Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 11, 4-13)

Satria ianao tsy nitandrina ny fanekeko, dia hotsoahako eo an-tananao ny fanjakako, nefa hamelako foko iray ihany ny zanakao noho ny amin’i Davida.

Tamin’ny fahanteran’i Salômôna,
dia natongilan’ny vadiny ho amin’ny andriamani-kafa ny fony,
ka tsy mba an’ny Andriamanitra Tompony manontolo,
toy ny fon’i Davida rainy, ny fony,
fa nanaraka an’i Astarte andriamani-bavin’ny Sidônianina i Salômôna,
sy an’i Melkôma, fahavetavetan’ny Amônita.
Koa nanao izay ratsy teo imason’ny Tompo i Salômôna,
fa tsy mba manaraka an-tsakany sy an-davany ny Tompo tahaka an’i Davida rainy.

Tamin’izany nanorina fitoerana avo i Salômôna
teo amin’ny tendrombohitra tandrifin’i Jerosalema,
ho an’i Kamosa fahavetavetan’i Môaba,
sy ho an’i Molaoka, fahavetavetan’ny taranak’i Amôna.
Nanao toy izany koa izy ho an’ny vadiny hafa firenena rehetra,
izay nandoro zava-manitra sy nanatitra sorona ho an’ny andriamanitr’izy ireo.
Dia tezitra tamin’i Salômôna ny Tompo noho ny nivilian’ny fony
niala tamin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely izay efa niseho taminy indroa,
sady efa nandrara azy ny amin’izany, mba tsy hanarahany andriamani-kafa,
nefa tsy nitandrina ny didin’ny Tompo izy.
Ka hoy ny Tompo tamin’i Salômôna:

“Noho izao fitondran-tenanao izao,
ka tsy mba nitandrina ny fanekeko sy ny lalàko izay nandidiako anao ianao,
dia hotsoahako marina tokoa eo an-tananao ny fanjakana, ka omeko ny mpanomponao.
Tsy hataoko amin’ny andronao anefa izany,
noho ny amin’i Davida rainao fa rahefa mby amin’ny zanakao vao hendahako aminy izy.
Ary tsy dia ny fanjakana manontolo koa aza no hoendahako,
fa hamelako foko iray ihany ny zanakao, noho ny amin’i Davida mpanompoko,
sy noho ny amin’i Jerosalema izay voafidiko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 105, 3-4. 35-36. 37 sy 40

Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao.

Sambatra izay mitandrina ny rariny,
sy manao ny hitsiny amin’ny fotoan-drehetra!
Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao!
Vangio amin’ny famonjenao izahay.

Niharo tamin’ireo firenena izy,
sady nianatra ny fanaony.
Ny sampin’izy ireo notompoiny,
ka tonga fandrika ho azy.

Nosoroniny ho an-dolo
ny zanany lahy aman-janany vavy.
Koa nirehetan’ny haviniran’ny Tompo ny Vahoakany,
tonga halany mainty ny Lovany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 24-30)

Ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa, dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy Sidôna,
ary niditra tao an-trano anankiray,
fa tsy te-ho fantatr’olona, nefa tsy nahazo niery.
Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray
nanan-janakavavy azon’ny fanahy maloto nandre izany,
ka tonga niankohoka tamin’ny tongony.
Jentily avy amin’ny firenena Sirôfenisa ravehivavy,
ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin’ny zanany vavy.
Fa hoy Izy taminy:

“Aoka ho voky aloha ny zanaka;
fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa.”

Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe:

“Marina izany, Tompoko,
kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza
ao ambany latabatra ihany.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Mandehana, fa noho izany teny izany,
dia efa niala tamin’ny zanakao vavy ny demony.”

Nony tonga tany an-tranony izy,
dia nahita ny zanany vavy nandry teo am-parafara
fa efa nialan’ny demony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...