♦Hampahafahatarina eny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha rahampitso amin'ny 5 ora hariva ireo ministra voafantina tamin'ireo kandidà miisa 467... ♦ Tsy mifanaraka amin'ny pedagôjia ny famitàna ny fandaharam-pianarana mialoha ny fialan-tsasatry ny Paka ka tsy eken'ny vovonan'ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara... ♦ Nahitàna fiakarany 2000 Ariary isaky ny kilao ny vidin'ny hena eny an-tsena ankehitriny... ♦ Hosokafana anio any Côte d'Ivoire ny lalao baolina kitra hiadiana ny amboaran'i Afrika Can 2024...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240113.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...