♦ Tany Toamasina omaly no notanterahina ny filan-kevitry ny Governemanta. Ministra 22 isa no niatrika izany, miaraka amin'ny Praiministra. Efa nisy ny fivoriana niarahan'izy ireo tamin'ny tompon'andraikitry ny Faritra Atsinanana, nialohan'izay... ♦ Mitsipaka fiaraha-mitantana ny Loholona Tsiebo Mahaleo, mpomba ny fitondràna, amin'izao mialoha ny fifidianana izao. Hiteraka krisy pôlitika anefa ny fizirizirin'ny mpitondra sy ny mpanohitra amin'ny heviny, hoy kosa ny antoko Fiombonana... ♦ Mpanao gazety iray indray no nisy nikasa hamono omaly hariva. Nisy nidaroka tamin'ny "bois rond" teny Andranomena izy, rehefa nirava avy niasa. Tranga faharoa nahazo ny mpanao gazety tato anatin'ny herinandro izao niseho izao...

Vakiteny voalohany

Boky Deteronômy (Det. 10, 12-22)

Tiavo ny vahiny, fa efa mba vahiny koa ianareo.

Niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe:

“Ary ankehitriny, ry Israely,
inona moa no angatahin’ny Tompo Andriamanitrao aminao
afa-tsy ny mba hatahoranao ny Tompo Andriamanitrao,
amin’ny fizoranao eo amin’ny lalany rehetra,
sy amin’ny fitiavanao ary fanompoanao ny Tompo Andriamanitrao
amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra;
ary amin’ny fitandremanao ny didin’ny Tompo sy ny lalàny izay andidiako anao anio,
mba ho sambatra ianao?
Jereo fa an’ny Tompo Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra,
ary ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy.
Kanefa ny razanao ihany no niraiketan’ny Tompo ho tiany;
ary ny taranany nandimby azy, dia ianareo,
no nofidiny tamin’ny vahoaka rehetra,
araka izao hitanareo anio izao

Koa forao ny fonareo,
ary aza henjanina intsony ny hatokareo.
Ny Tompo Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra,
Tompon’ny tompo,
Andriamanitra lehibe mahery sy mahatahotra,
tsy mba mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly,
fa manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena;
tia ny vahiny, sy manome hanina amam-pitafiana azy.
Tiavo ny vahiny,
fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianareo.
Matahora ny Tompo Andriamanitrao, manompoa Azy, miraiketa aminy,
ary ny Anarany no ataovy fianianana.
Fa Izy no reharehanao, Izy no Andriamanitrao,
izay nanao ho anao ireo zava-dehibe sy mahatahotra efa hitan’ny masonao.
Ny isan’ny razanao nidina nankany Ejipta dia olona fitopolo
fa ianao kosa ankehitriny,
dia efa nataon’ny Tompo Andriamanitrao maro toy ny kintana eny an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema.

Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa,
derao Andriamanitra, ry Siôna!
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao.

Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto.
Mandefa ny didiny ho etý an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina!

Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didy aman-tsatany ho an’i Israely!
Tsy misy olon-kafa nomeny izany.
Ny satany manko nafeniny azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 21-26)

Hovonoin’izy ireo Izy, nefa hitsangan-ko velona. — Afaka amin’ny hetra ny zanany.

Tamin’izany andro izany,
raha nitety an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany,
dia hoy i Jesoa taminy:

“Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’Olona,
ary hovonoina Izy,
nefa hitsangana amin’ny andro fahatelo.”

Dia nalahelo mafy izy ireo.

Nony tonga tany Kafarnaôma izy ireo,
dia nanatona an’i Piera ny mpamory ny hetra dragma roa,
ka nanao hoe:

“Moa tsy mba mandoa ny dragma roa va ny Mpampianatra anareo?”

Dia hoy i Piera:

“Mandoa Izy.”

Ary raha niditra tao an-trano izy,
dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe:

“Ahoana ny hevitrao, ry Simôna?
Iza moa no angalan’ny mpanjaka etý an-tany hetra sy hajia,
ny zanany sa ny olon-kafa?”

Hoy i Piera taminy:

“Ny olon-kafa.”

Dia hoy i Jesoa:

“Raha izany àry, dia afaka ny zanany.
Kanefa sao manafintohina azy isika,
ka mandehana manjono any amin’ny ranomasina ianao,
dia raiso ny hazandrano azonao voalohany ka sokafy ny vavany,
fa hahita vola dragma efatra ao ianao, ka alao,
dia aloavy ho Ahy sy ho anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Mbola tsy nahazo ny rejisi-pifidianana nasiônaly efa notakiany tamin'ny CENI, tamin'ny herinandro teo, ny antoko Malagasy Miara-Miainga hatramin'izao. Nanazava ny momba izao fitakiana amin'ny CENI izao ity antoko ity, omaly... ♦ Nampitandrina ny mpiasam-panjakàna ny ministry ny asa sy ny asam-panjakàna amin'ny tsy tokony hanaovan'izy ireo fampielezan-kevitra amin'izao fotoana mialohan'ny fifidianana filoham-pirenena izao... ♦ Mbola mitohy ny fampiharana ny "Oniversite maty" eny Ankatso. Miankina amin'ny filan-kevitry ny governemanta manokana amin'ity herinandro ity ny ho avin'ny anjerimanontolo, hoy ny SECES Sampana Antananarivo...

