23 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)
Bokin’ny Mpitsara (Mpits. 9, 6-15)
Tamin’izany andro izany,
dia nivory ny mponina rehetra tao Sikema mbamin’ny ankohonan’i Melao rehetra,
ka tonga izy ary nampanjaka an’i Abimeleka,
teo amin’ny terebintan’ny tsangambato any Sikema.
Nony nilazana izany i Jôatama,
dia lasa nitsangana teo an-tampon’ny tendrombohitra Garizima,
ka nanandratra ny feony, nanao hoe:
“Henoy aho, ry mponina ao Sikema, mba hihainoan’Andriamanitra anareo koa.
Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka handimby azy;
ka hoy izy tamin’ny ôliva:‘Manjakà aminay ianao.’
Fa hoy ny ôliva taminy:
‘Ho foiko va ny diloiloko,
izay mahalaza ahy eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olombelona,
ka handeha hihevingevina erý ambonin’ny hazo hafa?’Dia ny aviavy indray no nataon’ny hazo hoe:
‘Avia, ianao hanjaka aminay.’
Fa hoy ny aviavy taminy:
‘Ho foiko va ny hamamiako sy ny voako kanto,
ka handeha hihevingevina erý ambony hazo hafa?’Dia ny voaloboka indray no nilazan’ny hazo hoe:
‘Avia, ianao hanjaka aminay.’
Fa hoy ny voaloboka taminy:
‘Ho foiko va ny divaiko, izay mampiravoravo an’Andriamanitra sy ny olombelona,
ka handeha hihevingevina erý ambonin’ny hazo hafa?’Tamin’izay dia hoy ny hazo rehetra tamin’ny tsilo milobolobo:
‘Avia ianao hanjaka aminay.’
Dia hoy ny tsilo tamin’ny hazo:
‘Raha marina tokoa ary,
fa tianareo ny hanosotra ahy ho mpanjaka,
dia avia ianareo, ka mialofa amin’ny alokaloko,
fa raha tsy izany,
aoka hivoaka afo ny tsilo milobolobo, ka handoro ny sederan’i Libàna.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 20, 2-3. 4-5. 6-7
Tompo ô, ny mpanjaka mifaly amin’ny herinao
sy miravo aoka izany amin’ny fandresenao!
Izay irin’ny fony omenao;
ny vavaky ny molony tsy lavinao!
Tsenainao tso-drano mahasambatra izy;
ny lohany asianao fehiloha volamena.
Ny fiainana angatahiny omenao:
dia andro mitandavana mandrakizay!
Lehibe ny voninahiny noho ny fandresenao:
fiandrianana sy laza no arakotrao azy.
Ataonao fitso-drano mandrakizay izy,
fenoinao hafaliana eo anoloanao.
Aleloia. Aleloia.
Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao itý fanoharana itý tamin’ny mpianany:
“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano,
izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.
Ary rahefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy
fa denie iray avy isan’andro ny karamany,
dia nasainy hankany an-tanim-boalobony izy ireo.Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo,
dia nahita mpiasa hafa nidonana-poana teny an-kianja;
ka andeha koa ianareo, hoy izy taminy,
mankany amin’ny tanim-boaloboko, fa homeko anareo izay antonony.
Dia nankany ireo.
Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy,
ka nanao toraka izany koa.
Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo,
ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy:
Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro?
Fa hoy ireo taminy: Satria tsy nisy nanakarama anay.
Dia hoy izy taminy: Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloko.Ary nony hariva ny andro,
dia hoy ilay tompon’ny tanim-boaloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany:
Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany,
aseseo avy atý amin’ny farany, ka hatrany amin’ny voalohany.
Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo,
ka samy nahazo denie iray misesy avy.
Fa nony nanatona kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa,
kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony.
Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin’ilay tompon-trano nanao hoe:
Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto,
kanefa nampitovianao aminay
izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro.
Dia izao no navalin’ny tompo ny anankiray tamin’izy ireo:
Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho;
moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko?
Alao ny anao, dia mandehana,
fa tiako ny manome an’ilay farany toraka ny anao koa.
Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho,
sa ratsy ny masonao satria tsara aho?
Dia toy izany,
ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
22 aogositra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 23-30)
Bokin’ny Mpitsara (Mpits. 6, 11-24)
Tamin’izany andro izany, dia tonga ny Anjelin’ny Tompo
ka nipetraka teo ambanin’ny terebinta tao Efrà, izay an’i Jôasy, fianakavian’i Abiesera.
Nively vary teo amin’ny fitoerana famiazam-boaloboka i Jedeôna zanany tamin’izay,
mba hapetrany amin’izay tsy hahitan’ny Madiàna azy.
Niseho taminy ny Anjelin’ny Tompo ka nanao taminy hoe:
“Momba anao ny Tompo, ry lehilahy mahery.”
Fa hoy i Jedeôna taminy:
“Indrisy, Tompoko, raha momba anay ny Tompo,
ahoana no dia ianjeran’izao zavatra rehetra izao aminay?
Ary aiza ny fahagagany rehetra izay tantarain’ny razanay aminay ataony hoe:
‘Moa tsy nitondra anay niakatra avy tany Ejipta va ny Tompo?’
Fa efa nafoin’ny Tompo mihitsy izahay ankehitriny;
ary efa natolony eo an-tanan’ny Madiàna.”
Dia nitodika azy ny Tompo ka nanao hoe:
“Mandehana amin’izao hery anananao izao,
ka afaho amin’ny tanan’i Madiàna i Israely;
tsy efa nirahiko va ianao?”
Ary hoy i Jedeôna taminy:
“Indrisy, ry Tompo ô!
Amin’ny inona no hanafahako an’i Israely?
Indro ny fianakaviako fa faraidiny indrindra amin’i Manase,
ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’i dada.”
Fa ny Tompo nanao taminy hoe:
“Homba anao Aho,
ka horesenao toy ny olona iray monja i Madiàna.”
Hoy i Jedeôna taminy:
“Raha nahita fitia teo imasonao aho,
mba omeo famantarana fa Ianao no miteny amiko.
Aza dia miala eto Ianao mandra-piveriko eto aminao,
mitondra ny fanatitro sy mandroso azy eo anoloanao.”
Dia hoy ny Tompo:
“Hiandry mandra-piverinao Aho.”
Nony niditra i Jedeôna,
dia namboatra zanak’osy ary nanao mofo tsy misy lalivay tamin’ny lafarina iray efah,
ka rahefa nataony tao anaty harona ny hena,
ary tao anaty vilany ny ro dia nentiny tamin’izay teo ambanin’ny terebinta ka natolony.
Hoy ny Anjelin’ny Tompo taminy:
“Alao ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay,
apetraho eo ambonin’itý vatolampy itý, sy rotsahy ny ro.”
Dia nataony izany.
Ary naroson’ny Anjelin’ny Tompo ny lohan’ny tehina teny an-tanany,
ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay,
dia nisy afo nivoaka niaraka tamin’izay tamin’ny vatolampy,
nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay;
ary nanjavona tsy hitan’ny masony ny Anjelin’ny Tompo.
Dia fantatr’i Jedeôna fa Anjelin’ny Tompo iny ka hoy i Jedeôna:
“Maty aho, ry Tompo Andriamanitra ô,
fa nahita nifanatri-tava tamin’ny Anjelin’ny Tompo.”
Hoy ny Tompo taminy:
“Tomoera amim-piadanana,
aza matahotra, fa tsy ho faty ianao.”
Nanorina ôtely teo i Jedeôna ho an’ny Tompo ka nantsoina hoe:
Tompo-Fiadanana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 84, 9. 11-12. 13-14
Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo
mirary fiadanana ho an’ireo tiany,
mirary fiadanana,
ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.
Indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana.
