♦ Voatendry omaly ireo ministra handrafitra ny Governemanta voavao amin'izao fe-potoam-pitondràna faharoan'ny filoha Andry Rajoelina izao. MInistra teo aloha 13 no tafaverina, 10 olom-baovao... ♦ Sekreteram-panjakàna maromaro eo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika no hatsangana hoy ny filoham-pirenena omaly teny amin'ny Lapan'i Iavoloha. Hanatevina ireo ministra eo anivon'ny Governemanta izy ireo... ♦ Tontosa omaly ny fankalazàn'ny Diôsezin'Antananarivo ny fetin'ny Fianakaviana Masina, izay mpiaro ny Seminera Zandriny Ambohipo, sady nentina nanohana azy... ♦ Feno 100 andro omaly ny niverenan'ny adin'i Israel sy ny Hamas Palestiniana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...