Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe, androany 12 febroary 2024, i Mompera Jean Désiré Razafinirina, pretra diôseziana, avy ao Toliary, Rektoran'ny Seminera Zokiny, Masindahy Jean Baptiste, Vohitsoa-Fianarantsoa.Teraka ny 5 mey 1975 tao Manombo-Atsimo, Toliara-II i Mompera Jean Désiré. Ny taona 1994 ka hatramin'ny taona 1997 izy no nandalina ny filôzôfia tao amin'ny Seminera zokiny, Vohitsoa-Fianarantsoa. Rehefa vita ny roa taona nanaovany ny "stage de régence" dia niverina tao Vohitsoa izy nandalina ny Teôlôjia, ny taona 1999 ka hatramin'ny 2002...

Tao Andranovory izy no nohamasinina ho Diakra ny 7 jolay 2002. Ary nandray ny laharana maha-mpisoron'ny Avo Indrindra tao Manombo-Atsimo ny 10 aogositra 2003.

Nanohy ny fandalinana ny lalan'ny Fiangonana tany amin'ny Oniverstea Pontifikaly Orbaniana tao Roma izy ny 2007 ka nahazo ny "Licence en Droit Canonique" ny taona 2010.

Saika nifantoka tamin'ny fampiofanana ireo tovolahy hiofana ho pretra sy nitantana paroasy ny asa pastoraly nosahaniny.

Mpanabe tao amin'ny Seminera Zandriny tao Toliara izy ny 2003 ka hatramin'ny 2005. Nitantana Eglizy ihany koa izy nandritra izany ka tao Andranovory ny 2003, ary voatendry ho vikera tao amin'ny Katedraly ny taona 2004.

Notendrana ho Curé ho an'ny Paroasy Notre Dame de l'Assomption tao Sakaraha i Mompera Jean Désiré ny taona 2005 ary niandraikitra izany mandra-pandehany nandranto fianarana tany Roma ny taona 2007.

Rehefa niverina avy any Roma izy ny taona 2010 dia notendrena ho Curé tao amin'ny Paroasy Katedraly Md Vincent de Paul ao Toliara, sady mpikambana tao amin'ny Collège des Consulteurs tao amin'ny Diôsezin'i Toliara, hatramin'ny taona 2013.

Notendrana ho Mpanabe tao amin'ny Seminera Zokiny Vohitsoa-Fianarantsoa, Seminera iombonan'ny Arsidiôsezy Atsimo-Atsinanana sy Atsimo-Andrefana izy tamin'io taona 2013 io. Ary ny taona 2017 dia voatendry ho Rektoran'izany Seminera izany, hatramin'izao 12 febroary, fotoana nanendren'ny Papa François azy ho Eveka ho an'ny Morombe azy izao. Nandritra ny fotoana naha-mpanabe azy tao Vohitsoa dia niandraikitra ny fampianarana ny lalan'ny Fiangonana tao ihany koa.

Manoloana izao fanendrena izao dia maneho ny fankasitrahana ny Ray Masina sy mirary soa an'i Mgr Jean Désiré Razafinirina ny Filohan'ny Fivondronam-ben'ny Evekan'i Madagasikara, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'i Morondava.

Izahay eto amin'ny Radio Don Bosco dia miarahaba an'i Mgr Jean Désiré Razafinirina amin'izao fanendrena azy ho Evekan'i Morombe izao, ary mirary soa azy hahavita be amin'ny asa fanirahana ankinin'Andrimanitra sy ny Eglizy aminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...