Tamin’izany andro izany, niainga i Maria, ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà, ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta. Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta, ka nanandra-peo niantso mafy hoe: "Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao; ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho? Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko. Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’Andriamanitra taminy!"
Toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria reniny dia efa fofombadin’i Jôsefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina sady tsy te-hanala baraka azy dia nikasa hametraka azy mangingina. Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: "Ry Jôsefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina, ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe: Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany." Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: "Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe: amintsika Andriamanitra." Ary rahefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Jôsefa, dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy ka nampakatra ny vadiny.
Filazana ny Razan’i Jesoa Kristy, Zanak’i Davida, Zanak’i Abrahama. I Abrahama niteraka an’i Isaaka, i Isaaka niteraka an’i Jakôba; i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy; i Jodà niteraka an’i Faresa sy i Zarà tamin’i Tamara; i Faresa niteraka an’i Esrôna, i Esrôna niteraka an’i Arama; i Arama niteraka an’i Aminadaba; i Aminadaba niteraka an’i Naasôna; i Naasôna niteraka an’i Salmôna; i Salmôna niteraka an’i Boôza tamin’i Rahaba; i Boôza niteraka an’i Obeda tamin’i Rôta; i Obeda niteraka an’i Jese, i Jese niteraka an’i Davida mpanjaka.
I Davida mpanjaka niteraka an’i Salômôna tamin’ilay vadin’i Oria; i Salômôna niteraka an’i Rôbôama; i Rôbôama niteraka an’i Abiasa; i Abiasa niteraka an’i Asà, i Asà niteraka an’i Jôsafata; i Jôsafata niteraka an’i Jôrama, i Jôrama niteraka an’i Oziasa; i Oziasa niteraka an’i Jôatama; i Jôatama niteraka an’i Akaza; i Akaza niteraka an’i Ezekiasa; i Ezekiasa niteraka an’i Manase, i Manase niteraka an’i Amôna; i Amôna niteraka an’i Jôsiasa; i Jôsiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy, tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna.
Ary rahefa nifindra tany Babilôna, i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela; i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela; i Zôrôbabela niteraka an’i Abioda, i Abioda niteraka an’i Eliakima; i Eliakima niteraka an’i Azôra, i Azôra niteraka an’i Sadôka; i Sadôka niteraka an’i Akima; i Akima niteraka an’i Elioda; i Elioda niteraka an’i Eleazara; i Eleazara niteraka an’i Matana, i Matana niteraka an’i Jakôba; ary i Jakôba niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria izay niteraka an’i Jesoa ilay atao hoe Kristy.
Koa ny taranaka rehetra hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida, dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’i Davida ka hatramin’ny nifindrana tany Babilôna, dia taranaka efatra ambin’ny folo; ary hatramin’ny nifindrana tany Babilôna ka hatramin’i Kristy, dia taranaka efatra ambin’ny folo.
Nony lasa ny irak’i Joany, dia nambaran’i Jesoa tamin’ny vahoaka ny aminy ka hoy Izy: "Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra? Volotara hozongozonin’ny rivotra va? Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Raha izay tsara fitafiana sy manao fiainana, dia any an-tranon’ny mpanjaka no itoerany. Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Aho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza. Fa Izy no ilay voasoratra hoe: Indro Aho maniraka ny anjeliko eo anoloanao mba hamboatra lalana eo alohanao. Koa lazaiko aminareo fa amin’izay natera-behivavy tsy misy mpaminany lehibe noho i Joany Batista, nefa izay kely indrindra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, no lehibe noho izy. Ary ny vahoaka rehetra izay nandre azy mbamin’ny poblikanina na dia nanamarina an’Andriamanitra, tamin’ny nandraisany ny batemin’i Joany; fa ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna kosa nanatsinontsinona ny fikasan’Andriamanitra ny aminy tamin’ny nandavany ny batemin’i Joany."
