Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 11, 29-32 ; 12, 19)

Niendaka tamin’ny tranon’i Davida i Israely.

Tamin’izany andro izany,
raha nivoaka avy tao Jerosalema i Jerôbôama
dia nifanojo teny an-dalana tamin’i Ahiasa mpaminany,
avy any Silao, sy nitafy kapaoty vaovao:
izy roalahy ihany no tany an-tsaha tamin’izany.
Nalain’i Ahiasa ny kapaoty vaovao teny aminy,
ka norovidrovitiny ho roa ambin’ny folo, dia hoy izy tamin’i Jerôbôama:

“Raiso ho anao ny tapany folo,
fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:

Indro, hendahako avy eo an-tanan’i Salômôna ny fanjakana,
ka homeko anao ny foko folo, fa ny foko iray ihany no sisa azy,
noho ny amin’i Davida mpanompoko sy noho ny amin’i Jerosalema,
tanàna voafidiko tamin’ny fokon’i Israely rehetra.

Toy izany no niendahan’i Israely tamin’ny tranon’i Davida mandraka androany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 80, 10-11ab. 12-13. 14-15

Izaho no Tompo Andriamanitrao, mihainoa ny teny hambarako anao.

Tandremo mitsaoka andriamani-kafa.
Mandray ny andriamanitr’ireo vahiny;
f’izaho re no Tompo Andriamanitrao.
Nampakatra anao avy tany Ejipta.

Kinanjo ny oloko tsy nihaino.
I Israely nanosika Ahy!
Izao izy avelako hanao ny tiany.
Hanaraka tsara izay sitrapony.

Indrisy raha nihaino Ahy ireo olon-tiako.
Ka i Israely nanaraka Ahy:
dia ho noreseko ny fahavalo.
Ny rafy ho nasiako tokoa tokoa.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)

Nampalady ny marenina sy nampiteny ny moana Izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira,
ary namaky ny faritanin’i Sidôna
ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapaoly.
Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana
nentin’izy ireo teo aminy sy nangatahany mba hametrahany tanana.
Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy,
ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany.
Rahefa izany dia niandrandra ny lanitra Izy,
sady nisento ary nanao taminy hoe:

“Efeta, izany hoe, misokafa.”

Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran’ny lelany,
ka niteny tsara izy,
ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza;
fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza;
sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe:

“Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony,
fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...