fa soloana taona iray ny andro iray, —
no hivesaranareo efapolo taona ny hadisoanareo,
ka dia ho hitanareo izany hoe fihatahako aminareo.
Izany no teniko, Izaho Tompo.
Izany no ataoko amin’ity fiangonana ratsy izay niodina tamiko.
Ho levona aty an’efitra aty izy, ho faty aty.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 105, 6-7a. 13-14. 21-22. 23

Tsarovy izahay, ry Tompo fa tia ny vahoakanao Ianao.

Nanota toy ny Razanay izahay,
nanao izay meloka sy ratsy.
Ny Razanay tany Ejipta
tsy nahatsapa ny asanao mahagaga.

Kanjo nalaky nanadino ny asany,
sy tsy nahandry ny lahany:
fa voan’ny fitsiriritana tany an’efitra,
ka naka fanahy an’Andriamanitra tany an-tany foana.

Hadinony Andriamanitra Mpamonjy azy,
Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama,
zava-mahatahotra teo an-dRiakan-Jozoro.

Dia nilaza handringana Izy,
raha tsy i Môizy ilay voafidiny,
no nisosoka nitokona teo anoloany,
mba hanoha ny havinirany tsy hahavoa.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manantena ny Tompo ny fanahiko,
miandry ny teniny aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)

Ravehivavy, lehibe ny finoanao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna.
Ary indro nisy vehivavy kananeanina anankiray
nivoaka avy tamin’izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe:

“Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida,
fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy”;

fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza.
Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe:

“Roahy izy fa mikiakiaka manaraka antsika.”

Ary hoy ny navaliny azy:

“Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho.”

Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany,
ary nanao hoe:

“Tompo ô, vonjeo aho!”

Nefa novaliany hoe:

“Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa.”

Ary hoy ravehivavy:

“Marina izany, Tompoko,
nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka
avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Ravehivavy, lehibe ny finoanao,
aoka ho tanteraka aminao araka izay irìnao.”

Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Mikasa hanolotra kandidà tokana, Zanaky ny faritany, ny Vondrona Firaisan-kina faritanin'i Fianarantsoa amin'ny fifidianana ho avy io. Maniry ny hamory vahoaka izy ireo, saingy mbola tsy nahazo alalana hatramin'izao... ♦ Tsy ho tapaka ny fandraisan'ny Zokiolona fisotron-dronono, na teo aza ny fitokonana hoy ireo mpiasan'ny CNaPs. Nanome antoka izy ireo fa nisy hatrany ny fandoavam-bola tamin'ny fotoana niatoan'ny fandraisana ireo mpila raharaha... ♦ Vinavinaina ho tratra amin'ity taona ity ny tahan'ny fisondrotry ny harin-karena faobe 4% mahery kely amin'ity taona ity hoy ny eo anivon'ny INSTAT. Tsy mbola ho hita taratra amin'ny fari-piainan'ny vahoaka malagasy anefa izany...

♦Miahiahy ny tsy hisian'ny fifidianana madio ny vondrona politika APOGENIE. Misy biraom-pokontany 6.000 sy biraom-pifidianana noforonina mifandraika amin'izany, nefa tsy hita fototra mazava hoy izy ireo... ♦ Notendrena omaly ny tale jeneraly vaovaon'ny CNaPs izay anisan'ny anton'ny fitokonan'ny mpiasa nandritra ny iray volana. Voatendry amin'izany andraikitra izany Andriamatoa Vimbina Rahaingonjatovo... ♦ Tsy mbola nisy voasambotra hatramin'ny omaly ireo gadra tafatsoaka ny fonjan'i Mananjary. Nitondra fanazavàna momba ny fepetra efa noraisina omaly ny tale jeneralin'ny fandraharahana ny fonja, manoloana ity raharaha ity...

♦ Miahiahy amin'ny fisian'ny Biraom-pokontany miisa 6 arivo sy Biraom-pifidianana marobe hoforonina ny APOGENIE. Nanamafy ny fametrahana Governemanta tsy miandany hanomana ny fifidianana ity vovonana ity, manoloana izany... ♦ Nivaha amin'ny ankapobeny ny olana nampitokona ireo mpiasan'ny CNaPS nandritra ny iray volana. Hisokatra isan'andro amin'izay ny biraon'ny CNaPS manerana ny nosy manomboka izao... ♦ Mbola tsy nisy voasambotra hatramin'ny androany ireo enin-dahy tafatsoaka nandritra ny fahavakisan'ny fonjan'i Mananjary...