Tamin’izany andro izany niantso roa lahy tamin’ny mpianany i Joany nalefany ho any amin’i Jesoa hanao aminy hoe: "Ianao va no Ilay ho avy, sa mbola hafa no handrasantsika?" Nony tonga tany aminy ireo dia nanao hoe: "Nirahin’i Joany Batista hankatý aminao izahay hanontany raha Ianao no Ilay ho avy, na mbola hafa no andrasantsika." Tamin’izay indrindra i Jesoa dia nanasitrana olona maro niferinaina tamin’ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra jamba maro koa, koa izao no navaliny an’ireto iraka: "Mandehana lazao amin’i Joany izay zavatra renareo sy hitanareo: mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, madio ny boka, malady ny marenina, mitsangan-ko velona ny maty, torîna amin’ny mahantra ny Evanjely, ary sambatra izay rehetra tsy ho tafintohina noho ny amiko."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe: "Ahoana ny hevitrareo? Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy, dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe: Andeha, anaka, miasa any an-tanim-boaloboko anio. Hoy izy: ‘Tsy handeha aho’, kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany. Dia nankeo amin’ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa. Hoy io: ‘Handeha aho, tompoko’; kanefa tsy nandeha izy. Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitra-pon’ny rainy?" Hoy ireo: "Ny lahimatoa", dia hoy i Jesoa taminy: "Izaho milaza marina aminareo fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra; fa tonga teo aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany, nefa ianareo tsy nino azy; fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy; ary ianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy."
Tamin’izany andro izany, rahefa tafiditra tao an-tempoly i Jesoa ka nampianatra tao, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: "Fahefana avy aiza no anaovanao izao? ary iza no nahazoanao izany?" Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Hanontaniako zavatra iray loha kosa ianareo; ka raha voavalinareo izany dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. Avy taiza moa ny batemin’i Joany? avy tany an-danitra sa avy tamin’ny olona?" Dia nieritreritra ireo ka nanao hoe: "Raha ataontsika hoe: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe: Raha izany, nahoana no tsy nino azy ianareo? Ary raha ataontsika hoe: Avy tamin’ny olona indray, ny vahoaka kosa no atahorantsika, fa ataon’izy rehetra ho mpaminany i Joany." Dia izao no navaliny an’i Jesoa: "Tsy fantatray." Ary hoy Izy taminy: "Izaho koa àry, dia tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao."
Tamin’izany andro izany, nanontanian’ny vahoaka i Joany nataony hoe: "Inona àry no hataonay?" Dia namaly izy ka nanao hoe: "Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa". Ary nisy poblikanina nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe: "Inona no hataonay, ry mpampianatra ô?" Dia hoy izy taminy: "Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina alainareo". Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe: "Ary izahay kosa, inona no mba hataonay?" Dia hoy ny navaliny azy: "Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana, ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo". Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy, dia niteny i Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe: "Izaho manao batemy anareo amin’ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hanala ny fehikapany akory aho: Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo; eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany, ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty". Fananarana maro hafa koa no nentiny nitory ny Evanjely tamin’ny olona.
♦ Anentanan'ny Papa Ray masina ao anatin'ny tambazotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany amin'ity volana desambra ity ny hivavaka manokana ho an'ireo katesista... ♦ Hofaranana amin'ny alarobia 8 desambra 2021 izao ny Taonan'i Masindahy Josefa. Ho an'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo dia ny 12 desambra 2021 no hanamarihana izany... ♦ Nanao antso avo mba hisian'ny fanampiana ireo mpifindra monina ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana Apôstôlika nataony tany Lesbos, Grèce, omaly...
Fiombonana, Fandraisana anjara, asa fanirahana : ireo no teza telo ihodinan'ny Eglizy miara-dia. Vatana iray ny Eglizy, miombona noho ny Batemy noraisiny. Mirotsaka amin'ny fomba feno sy mavitrika izy. Ny zavatra rehetra ataony dia mitodika ao amin'ny asa fanirahana avokoa, izay antom-pisian'ny Eglizy. Fanazavana entin'i M. Roger Marius Razafimandanona, Ekipa nasionaly mpandrindra ny sinaody
Fiarahan-dia ny atao hoe sinaody, iantsoana ny Papa ny eveka solo-tenan'ny Fivondronam-ben'ny Eveka maneran-tany, handinika sy hanolo-tsaina ny Ray masina amin'ny loha-hevitra lehibe iray ao amin'ny fiainan'ny Eglizy. Sinaody faha-16 no hotanterahina amin'ity 2021-2023 ity. Ny tanjona dia ny hamoahana sori-dalana iombonana sahaza ny vaninandro iainantsika fa mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Fanazavana entin'i P. Faliarilala Thierry Pascal.
Hotanterahina any Antsirabe ny 30 aogositra ka hatramin'ny 4 septambra 2022 ny JMJ Mada andiany faha-10. Lohahevitra hifanentanana amin'izany ny hoe: "Mitsangana fa ataoko vavolombelon'ny zavatra efa hitanao ianao" (Asa 26, 16). Fanasana avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco