Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 3, 1-6. 9-12)

Niseho tamin’ny endriky ny lelafo teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo ny Tompo.

Tamin’izany andro izany,
niandry ny biby fiompin’i Jetrao, rafozany,
mpisorona tao Madiàna, i Môizy.
Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby,
ka tonga tany amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, tany Hôreba izy.
Ny Anjelin’ny Tompo niseho taminy, amin’ny endriky ny lelafo,
teo afovoan’ny zavamaniry milobolobo.
Hitan’i Môizy fa indro nirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo,
nefa tsy levona.
Ka hoy i Môizy:

“Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io,
sy hizaha izay tsy mahalevona ny zava-maniry milobolobo.”

Hitan’ny Tompo fa niolaka hijery izy,
dia niantso azy Andriamanitra teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo,
nanao hoe:

“Ry Môizy! Ry Môizy!”

Ka hoy ny navaliny:

“Inty aho!”

Dia hoy Andriamanitra:

“Aza manakaiky eto;
esory ny kapa amin’ny tongotrao, fa tany masina io.”

Ary hoy koa Izy:

“Izaho no Andriamanitry ny rainao,
Andriamanitr’i Abrahama,
Andriamanitr’i Isaaka
ary Andriamanitr’i Jakôba.”

Nosaronan’i Môizy ny tavany,
fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra izy.
Hoy indray ny Tompo:

“Ankehitriny,
indro tafasondrotra hatratý amiko ny fitarainan’ny zanak’i Israely,
ary efa hitako ny fahoriana atambesatry ny Ejipsianina amin’izy ireo.
Koa handeha ianao amin’izao,
irahiko ho any amin’i Faraôna,
hitondranao mivoaka ny zanak’i Israely vahoakako.”

Fa hoy i Môizy tamin’Andriamanitra:

“Zinona moa aho no hankany amin’i Faraôna
sy hitondra ny zanak’i Israely hivoaka avy any Ejipta?”

Dia hoy Andriamanitra:

“Homba anao Aho;
ary izao no famantarana fa Izaho no naniraka anao:
Rahefa tafavoakanao an’i Ejipta ny vahoaka,
dia hanompo an’Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 102, 1-2. 3-4. 6-7

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
sy ny Anarany Masina, ry ato anatiko rehetra.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Aza misy hadinoina ny soa azo avy aminy.

Izy Ilay mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny lavaka,
manototra hatsaram-po sy indrafo anao!

Mpanome rariny ny Tompo,
omeny hitsiny izay ampahoriana rehetra.
Nampahafantatra ny Lalany an’i Môizy Izy,
sy ny asany vaventy ny Zanak’i Israely.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-27)

Nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry Ianao fa nanambara azy tamin’ny tso-po.

Tamin’izany andro izany, niteny i Jesoa nanao hoe:

“Misaotra Anao Aho, Raiko,
Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao,
ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa.
Eny, misaotra Anao Aho, Raiko,
fa izany no sitra-ponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray;
ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Noferana ho 200 tapitrisa Ariary ny saram-pandraisana anjaran'ny kandidà tsirairay amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena na ilay "cautionnement" amin'ny fanontana ny bileta tokana hampiasaina amin'ny fifidianana... ♦ Efa tena misokatra tanteraka ankehitriny ny fizahan-tany any Nosy-be Hell-ville, na ny antsoina hoe "haute saison touristique". Ankoatry ny zava-boahary dia manintona ny mpizaha-tany ho any an-toerana ireo hetsika ara-kolotsaina... ♦ Tsy tokony hagaga ny nampidirana amponja vonjimaika ilay vadin-tany tany Mahajanga hoy ny Ministry ny Fitsaràna satria toy ny olom-pirenena rehetra izy ka tsy misy ambonin'ny lalàna...

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 2, 1-15a)

Nataony hoe Môizy ny anarany, fa teo amin’ny rano izy no nalaina; ary nivoaka nankany amin’ny rahalahiny izy avy eo.

Tamin’izany andro izany, nisy lehilahy anankiray, fokon’i Levi,
lasa naka ho vadiny ny zanakavavin’i Levi anankiray.
Ary tonga bevohoka ravehivavy, dia tera-dahy.
Ary hitany fa tsara tarehy ity zaza, ka dia nafeniny telo volana.
Nony efa tsy azony nafenina intsony, dia nalainy ny vata zozoro anankiray,
nohosorany mena-tany sy ditin-kazo dia napetrany tao ny zaza,
ka nalatsany tao anaty bararata amoron’ny ony.
Ary ny anabavin’ilay zaza no nijanona teny lavidavitra teny
mba hahita izay hihatra aminy.
Dia nidina handro teo amin’ny ony ny zanakavavin’i Faraôna,
ka nitsangantsangana teny amoron’ny ony ny zazavavy namany.
Rahefa tazany ilay vata tao anaty bararata,
dia nasainy nalain’ilay ankizivaviny.
Nosokafany ity izy, ka hitany ilay zaza, zazalahy kely mitomany,
dia nangoraka azy izy, ary nanao hoe:

“Zanaky ny Hebrio itony!”

Tamin’izay kosa ny anabavin’ity zaza dia niteny tamin’ny zanakavavin’i Faraôna nanao hoe:

“Moa tianao va ny handehanako hitady mpitaiza
amin’ny vehivavy Hebrio hampinono io zaza io?”

Ary hoy ity zanakavavin’i Faraôna:

“Mandehàna.”

Dia lasa razazavavy naka ny renin’ny zaza.
Ary hoy ny zanakavavin’i Faraôna taminy:

“Ento ity zaza ity ka tezao ho ahy,
fa homeko anao ny karamanao.”

Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.

Nony efa lehibe ny zaza,
dia nentiny tany amin’ny zanakavavin’i Faraôna,
ka nataony toy ny zanany sy nomeny anarana hoe Môizy,
fa teo amin’ny rano no nanalako azy, hoy izy.

Tamin’izany andro izany, efa lehibe i Môizy,
ka nivoaka nankany amin’ny rahalahiny;
nahita ny asa mafy nataony izy,
ary nisy Ejipsianina anankiray hitany nikapoka Hebrio anankiray tamin’ireo rahalahiny.
Niherikerika nijery izy aloha,
ka nony fantany fa tsy nisy olona teny dia novonoiny ilay Ejipsianina
ka nafeniny tao anaty fasika.

Ny ampitson’izay indray, nivoaka izy,
ka indro fa nifanditra ny Hebrio roa lahy,
ary hoy izy tamin’ilay diso hoe:

“Ahoana no ikapohanao ny namanao?”

Fa hoy ny navalin-dralehilahy:

“Iza no nanangana an’ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay?
Sa tadiavin’ialahy hovonoina koa aho,
tahaka ny namonoan’ialahy ilay Ejipsianina?”

Raiki-tahotra i Môizy, ka hoy izy:

“Misy mahalala tokoa ilay zava-nitranga!”

Nony ren’i Faraôna ny zava-nitranga,
dia notadiaviny hovonoina i Môizy,
saingy nandositra ny tanan’i Faraôna izy,
ka nankany amin’ny tany Madiàna.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 68, 3. 14. 30-31. 33-34

Ry malahelo, katsaho Andriamanitra, dia ho velom-bolo ny fonareo!

Revon’ny fotaky ny hantsana aho:
tsy mahita hifaharana;
tonga amin’ny lalina indrindra:
safotry ny onja.

Fa izaho mivavaka aminao, ry Tompo!
Iantrao aho, ry Andriamanitra;
valio noho ny haben’ny hatsaram-ponao,
sy araka ny fahamarinan’ny vonjinao.

Fa izaho ilay ory sy mijaly kosa
dia harovan’ny Vonjinao, ry Andriamanitra:
ka hidera amin-kira ny Anaran’Andriamanitra,
ary hankalaza Azy amin-tsaotra.

Ny ory mahita ka mifaly.
Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra:
fa ny Tompo mihaino ny mahantra;
ny babo tsy hainy hamavoina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio,
fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 20-24)

Ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidôna ary amin’ny tanin’i Sôdôma noho ny aminareo amin’ny andro fitsarana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nanomboka niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro;
satria tsy nibebaka ireo; ka nataony hoe:

“Loza ho anao, ry Kôrôzaina,
loza ho anao, ry Betsaida!
fa raha izay no tany Tira sy Sidôna no natao ny fahagagana natao taminareo,
dia efa ho nibebaka ela tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona izy.
Koa lazaiko aminareo, fa amin’ny andron’ny fitsarana,
dia ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidôna
noho ny hatao aminareo.
Ary ianao, ry Kafarnaôma,
hasandratra hatrany an-danitra va ianao?
Hietry hatrany amin’ny afobe ianao,
fa raha tany Sôdôma no natao ny fahagagana natao tao aminao,
dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy.
Koa dia lazaiko aminao
fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma amin’ny andron’ny fitsarana
noho ny hatao aminao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hanatanteraka fifidianana filoham-pirenena fiodinana voalohany ny vahoaka Malagasy amin'ny 9 novambra 2023 izao, ary ny 20 desambra ny fiodinana faharoa... ♦ Hivoaka amin'ny fahanginany ny filoham-pirenena Malagasy, raha efa am-bolana maromaro izay no tsy nanao fandaharana manokana, namaly ireo resa-be isan-karazany voizina eny anivon'ny fiaraha-monina tato ho ato... ♦ Mampifanantona ny fiaraha-monina sy ny siansa momba ny karazan-java-manan'aina ny tetik'asa Varuna SD. Ampirantiana eny amin'ny UFM eny Analakely nanomboka omaly, ny momba izany... 

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody Eks. (1, 8-14. 22)

Andeha hampijaliana i Israely, sao mitombo ka mihamaro be.

Tamin’izany andro izany, nisy mpanjaka vaovao,
tsy nahalala an’i Jôsefa, nanjaka tany Ejipta.
Hoy izy tamin’ny vahoakany:

“Tonga vahoaka be sy mahery noho isika ireto ny zanak’i Israely.
Ka andeha ataovy izay hiarovantsika tena aminy, fandrao mitombo izy;
ary raha misy ady tonga tampoka,
dia hikambana amin’ny fahavalo hamely antsika izy,
dia hivoaka hiala amin’ny tany.”

Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an’i Israely izy,
mba hamoritra azy amin’ny asa mafy;
izany no nahavitana tanàna natao fitahirizan-javatra ho an’i Faraôna,
dia Pitaoma sy Ramsesa.
Kanjo, araka ny namoretana azy vao mainka nitomboany sy nihamaroany kosa,
ka tonga nankahalain’ny olona ny zanak’i Israely.
Nampiasain’ny Ejipsianina an-tery vozona ny zanak’i Israely
nampangidìny ny fiainan’izy ireo tamin’ny asa mafy dia mafy,
dia tamin’ny feta, biriky, asa an-tsaha isan-karazany rehetra,
izay asa nanereny azy tamin-kalozàna.
Ary i Faraôna nandidy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:

“Atsipazo any anaty ony ny zazalahy teraka rehetra
fa ny zazavavy avelao ho velona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 123, 1-3. 4-6. 7-8

Ny fitahiana antsika dia ny Anaran’ny Tompo.

Raha tsy ny Tompo no nomba antsika,
lazao re, ry Israely!
Raha tsy ny Tompo no nomba antsika, tamin’ilay niantsapazan’ireny,
dia ho nateliny velona isika, fa nirehitra loatra ny havinirany.

Ho nadifotry ny rano isika;
ho nosaforan’ny riaka ny fanahintsika!
Eny, ny fanahintsika ho nosaforan’ny rano misamboaravoara!
Isaorana ny Tompo tsy nahafoy horotehin’ny vangin’ireny.

Toy ny fody afa-pandrika harato isika:
rovitra ny harato, ka afaka isika!
Ny fitahiana antsika dia ny Anaran’ny Tompo,
Ilay nanao ny lanitra sy ny tany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ka ho tian’ny Raiko
ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 34 — 11, 1)

Tsy hitondra fiadanana Aho, fa hitondra sabatra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôly nanao hoe:

“Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eto an-tany Aho;
tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra;
fa tonga Aho hampisaraka ny zanakalahy amin’ny rainy,
sy ny zanakavavy amin’ny reniny,
ary ny vinantovavy amin’ny rafozany vavy;
ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.
Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy;
ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy.
Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy, dia tsy mendrika Ahy.
Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy,
fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy.
Izay mandray anareo, mandray Ahy;
ary izay mandray Ahy, dia mandray izay naniraka Ahy.
Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany,
dia hahazo ny valisoan’ny mpaminany;
ary izay mandray olo-marina, noho izy olo-marina,
dia hahazo ny valisoan’ny olo-marina;
ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza
hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro,
dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.”