Ny rariny ombam-piadanana hatrany,
ny hitsiny hita mitsiry amy tany;
mitsinjo avy eny amy rahon’ny lanitra kosa ny rariny.
Handrotsaka orana anie ny Tompo,
izay hampamokatra tsara ny tany;
fa lalan-kizoran’ny Tompo
ny rariny ombam-piadanana.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 23-30)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Lazaiko marina aminareo
fa sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ary izao koa no lazaiko aminareo:
moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra
noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.”
Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany,
ka nanao hoe:
“Koa iza ihany àry no mety ho voavonjy?”
Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe:
“Tsy hain’olombelona izany,
fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.”
Namaly i Piera ka nanao taminy hoe:
“Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka Anao,
ka inona àry no ho azonay?”
Hoy i Jesoa taminy:
“Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana,
ny Zanak’Olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany;
ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo,
ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.
Ary izay rehetra handao ny tranony,
na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny,
noho ny Anarako,
dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay.
Nefa maro izay voalohany no ho farany,
ary maro koa izay farany no ho voalohany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Misy fiantraikany goavana eo amin'ny fampianaran-janaka any Soanierana Ivongo, ny olan'ny seha-pihariana lavanila. Nankahery ireo ray aman-dreny, ny kandidà ho Filoham-pirenena, Hajo Andrianainarivelo... ♦ Nitarika tsy fitovian-kevitra tao an-drenivohitr'i Manjakandriana, ny fikitihana ny tsangam-baton'ny 29 marsa 1947... ♦ Olona telo no nampidirina am-ponja vonjy maika, vokatry ny fahafatesan'ny mpianaka tany Betafo, ny alahady teo...
21 aogositra 2023 — Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra — Fahatsiarovana — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)
20 aogositra 2023 — Alahady Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona A — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)
♦ Nisedra olana tsy toy ny tany amin'ny Faritany dimy hafa ny fanapahana amin'ny famerana ny naoty amin'ny fahafahana fanadinana Bakalôrea, ho an'ireo teo amin'ny Faritanin'Antananarivo... ♦ Tsy mitombina intsony ny fitoriana nataon'ny antoko MMM, amin'izao fanomanana ny fivoahan'ny lisitra amin'ny fomba ôfisialy izao, hoy ny Fitsarana... ♦ Nametraka fitoriana miisa roa an'i Raïssa Razaivola, ny Lehiben'ny Firaiketan-draharaham-pitsarana Ambaratonga Voalohany eo Anosy sy ny Mpitsara iray eo anivon'ny PAC...
♦ Azo ampiasaina ao aorian'ny fanitsiana ny lisi-pifidianana, hoy ny tatitr'ireo manam-pahaizana nanao fitsirihana teny Alarobia androany. Tsy manome antoka hahazoana zotram-pifidianana madio anefa izy ireo, raha ny lisitry ny mpifidy fotsiny... ♦ Nitrangana olana ny famoahana ny valim-panadinana Bakalôrea, ho an'ny Faritanin'Antananarivo. Tsy mety manao ny "délibération" ireo mpampianatra, noho ny tsy mbola nandraisan'ireo mpitsara ny taratasim-panadinana, ny tambin-karamany...
Miabo ny voka-bary azon'ny PAPRIZ fahatelo nandritra ny taom-pambolena farany teo. Vokatra mitondra mankany amin'ny fitomboana sy ny firoboroboan'ny voka-bary eto Madagasikara. Maherin'ny5 taonina isaky ny Hektara ny salan'isan'ny vokatra niakatra ho an'ireo Faritra 11 teo aloha iasan'ny tetik'asa. Niampy 50 mahery ny isan'ny lemaka voatondraka niasana. Maherin'ny 37.000 ny tantsaha niofana...
Bokin’ny Mpitsara (Mpits. 2, 11-19)
Tamin’izany andro izany,
nanao ratsy teo imason’ny Tompo ny zanak’i Israely,
fa nanompo an’ireo Baala.