♦ Navotsotr'ireo jiolahy nanafika tao Mangaben'i Sahananto androany, ireo olona enina nataon'izy ireo takalon'aina... ♦ Mihisatra eo anivon'ny "Conservateur" ao Nosy-Be, efa ho herintaona mahery izao, ny fanoratana tany iray mirefy 1Ha mahery ao Ambonara... ♦ Miankina amin'ny Filankevitry ny Governemanta manokana, izay hotanterahana any Toamasina amin'ity herinandro ity, ny ho avin'ny Anjerimanontolo, hoy ny SECES androany...

♦ Hotanterahana any Seoul, Corée Atsimo ny JMJ eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny taona 2027... ♦ Mba ho fampiroboroboana ny sehatra ikatrohan'ny vaomieran'asa "Justice et Paix", nisy fivoriana notontosain'izy ireo tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo, ho an'ny "Justice et Paix" ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Fankalazana jobily maha relijiozy sy voady mandrakizay nataon'ireo masera avy amin'ny Fikambanana "Filles de Marie Auxiliatrice" no nanamarika ny sabotsy teo, ho an'ity fikambanan-drelijiozy Saleziana Don Bosco ity...

♦ Mivangongo ny fakon'Antananarivo tato ho ato. Manginy fotsiny ny haratsian-dalana. Tsy fahaiza-mitantana no mahatonga izao zava-miseho ao an-drenivohitra izao hoy ny mpanolon-tsain'ny tanàna, Toavina Ralambomahay... ♦ Miandrandra fanavaozana ny fitantanana ny Tahirim-pirenena amin'ny tale jeneraly vaovaon'ny CNaPs ny Randrana sendikaly. Fatiantoka ny fitokonan'ny mpiasa, raha ny lalàna amin'izao ihany no mbola hitondràna ny CNaPs hoy izy ireo... ♦ Nisehoana fanafihan-jiolahy nahery vaika tany amin'ny tanànan'i Mangaben'i Sahananto, Distrikan'i Toamasina-II. Olona iray tamin'ireo voatafika no novonoin'ireo jiolahy mitam-piadiana, olona miisa 6 no natao takalon'aina...

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 19, 9a. 11-13a)

Mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra anatrehan’ny Tompo,

Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra i Elia,
dia niditra tao anaty zohy, ary nandry tao.
Ary indro tonga taminy ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mivoaha ianao,
ka mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’ny Tompo,
fa indro handalo ny Tompo”.

Dia nisy rivotra be sady mahery,
nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy teo alohan’ny Tompo,
nefa tsy tao amin’ny rivotra ny Tompo.
Nanarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany,
nefa tsy tao amin’ny horohoron-tany ny Tompo.
Nanaraka ny horohoron-tany dia nisy afo koa,
nefa tsy tao amin’ny afo ny Tompo.
Ary nanarakaraka ny afo nisy fizozozozo malefaka sy malemy.
Ka raha nandre izany i Elia,
nosaronany ny kapotiny ny tarehiny ka dia nivoaka izy
ary nijanona teo am-bava zohy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 84, 9ab-10. 11-12. 13-14

Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Hihaino izay lazain’ny Tompo aho:
moa tsy fiadanana no lazainy.
Akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny;
efa honina eto amin’ny tanintsika ny voninahiny.

Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana,
ny fahamarinana mitrebona ety an-tany,
ny rariny kosa mitranga eny an-danitra.

Ny Tompo amim-peo avo manome orana,
ny tanintsika manome ny vokany;
ny rariny mizotra eo anoloany,
ny fiadanana manjohy ny diany.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 9, 1-5)

Niriko ny ho voaozona mba hamonjeko ny namako.

Ry kristianina havana,
milaza ny marina ao amin’i Kristy aho,
ka tsy mandainga,
ary ny Fanahy Masina sy ny hitsim-poko no vavolombeloko,
fa malahelo mafy aho,
ory lalandava ny foko,
satria saiky niriko aza ny ho voaozona ho lavitra an’i Kristy ny tenako,
hamonjeko ny iray finoana amiko,
izay havako araka ny nofo,
dia ireo Israelita,
izay manana ny fananganan-janaka, sy ny voninahitra,
sy ny fanekena, sy ny lalàna sy ny fombam-pivavahana,
ary ny fampanantenana;
azy koa ny Patriarika,
sady avy aminy araka ny nofo i Kristy,
izay ambonin’ny zavatra rehetra,
Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 22-33)

Asaovy mankeny aminao eny ambony rano aho.