♦ Mbola tsy isan'ireo handray anjara amin'ny fifidianana eto Madagasikara aloha ireo "diaspora" Malagasy. Nambaran'ny CENI fa efa nikatona ny lisi-pifidianana hampiasaina amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena... ♦ Mbola mitohy ny fikarohana ireo voafonja miisa enina tafatsoaka tao amin'ny fonjan'i Mananjary. Nahetsika avokoa ireo mpitandro ny filaminana hanao ny fikarohana... ♦ Tyy misy afa-tsy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ihany aloha hatramin'izao no mamerina tsikelikely ny vola nindraminy tao amin'ny CNaPS...

♦ Miantso ny fanjakana hamaha ny olan'ny CNaPS, mampikatso ny fadehanan-draharaha tato anatin'ny iray volana, ny Sendikàn'ny Vondron'ny Mpiasa sy ny Mpampiasa. Tsy ara-dalàna, hoy izy ireo, ny fitokonana atao... ♦ Hivaha tsy ho ela ny olana mahazo ny mpiantsehatra amin'ny lalam-pihariana akoho manatody lava sy fakàna nofo. Am-piandrasana ny sonia fankatoavana ny fahafahana manafatra katsaka avy any ivelany ny vovonan'ireo mpiantsehatra na ny IPA Madagasacar...

Vakiteny voalohany

Boky Fanisana (Fanis. 12, 1-13)

Tsy mba tahaka ny mpaminany hafa i Môizy; ka nahoana ianao no tsy matahotra ny hanome tsiny azy?

Tamin’izany andro izany,
i Maria mbamin’i Aarôna nanome tsiny an’i Moizy
noho ny amin’ny vehivavy Kosita izay efa nalainy ho vady,
fa nanambady vehivavy Kosita izy.
Hoy izy ireo:

“Moa dia amin’ny alalan’i Môizy ihany va no efa nitenenan’ny Tompo?
Moa tsy efa niteny tamin’ny alalanay va Izy?”

Ren’ny Tompo izany.
I Môizy anefa dia lehilahy malemy fanahy indrindra,
mihoatra noho ny olona rehetra ety ambonin’ny tany.

Niteny tampoka tamin’i Môizy sy i Aarôna ary i Maria ny Tompo nanao hoe:

“Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any an-tranolay fihaonana.”

Dia nivoaka daholo izy telo mianadahy
ary ny Tompo nidina tamin’ny andry rahona,
ka nitoetra teo am-baravaran’ny tranolay.
Niantso an’i Aarôna sy i Maria Izy,
dia nandroso izy mianadahy ireo; ary hoy Izy hoe:

“Henoy tsara izao teniko izao:
Raha misy Mpaminanin’ny Tompo eo aminareo,
dia fahitàna no isehoako aminy,
ary nofy no itenenako aminy.
Tsy mba toy izany i Môizy mpanompoko;
ekena ho olo-mahatoky amin’ny tranoko rehetra izy.
Miteny aminy mifanatrika ka miseho miharihary aminy Aho,
fa tsy aman’ohatra,
dia mijery ny endriky ny Tompo izy.
Koa nahoana àry ianareo no dia tsy natahotra ny hanome tsiny ny mpanompoko,
dia i Môizy?”

Ary nirehitra tamin’izy mianadahy ny fahatezeran’ny Tompo,
ka lasa Izy.

Ny rahona niala teo ambonin’ny tranolay.
Ary indro i Maria tonga boka, mova tsy ny oram-panala.
Nitodika an’i Maria i Aarôna, dia indro fa boka izy.
Ary hoy i Aarôna tamin’i Moizy:

“Aoka re, tompoko,
mba tsy hatsindrinao anay izany fahotana nataonay tamin-kadalana
sy mahameloka anay izany.
Aoka re, tsy ho toy ny zaza maty hatrany am-bohoka izy;
ka raha vao teraka dia efa lany sasaka ny nofony.”