Nafoiny ny Tompo Andriamanitry ny razany,
izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta;
fa andriamani-kafa,
tamin’ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy no narahiny,
sy niankohofany teo anatrehany,
ka nampahatezitra ny Tompo izy ireo.
Fa ny Tompo nilaozany, ary i Baala sy ny Astarte notompoiny.
Dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’ny Tompo
ka natolony ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina azy,
ary tsy nahatanty ny fahavalony intsony.
Izay nalehany namelezan’ny tanan’ny Tompo hampahory azy avokoa,
araka ny efa voalazan’ny Tompo,
araka ny nianianan’ny Tompo taminy rahateo
ka dia azon’ny fahoriana mafy be izy.
Nanangana mpitsara ihany ny Tompo hanafaka azy ireo tamin’izay nandroba azy;
nefa tsy nihaino izay mpitsarany akory izy;
fa nandeha nitolo-tena tamin’ny andriamani-kafa,
sy niankohoka teo anoloan’ireny.
Nalaky nivily izy tamin’ny lalana nomban’ny razany,
izay nitandrina ny didin’ny Tompo;
tsy nanao tahaka izany izy.
Nony nanangana mpitsara ho azy ireo ny Tompo,
dia nomban’ny Tompo izany mpitsara izany ka namonjy azy ireo
tamin’ny tanan’ny fahavalony,
tamin’ny andro rehetra iainan’ny mpitsara;
satria nalahelo ny Tompo noho ny fitarainany
teo anoloan’ireo nampahory sy nampijaly azy.
Rahefa maty anefa ny mpitsara dia nihasimba indray izy
mihoatra noho ny razany indray aza,
ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy
sy hiankohoka eo anatrehany,
fa tsy niala amin’ny hadisoany amam-pikiribibiany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 105, 34-35. 36-37. 39-40. 43ab sy 44
Ireo olona voalazan’ny Tompo
dia tsy naringany velively.
Niharo tamin’ireo firenena izy,
sady nianatra ny fanaony.
Ny sampin’izy ireo notompoiny,
ka tonga fandrika ho azy.
Nosoroniny ho an-dolo
ny zanany lahy aman-janany vavy.
Voazimban’ny nataony izy ireo,
zary janga noho ny asany.
Koa nirehetan’ny haviniran’ny Tompo ny vahoakany,
tonga halany mainty ny lovany.
Matetika anefa nafahany ihany;
kanjo niasa nikomy sy nihombo hadisoana.
Kanjo hitany ny fahaporetany;
henony ny ferin’ny ainy.
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 16-22)
Indray andro,
nisy olona anankiray nanatona an’i Jesoa ka nilaza hoe:
“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”
Dia hoy Izy namaly azy:
“Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara?
Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra;
ka raha te-hiditra any amin’ny fiainana ianao,
tandremo ny didy.”
Dia hoy izy hoe:
“Didy inona avy?”
Dia hoy i Jesoa:
“Aza mamono olona,
aza mijangajanga,
aza mangalatra,
aza mety ho vavolombelona tsy marina,
manajà ny rainao aman-dreninao,
ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”
Dia hoy ilay tovolahy taminy:
“Hatra ny fony mbola kely aho
no efa nitandrina izany rehetra izany,
ka inona no mbola tsy ampy amiko?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Raha tahìny tianao ny ho lavorary,
andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao;
ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy.”
Nony nandre izany teny izany ilay zatovo,
dia niala tamin’alahelo,
satria be ny fananany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Zava-dehibe ny ezaka ho fampanjakàna ny rariny eo amin'ny fiainan'ny olona tsirairay, manampy antsika ny lalàna sy ireny asa-soratra isan-karazana ireny. Ny mikasika ny asa dia tokony hatao am-pitiavana sy araka ny lalàna, ka ny toe-tsaina maha mpiasa marina no omena lanja. Ny fanampiana ny olona amin'ny fijoroana amin'ny finoana no ezaka tsy maintsy himasoan'ny mpitondra fivavahana mba hampanjakàna ny rariny.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco