♦ Nirary soa ho an'ny vahoaka Malagasy noho ny taona vaovao ny Filohan'ny FFKM, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, ny Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona ary ny Kardinaly Tsarahazana Désiré... ♦ Nofoanana ary hahemotra amin'ny andro mahamety azy ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Seminera Zandriny Ambohipo... ♦ Naneho ny fankasitrahany ny Filohan'ny Repoblika Italianina, Sergio Mattarella, ny Papa François tamin'ny famaranana ny vavaka Angelus ny 1 janoary 2022...

Ny fomba fanehoam-pitiavana eo amin'ny olona roa, eo amin'ny mpifankatia, mpianaka, mpinamana dia mifototra koa amin'ny fifanajàna. Mampiavaka antsika malagasy ny fandrindrana ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fifanajàna, eo koa ny fifandraisana amin'ny zavaboahary. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Mirary soa ho an'ny vahoaka Malagasy rehetra ny Filohan ny FFKM, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo, mba hanjaka eto amin'ny firenena ny marina, amin'izao taona vaovao 2022 izao.

♦ Ny fandraisana fanapahan-kevitra, araka ny fomba fanao amin'ny sinaody, dia miankina amin'ny fandalinana sy ny fahaiza-mamantatra izay ambaran'ny Fanahy Masina amin'ny Fiangonana manontolo... ♦ Mitaky finiavana sy fahavononana hiova, sy handray fanabeazana ary hanaraka fiofanana mitohy ny fiarahan-dia...

♦ Manana ny anjara toerany manokana amin'ny fizorana amin'ny Sinaody ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny kristianina samy hafa finoana, atambatry ny Batemy iray... ♦ Ny "Eglizy miara-dia" dia Eglizy miara-mandray andraikitra sy mampandray anjara ny hafa...

♦ Natao hanatanterahana ny asa fanirahan'ny Eglizy ny fiarahan-dia, ka antsoina handray anjara amin'izany avokoa ny mpino rehetra... ♦ Mitaky fiaretana ny mafy sy faharetana ny fifanakalozan-kevitra, ary manampy amin'ny fifankahazoana...

♦ Asaina hiteny an-kasahiana sy an-kitsim-po ny olona rehetra, izany hoe atao an-kahalalahana, am-pahamarinana, sy am-pitiavana... ♦ Tsy ho tanteraka ny "fiarahan-dia" ataontsika raha tsy mifototra amin'ny fiaraha-mihaino ny Tenin'Andriamanitra sy ny fankalazana ny Eokaristia...

♦ Nirary soa ho an'ireo olona any amin'ny toerana ianjadian'ny fahoriana, ho tonga toeram-pamonjena, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Nasongadin'i Mgr Paolo Rocco, Nonce Apostolique, tamin'ny firarian-tsoa nataony ny fiahiana manokana ireo tena mahantra mba hahazo ny hazavam-piainana amin'izao Noely izao... ♦ Miantso fiombonam-bavaka amin'ny 28 desambra 2021 ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ho an'ireo nodimandry sy ireo niharam-boina tamin'ny loza nifanesy teto amin'ny firenena tamin'ity taona 2021 ity...

Hafaliana lehibe ny Noely satria ny fitiavan'Andriamanitra no tonga amintsika, hoy i P. Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, tamin'ny firarian-tsoan'ny Noely 2021. Tonga ny famonjena izay midika tsy faharahavan'ny fiainana. Io fitiavana sy famonjena io no irariana hanjaka ao amin'ny fiainantsika, ka hifanampy mba hiainan'ny fiadanana sy ny fandriampahalemana.

Mirary ny rehetra hiaina ny fitiavana entin'ny Noely ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona. Ny olona mahitsy fandeha dia miaina amin'ny fitiavana sy mifampitsimbina, hoy izy, manalavitra ny fitiavan-tena sy ny fifampiandaniana. Tsy hohadinoin'ny Eglizy ihany koa ny mivavaka ho an'ireo zohim-pahoriana ankehitriny mba hampian'Andriamanitra sy hankahereziny izy ireo.

"Enga anie ny fahazavan’i Jesoa Zazakely hitondra fifaliana sy fiadanana ary fanantenana ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ireo mahantra izay ao am-pon’ny Papa François", io no votoatin'ny firarian-tsoa nataon'ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara, Mgr Paolo Rocco Gualtieri, tamin'ny firarian-tsoa ho an'ny vahoaka Malagasy noho ny Noely 2021 sy ny Taona vaovao 2022. Mankahery  azy ireo izy mba handroso hatrany ho amin'ny tontolon'ny Hazavana.

Nambaran'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondranam-ben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny firarian-tsoan'ny Noely fa tsy nahasakana ny fahatongavan'i Jesoa tonga eo anivontsika ny fahantran'ireo ray aman-dreniny, ka na eo aza ny fahoriana sy ny fahantrana iainantsika ankehitriny dia tonga miara-dia amintsika i Jesoa amin'izao Noely izao. Enga anie ho tany fialofana ho an'ny vahoaka malagasy rahatrizay ny tany izay injadian'ny mosary ankehitriny.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...