Dia nitaraina tamin’ny Tompo i Môizy, ka nanao hoe:

“Ry Andriamanitra ô, mihanta aminao aho, sitrano izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 50, 3-4. 5-6a. 6bd-7. 12-13

Iantrao izahay, ry Tompo, fa nanota taminao!

Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra,
fa Ianao manko lalim-pitiavana.
Mba koseho re ny heloka vitako,
dia diovy aho hiala amin’ny otako.

Efa niaiky hadisoana ny tenako,
eo imasoko hatrany ny otako.
Taminao aho no diso Andriamanitro,
fantatrao avokoa ny kilemako!

Izay lazainao tokoa no hany marina.
Raha mitsara ahy Ianao, ara-drariny.
Fa tanaty heloka aho re no teraka,
tamin’ny ota aho no torontoronina.

Fo madio vaovao no angatahiko,
sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alàna aminao aho, ry Tompoko,
ny Fanahy aza esorinao amiko!

Evanjely (Taona A)

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana ny Ray,
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 1-2. 10-14)

Ny voly rehetra tsy ambolen’ny Raiko dia hongotana.

Tamin’izany andro izany,
nisy mpanora-dalàna sy Farisianina avy tany Jerosalema nanatona an’i Jesoa
ka nanao taminy hoe:

“Nahoana ny mpianatrao no mandika ny lovan-tsofina,
fa tsy mba manasa tanana izy raha hihinan-kanina?”

Ary rahefa nasain’i Jesoa hanatona Azy ny vahoaka,
dia hoy Izy taminy:

“Hainoy, ary fantaro:
tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona.”

Dia nanatona Azy ny mpianany ka nilaza taminy hoe:

“Fantatrao va fa tafintohina ny Farisianina nandre izany teny izany?”

Ary hoy ny navaliny azy ireo:

“Ny voly rehetra tsy nambolen’ny Raiko izay any an-danitra dia hongotana.
Avelao izy, fa jamba mitari-dalana ny jamba;
ka raha misy jamba mitari-dalana ny jamba,
dia hianjera any an-kady izy roroa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely (Taona B sy D)

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo,
hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 22-36)

Asaovy hankany aminao eny ambony rano aho.

Tamin’izany andro izany, nony efa voky ny vahoaka dia nodidian’i Jesoa
hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany,
sy hita hialoha Azy ambara-pandravany ny vahoaka;
ary rahefa nampirava ny vahoaka Izy,
dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana;
ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo.
Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina,
fa nanoha rivotra.
Ary tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina,
dia nandeha teny ambony rano i Jesoa ka nankeo amin’izy ireo.
Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo,
dia natahotra ka nanao hoe:

“Matoatoa io”,

sady niantsoantso izy noho ny tahony.
Niaraka tamin’izay, dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe:

“Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra!”

Namaly i Piera nanao hoe:

“Raha Ianao àry, Tompo,
asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho.”

Dia hoy Izy hoe:

“Avia.”

Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera,
ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa.
Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy;
ary nony nanomboka nilentika izy,
dia niantso mafy nanao hoe:

“Tompo ô! vonjeo aho.”

Niaraka tamin’izay,
naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy,
ka nanao taminy hoe:

“Ry kely finoana,
nahoana no nisalasala ianao?”

Ary rahefa niakatra teo an-tsambo izy ireo,
dia nitsahatra ny rivotra.
Tamin’izany ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy
sy nitsaoka Azy nanao hoe:

“Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!”

Ary nony tafita ny rano izy ireo,
dia tonga tany amin’ny tanin’i Genezareta;
ka nony nahafantatra Azy ny mponina tao,
dia nandefa iraka tamin’ny tany manodidina rehetra,
ka nentin’ny olona teo aminy avokoa ny marary rehetra,
ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny moron-tongotr’akanjony fotsiny ihany,
dia sitrana avokoa izay rehetra nanendry.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Fanisana (Fanis. 11, 4b-15)

Tsy zakako izaho irery izao vahoaka rehetra izao.

