♦ Foana avokoa ny fampitandremana momba ny fahabetsahan'ny rotsak'orana, raha ny fampitam-baovao avy amin'ny Météo. Mbola ho mafy anefa ny fitsokan'ny rivotra any amin'ny morontsiraky ny Faritra Atsimo Andrefana... ♦ Tsy ampy antsasa-manilan'ireo infirmiera ara-dalàna eto Madagasikara, no misoratra ao amin'ny Holafitra. Omena roa volana ireo infirmiera rehetra ara-dalàna, hisoratra anarana... ♦ Milaza ho misy mandrahona ny hisambotra, Andriamatoa Rabevahiny Elia, tao aorian'ny fanehoan-kevitra nentiny amin'ny tokony hanafahana ireo olona telo nofonjaina, noho ny raharaha Bas-Mangoky...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...