Vakiteny voalohany
Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 11, 1-4a. 5-10a. 13-17)
Nanamavo Ahy ianao sy naka ny vadin’i Oria ho vadinao.
Tamin’ny fitsingerenan’ny taona,
nony mby tamin’ny fotoana fandehanan’ny mpanjaka hiady,
dia nalefan’i Davida i Jôaba mbamin’ny mpanompony sy i Israely rehetra,
ka nofongoran’ireo ny taranak’i Amôna, ary nataony fahirano i Rabà;
fa i Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
Indray hariva raha ilay avy niarina avy teo am-pandriany iny i Davida
ka nitsangantsangana teo amin’ny tafon-tranon’ny mpanjaka,
dia tazany avy eo ambony tafon-trano ity vehivavy anankiray nandro,
ary tsara tarehy erý ravehivavy io.
Nasain’i Davida nanontaniana hoe:
“Iza io vehivavy io?”
Ka izao no nolazain’ny olona azy:
“Io no i Betsebea, zanakavavin’i Eliama,
vadin’i Oria, Heteanina.”
Dia naniraka olona haka azy i Davida
ka tonga tao aminy izy dia nandry taminy izy.
Ary nanana anaka ravehivavy,
ka naniraka nilaza tamin’i Davida hoe:
“Manana anaka aho.”
Tamin’izay, naniraka tany amin’i Jôaba i Davida handidy azy hoe:
“Alefaso hankatý amiko i Oria Heteanina.”
Dia nalefan’i Jôaba hankany amin’i Davida i Oria.
Ka nony tonga tany amin’i Davida i Oria,
dia nanontaniany ny vaovao momba an’i Jôaba sy ny tafika ary ny ady.
Izay i Davida vao nanao tamin’i Oria hoe:
“Andeha àry midina any an-tranonao, dia manasà tongotra.”
Nivoaka ny tranon’ny mpanjaka i Oria,
nampanarahina nahandro fanomezana avy amin’ny mpanjaka;
nefa niara-nandry tamin’ny mpanompon’ny tompony i Oria,
teo am-baravaran’ny tranon’andriana,
fa tsy nidina nody tany an-tranony.
Nolazaina tamin’i Davida izany natao hoe:
“Tsy nidina nody any an-tranony i Oria.”
Nasain’i Davida hihinana sy hisotro teo anatrehany izy ka nomamoiny.
Nony hariva dia nivoaka nandry teo amin’ny fandriany,
teo amin’ny mpanompon’ny tompony ihany i Oria,
fa tsy nidina nody tany an-tranony.
Nony ampitso maraina nanoratra taratasy ho any amin’i Jôaba i Davida
ka tanan’i Oria no nampitondrainy azy.
Izao no nosoratany tamin’ny taratasy:
“Apetraho amin’izay toerana iadiana mafy indrindra i Oria,
dia mihataha avy aoriany ianareo mba ho voavono ka ho faty eo izy.”
Nanao fahirano ny tanàna i Jôaba
ka napetrany tamin’ny toerana farany fantany fa nisy lehilahy mahery indrindra i Oria.
Nivoaka hamely an’i Jôaba ny olona tao an-tanàna,
ka maro tamin’ny vahoaka,
tamin’ny mpanompon’i Davida, no maty;
ary maty koa i Oria Heteanina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 50, 3-4. 5-6a. 6bd-7. 10-11
Iantrao, ry Tompo, fa diso taminao.
Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra,
fa Ianao manko lalim-pitiavana.
Mba koseho re ny heloka vitako,
dia diovy aho hiala amin’ny otako.
Efa niaiky hadisoana ny tenako,
eo imasoko hatrany ny otako.
Taminao aho no diso, Andriamanitro,
fantatrao avokoa ny kilemako.
‘Zay lazainao tokoa no hany marina;
raha mitsara ahy Ianao ara-drariny.
Fa tanaty heloka aho re no teraka,
tamin’ny ota aho no torontoronina.
Ampiravoravoy ny fanahiko
sy ny taolako voamontsamontsana.
Mba esory eo imaso ny otako,
dia koseho tsy ho hita ny heloko.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)
Mamafy voa ny mpamafy ary matory; ny voa mitsimoka sy mitombo nefa tsy fantany izay faniriny.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Ny fanjakan’ny lanitra
dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin’ny tany,
ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro,
ary ny voa mitsimoka sy mitombo,
nefa tsy fantany izay faniriny;
fa mahavokatra ho azy ny tany,
ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka,
vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany.
Ary rahefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay,
satria tonga ny taom-pijinjana.”
Ary hoy indray Izy:
“Amin’inona no hanoharantsika ny fanjakan’Andriamanitra,
ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?
ahaka ny voantsinapy izy,
izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy,
fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa
rahefa voafafy sy mitombo,
ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony.”
Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy,
araka izay takatry ny sain’izy ireo.
Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy,
fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.