Tamin’izany andro izany,
rafitra nitomany indray ny zanak’i Israely nanao hoe:

“Iza re no mba hanome hena hohahinay?
Tsaroanay izany hazandrano nohaninay maimaim-poana tany Ejipta,
ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolo sy ny tongolon-kova.
Izao kosa maina ny ainay;
tsy misy na inona na inona intsony;
tsy mahita afa-tsy ny mana ny masonay.”

Nitovy amin’ny voan-koriandra ny mana, toy ny bdeliôma ny tarehiny.
Nihahaka nanangona azy ny vahoaka,
dia nanorotoro azy tamin’ny vato fitotoambary,
na nitoto azy tamin’ny laona,
dia nahandro azy tamin’ny vilany sy nanao mofo aminy.
Sahala amin’ny mofomamy misy diloilo ny tsirony.
Amin’ny alina filatsahan’ny ando amin’ny toby,
no nilatsahan’ny mana ao koa.

Ren’i Môizy ny vahoaka samy nitomany isam-pianakaviana
avy eo am-baravaran-dainy.
Nirehitra mafy ny fahatezeran’ny Tompo.
Dia nalahelo i Môizy ka nilaza tamin’ny Tompo hoe:

“Nahoana no dia nasiana izao ratsy izao ny mpanomponao,
ary nahoana no dia tsy nahita fitia taminao aho
ka novesaranao ny fitondrana ity vahoaka ity?
Izaho va notorontoronina ity vahoaka ity,
ary izaho va no niteraka azy,
no dia izaho no ilazanao hoe:

‘Trotroinao izy, toy ny itondran’ny ray mpitaiza ny zaza minono,
ho any amin’ny tany izay nianiananao tamin’ny razany homena azy?’

Aiza no hangalako hena homena an’izao vahoaka rehetra izao?
Fa mitomany manodidina ahy izy, manao hoe:

‘Omeo hena izahay hohaninay.’

Tsy zakako izaho irery izao vahoaka rehetra izao,
fa mavesatra amiko loatra.
Koa raha izao no ataonao amiko
mihanta aminao aho raha mahita fitia eo imasonao,
vonoy aho mba tsy hahita ny fahoriako.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 80, 12-13. 14-15. 16-17

Kinanjo ny oloko tsy mihaino,
i Israely manosika Ahy!
Izao izy avelako hanao ny tiany,
hanaraka tsara izay sitra-pony.

Indrisy, raha nihaino Ahy ireo olon-tiako,
ka i Israely nanaraka Ahy.
Dia ho noreseko ny fahavalo,
ny rafy ho nasiako tokoa tokoa.

Ireo mpankahala ho nandadilady,
ho nanaiky resy tanteraka izy!
Ny oloko ho nomeko vary kanto,
niampy tantely tam-batolampy.

Evanjely (Taona A)

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo,
hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 22-36)

Asaovy hankany aminao eny ambony rano aho.

Tamin’izany andro izany, nony efa voky ny vahoaka dia nodidian’i Jesoa
hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany,
sy hita hialoha Azy ambara-pandravany ny vahoaka;
ary rahefa nampirava ny vahoaka Izy,
dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana;
ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo.
Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina,
fa nanoha rivotra.
Ary tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina,
dia nandeha teny ambony rano i Jesoa ka nankeo amin’izy ireo.
Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo,
dia natahotra ka nanao hoe:

“Matoatoa io”,

sady niantsoantso izy noho ny tahony.
Niaraka tamin’izay, dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe:

“Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra!”

Namaly i Piera nanao hoe:

“Raha Ianao àry, Tompo,
asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho.”

Dia hoy Izy hoe:

“Avia.”

Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera,
ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa.
Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy;
ary nony nanomboka nilentika izy,
dia niantso mafy nanao hoe:

“Tompo ô! vonjeo aho.”

Niaraka tamin’izay,
naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy,
ka nanao taminy hoe:

“Ry kely finoana,
nahoana no nisalasala ianao?”

Ary rahefa niakatra teo an-tsambo izy ireo,
dia nitsahatra ny rivotra.
Tamin’izany ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy
sy nitsaoka Azy nanao hoe:

“Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!”

