Aoka mba hiainantsika tokoa izany fahavanonana izany, ary hitondra am-bavaka mba hiverenan'ny fandriam-pahalemana, indindra isika Malagasy aty amin'ny ranomasimbe Indiana, ranomasin'ny fandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy, ny alahady voalohany amin'ny Karemy, ny hira fanevan'ny JMJ Mada faha-10... ♦ Kristianina dimy amby efapolo no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Aomônerian'ny Miaramila, nandritra ny fitsidihana pastôraly nataon'ny Arsevekan'Antsiranana, ny alahady 6 marsa 2022... ♦ Nanatitra sakafo sy fanafody ireo mpiasa rehetra tao Vatican androany, ho firaisam-po amin'ny Papa François amin'ireo lasibatry ny ady any Ukraine...

♦ Mitondra antsika amin'ny fanantenan'ny fitsanganan-ko velona, ny fanombohantsika ny Karemy amin'ny lavenona, hoy i Mgr Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Famantarana sy fahafahana ny fahalavan'ny andro iainana, hoy ny Papa François... ♦ Niombom-peo sy nanamafy ny antson'ny Papa François, ireo Kardinaly mandrafitra ny Curie Romaine, mba hivavahana ho an'ny fandriampahalemana

♦ Manao antso avo amin'ireo Diôsezy rehetra mba handefa avy hatrany ny fanampiana ho an'ireo tra-boina any atsimo atsinanan'ny nosy, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka, Mgr Fabien Raharilamboniaina... ♦ Manadino tanteraka ny maha olona izay mahatonga ny ady, hoy ny Papa François... ♦ Tafajoro amin'ny fomba ôfisialy ny Fikambanana masina "Garde d'Honneur Fo Masin'i Jesoa", ao amin'ny Diôsezin'i Morombe...

♦ Manatanteraka ny fivoriam-be fanaony ny Secteur Avaratra ao amin'ny Diôsezin'Antsiranana. Dinika momba ny Sinaody no mibahan-toerana amin'izany... ♦ Nifantoka tamin'ny hevitra sy ny lanjan'ny fahanterana ny katesizin'ny Papa François, nanomboka ny alarobia 23 febroary 2022... ♦ Nanao antso avo ho amin'ny fifampiraharahana eo amin'i Rosia sy Ukraine ny Kardinaly Pietro Parolin, Sekreteram-panjakana ao amin'ny Fiketrahana Masina...

Tamin’izany andro izany i Jesoa dia nitondra an’i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka. Raha mbola nivavaka Izy, dia niova toetra ny Tarehiny sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany. Ary indro nisy roa lahy niresaka taminy, dia i Môizy sy i Elia, izay niseho tamim-boninahitra sy nilaza ny hahalasanany izay tsy maintsy ho tanteraka any Jerosalema. Navesatry ny tory ny mason’i Piera sy ny namany, nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’i Jesoa mbamin’izy roa lahy teo aminy. Ary tamin’izy roa lahy nihataka, dia hoy i Piera tamin’i Jesoa: "Ry Mpampianatra ô, mahafinaritra ny mitoetra aty, ka andeha hanangana lay telo eto, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia"; tsy fantany anefa izay nolazainy. Raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona nanarona azy ireo, ka natahotra izy telo lahy tamin’ny nidirany tao anatin’ny rahona. Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: "Ity no Zanako malalako, henoy Izy". Ilay niteny iny ny feo, dia i Jesoa irery ihany no hita. Ary nangina ireo mpianany ka tsy nilazalaza na tamin’iza na tamin’iza tamin’izany andro izany izay zavatra hitany teo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’Olona otronin’ny Anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra ary Izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; ny ondry moa hataony eo ankavanany, ary ny osy kosa eo ankaviany. Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo an-kavanany hoe: ‘Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao. Fa noana Aho, nomenareo hanina; nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina; nivahiny Aho, nampiantranoinareo; tsy nitafy Aho, notafianareo; narary Aho, novangianareo; tany an-tranomaizina Aho, notsidihinareo.’ Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: ‘Tompo, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina; nangetaheta ka nomenay hosotroina? Oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafianay? Oviana no hitanay narary Ianao na tany an-tranomaizina ka novangianay?’ Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao hoe: ‘Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko. Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray Izy ka hanao hoe: ‘Mialà amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an’ny demony sy ny anjeliny. Fa noana Aho, tsy nomenareo hanina; nangetaheta Aho, tsy nomenareo hosotroina; nivahiny Aho, tsy nampiantranoinareo; tsy nitafy Aho, tsy notafianareo; narary Aho sy tany an-tranomaizina, tsy novangianareo.’ Dia hamaly Azy koa ireo hanao hoe: ‘Tompo, oviana no hitanay noana Ianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary na tany an-tranomaizina ka tsy namonjy Anao izahay?’ Fa hovaliany hoe: ‘Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto ianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa.’ Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay."

Tamin’izany andro izany i Jesoa dia feno ny Fanahy Masina ary niverina avy tany Jordany ka nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro, sady nalain’ny devoly fanahy Izy, no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany. Dia hoy ny devoly taminy: "Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, asaovy tonga mofo io vato io". Fa hoy i Jesoa taminy: "Efa voasoratra hoe: Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra".

Dia nentin’ny devoly niakatra tany amin’ny tendrombohitra avo anankiray Izy, ka nanehoany indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, ary hoy izy taminy: "Homeko Anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny, satria nomena ahy ka mba omeko izay tiako kosa. Koa izao àry: raha mitsaoka ahy Ianao, dia ho Anao avokoa izy". Fa izao no navalin’i Jesoa azy: "Efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao".

Dia nentiny tany Jerosalema indray Izy, ka napetrany teo an-tampon’ny Tempoly, ary nilazany hoe: "Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any; fa efa voasoratra hoe: Nomeny didy hiambina Anao ny Anjeliny, ary hitondra Anao eo an-tanany izy ireo fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao". Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Efa voasoratra hoe: "Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao". Nony tapitra nanao izao fakam-panahy Azy rehetra izao ny devoly, dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana indray.

♦ Nandefa telegrama ho fiombonam-po sy fankaherezana ny vahoaka Malagasy, ny Papa François... ♦ Atolotr'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Finvondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ny vavaka iombonana ho an'ny JMJ Mafa faha-10... ♦ Nihaona tamin'ny Papa François ny Filohan'ny Repoblika Zambiana, Hakainde Hichilema...

♦ Hofaranana amin'ny 31 jolay 2022 ny Sinaody nasionaly eto Madagasikara, fanomanana ny Sinaodin'ny Eveka... ♦ Ilaina ny fahaiza-mihaino sy ny firaisan-tsaina, manoloana ny fiovan'ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena, vokatry ny Covid-19... ♦ Natokan'ny Papa François ho taona masina hanamarihana ny fahateraham-baovao ny taona 2025...

Tamin’izany andro izany i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany hoe: "Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va? Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa? Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany. Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao? Ary hataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe: ‘Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao’, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao. Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara. Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroitsilo. Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany."

Tamin’izany andro izany, nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahan’i Jesoa tanana, nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra; ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: "Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny Fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko marina aminareo, fa na iza na iza tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra any." Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...