Tamin’izany andro izany,
rehefa avy namahana ny olona i Jesoa ka nahavoky azy,
dia nandidy ny mpianany hiakatra an-tsambo kely sy hita hialoha Azy
ambara-pandravany ny vahoaka;
ary rehefa nampirava ny vahoaka Izy,
dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana;
ka nony alina ny andro dia izy irery no teo.
Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina,
fa nanoha rivotra.
Ary tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina,
dia nandeha teny ambony rano i Jesoa,
ka nankeo amin’izy ireo.
Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo,
dia natahotra ka nanao hoe:

“Matoatoa io”,

sady niantsoantso izy noho ny tahony.
Niaraka tamin’izay dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe:

“Matokia, fa Izaho ihany,
ka aza matahotra!”

Namaly i Piera nanao hoe:

“Raha Ianao àry, Tompo,
asaovy mankeny aminao eny ambony rano aho”.

Hoy Izy hoe:

“Avia”.

Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera,
ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa.
Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra,
dia natahotra izy;
ary nony nanomboka nilentika izy,
dia niantso mafy hoe:

“Tompo ô, vonjeo aho!”

Niaraka tamin’izay dia naninji-tanana i Jesoa,
dia nandray azy ka nanao taminy hoe:

“Ry kely finoana,
nahoana no nisalasala ianao?”

Ary rehefa niakatra teo an-tsambo izy ireo,
dia nitsahatra ny rivotra.
Tamin’izay, ry zareo teo an-tsambo kely,
dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe:

“Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nikatona hatreo ny Andro Eran-tany ho an'ny Tanora "JMJ" andiany faha-37 notanterahina tany Lisbonne Portugal. Namela hafatra ho an'ireo tanora ny Papa nandritra ny Lamesa fanirahana omaly... ♦ Hiroso amin'ny fisamborana ireo tratra miloka andalam-be ny eo anivon'ny Polisim-pirenena. Olon-dehibe 5 lahy no nosamborin'ny Polisy, rehefa nanao izany fandikàn-dalàna izany tao an-drenivohitra ny faran'ny herinandro teo... ♦ Laharana faha-13 no nisy an'i Madagasikara tamin'ny lalaon'ny Frankôfônia tany RD. Congo. Nandrombaka medaly volamena miisa 3, medaly volafotsy miisa 4, ary medaly alimo miisa 2, isika Malagasy... ♦ Tapitra omaly ny fe-potoana nomen'ny Vondrona CEDEAO ny tafika nanongam-panjakana tany Niger...

♦ Nitaky fanazavana momba ny fomba ahitany ny rejisi-pifidianana ampiasaina amin'ny fifidianana teny amin'ny CENI teny Alarobia omaly ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Miandry amin'ny herinandro hoy ny tompon'andraikitra vao azo tanterahana izany... ♦ Laharana faha-12 amin'ireo firenena mandray anjara amin'ny lalaon'ny frankôfônia any Kinshasa i Madagasikara omaly. Nandrombaka medaly volamena teo amin'ny taranja Judo indray Laura Rasoanaivo... ♦ Mamporisika ny fanatanterahana ny fizarana karan-tany ho an'ny olom-pirenena tokony hisitraka izany ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany saingy tokony hatao anatin'ny fanarahan-dalàna ny asa atao...

♦ Tsy azo ekena ny toe-javatra misy eto amin'ny firenena raha toa ka afaka hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ny kandikà manana zom-pirenena hafa ankoatra ny maha-malagasy azy hoy Andriamatoa Toavina Ralambomahay. Efa azo vinavinaina mantsy fa afaka milatsaka izy ireo raha ny atontan-taratasy takian'ny HCC... ♦ Mila mametraka fandaharan'asa lavitr'ezaka tsy hisian'ny tantely afa-drakotra ny tale jeneraly vaovao ao amin'ny CNaPs hoy ny delegen'ny mpiasa... ♦ Mametraka ahiahy momba ilay lalàna vaovao mifehy ny vondrona mpanao tahiry eny ifotony ny kômitim-pirenena ho an'ny famokarana tantanam-pianakaviana na ny CNAF sy ny rantsany any amin'ny faritra dia ny CRAF...

♦ Atahorana ny ahafahan'ireo olona manana zom-pirenena roa, milatsaka ho fidiana ho Filoham-pirenena, raha ny mason-tsivana navoakan'ny HCC no jerena, hoy ny antoko Humaniste Ecologique... ♦ Miandry fandaharan'asa amin'ny mpitantana vaovao, ireo mpiasan'ny CNaPS, mba tsy hisian'ny fanaovana tantely afa-drakotra ny tahirim-pirenena intsony... ♦ Notafihan'ny jiolahy androany maraina ny fiara iray fitateram-bahoaka mampitohy an'Ivato sy Vasakaosy. Nambaran'izy ireo basy sy antsy lava lela avokoa ireo mpandeha tao anatiny, raha ny fitarainan'ny mpamily...

♦ Hafatra avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka ho an'ny ankizy, manentana azy ireo mba ho ankizy apôstôlin'ny ankizy marina tokoa, eo amin'ny lafim-piainana rehetra... ♦ Manolotra fisaorana sy fankasitrahana ho an'ireo rehetra nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ny JNE-3, notontosaina teto Antananarivo, ny Vikera Jeneraly eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Hanatanteraka ny "pèlerinage" nasiônaly ny avy eo anivon'ny "Aumônerie militaire"...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...