Ary nony tafita ny rano izy ireo,
dia tonga tany amin’ny tanin’i Genezareta;
ka nony nahafantatra Azy ny mponina tao,
dia nandefa iraka tamin’ny tany manodidina rehetra,
ka nentin’ny olona teo aminy avokoa ny marary rehetra,
ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny moron-tongotr’akanjony fotsiny ihany,
dia sitrana avokoa izay rehetra nanendry.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely (Taona B sy D)

Aleloia. Aleloia.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 13-21)

Niandrandra ny lanitra i Jesoa ka nitso-drano ny mofo dia nomeny ny mpianany ary nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.

Tamin’izany andro izany,
nony nandre ny nahafatesan’i Joany Batista i Jesoa,
dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samirery any an’efitra
fa rahefa nahare izany ny vahoaka,
dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka Azy.
Rahefa niala tao an-tsambo kely Izy,
dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka,
ka nositraniny ny marary teo aminy.

Ary nony hariva ny andro,
dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:

“Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro:
koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin’ny vohitra.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Tsy tokony handeha izy, fa omeo hanina.”

Dia hoy ireo taminy:

“Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atý aminay.”

“Ento atý amiko izany”, hoy Izy taminy.

Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka,
ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa,
dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano;
ary rahefa novakìny ny mofo, dia nomeny ny mpianany,
ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.
Dia nihinana izy rehetra ka voky,
ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany
ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.
Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana
afa-tsy ny zaza amam-behivavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nanome toromarika ireo lehiben'ny Distrika sy ny Préfet, ny Minisitry ny Atitany, hidina ifotony hanazava ny zava-bitan'ny fitondrana. Fampiasana ny fahefam-panjakana amin'izao mialoha ny fifidianana izao izany, hoy ny antoko Fiombonana... ♦ Olona 22 no nahiditra am-ponja vonjimaika, noho ilay raharaha fivoahan'ny laza adina mialoha ny fotoana, tamin'ny fanadinana Bakalôrea farany teo... ♦ Mbola tsy voavaha ny olana ao amin'ny CNaPS, na teo aza ny fehin-kevitra niraisan'ny mpiasa sy ny Minisiteran'ny Asam-panjakana, ny herinandro teo, toy ny Randrana Sendikaly...

♦ Kandidà faharoa efa nilaza ôfisialy ny handraisany anjara amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena, Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo, izay atolotry ny antoko MMM... ♦ Tsy hitsahatra ny handroso soson-kevitra amin'ny fanatsarana ny fandaharam-pianarana ny eo anivon'ny Sekoly Katôlika... ♦ Hitohy mandritra ny herinandro ny Oniversite maty eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, araka ny tapaky ny SECES Sampanana Antananarivo androany...

♦ Voafidy ary voatendry ho "Administrateur Diocésain" an'ny Diôsezin'Ambatondrazaka i P. Andrianasolo Sata Jean Noël Peterson... ♦ Tontosa omaly ny fametrahana amin'ny fomban'ny Eglizy ho Arsevekan'Antananarivo an'i Mgr Jean de Dieu Raoelison. Nifanindran-dàlana tamin'izay ny famaranana Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, Andiany fahatelo... ♦ Hivahiny any Marseille, faritra atsimon'i Frantsa ny 22 sy 23 septambra 2023, ny Papa François...

♦ Anio no hanainga any amin'ny Diôsezy nanaovany asa misiônera avy, ireo tanora mpivahiny masina, any Portugal; isan'izany ny tanora Malagasy, ka hihazo an'i Lisbonne, izay toerana hifamotoanan'ny tanora amin'ny Papa François... ♦ Voafidy ary voatendry ho "Administrateur Diocésain" an'ny Diôsezin'Ambatondrazaka i P. Andrianasolo Sata Jean Noël Peterson. Pretran'ny Diôsezin'Ambatondrazaka izy... ♦ Soja 10 taonina isan'andro no ho voahodina ho lasa menaka 3.300 litatra mahery, amin'ny alalan'ny ozinina, izay naterin'ny Ministry ny Fampiroboroboana ny Indostria, tany Anjozorobe ny sabotsy lasa teo...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...