Ary rahefa tapitra ny fampianarana nomen’i Jesoa an’ireo mpianany roa ambin’ny folo lahy ireo,
dia niala teo Izy,
ka nandeha nampianatra sy nitory teny tamin’ny tanàna manodidina rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hotanterahana ny 9 nôvambra 2023, ny fihodinana voalohany amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena. Nankatoavin'ny Filankevitry ny Governemanta androany, ny vinavinan'ny datim-pifidianana naroson'ny CENI... ♦ Manambana ny hampikatso tanteraka ny fampianarana ambaratonga ambony, ny Sedikan'ny Mpampianatra mpikaroka sy ny Mpikaroka mpampianatra Sampana Antananarivo. Takian'ny SECES ny hialan'ny Praiminisitra sy ny Minisitra misahana ny Fampianarana Ambaratonga Ambony...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 55, 10-11)

Ny ranon’orana mampaniry ny zava-maniry amin’ny tany.

Izao no lazain’ny Tompo:

Ny ranon’orana aman’oram-panala milatsaka avy any an-danitra tsy miverina any,
raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy,
ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana;
toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako;
tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako,
sy mahatontosa izay namoahako azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 64, 10abde. 10-11. 12-13. 14

Fa ny voa izay sendra tany lonaka dia hahavokatra be dia be.

Mamangy ny tany Ianao, ry Tompo,
manondraka azy amin’ora-mikija,
dibaka ny onin’Andriamanitra:
manomana vary ho anay manko Ianao!

Voakolokolonao ny tany:
ny soritr’asa ataonao ampoka,
ny bainga motehinao sy arovanao,
tahìnao indrindra ny tsirim-bary.

Dia ny faraòrana no toy ny fehiloha
izay asatrokao ny taona.
Ka fitahiana mitafotafo
no amin’izay nandalovanao!

Ny ahitra an-tanety, maitso mavana.
Ny tanim-bilona, rakotra ondry aman’osy,
ny vary, miavosa eny an-dohasaha;
ka manakoako ny hira sy ny hoby!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 18-23)

Indrakindrafina be ihany ny zava-boaary, miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao
dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
Fa indrakindrafina be ihany ny zava-boaary rehetra,
miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra;
satria izao zava-boaary rehetra izao dia natao mpanompon’ny zava-poana,
tsy araka ny nàhiny,
fa noho Ilay nampanompo azy,
nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia ho alàna amin’ny fanandevozam-pahalovana
ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.
Fa fantatsika, fa mandraka ankehitriny,
dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boaary rehetra izao.
Ary tsy izy ihany,
fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza,
dia misento ao anatintsika ao,
miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana antsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana;
ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio Mt. 13, 1-23

Indro nivoaka hamafy ny mpamafy.

Tamin’izany andro izany, rehefa nivoaka avy tany an-trano i Jesoa,
dia nipetraka tao amoron-dranomasina.
Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy,
ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo,
ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.
Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe:

“Indro nivoaka hamafy ny mpamafy;
ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana,
dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy;
ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo ka nitsimoka vetivety,
satria tsy lalina ny nofon-tany;
kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina,
satria tsy latsaka lalina.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
dia nitombo ny tsilo ka nahafaty azy;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa:
ao ny tonga avo zato heny,
ao ny enimpolo ary ao ny telopolo.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino”.

Ary nanatona ny mpianany ka nilaza taminy hoe:

“Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?”

Namaly Izy ka nanao taminy hoe:

“Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny Fanjakan’ny lanitra,
fa izy ireo tsy mba nomena izany.
Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy,
ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy.
Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy:
satria mijery izy fa tsy mahita, ary mandre fa tsy mahalala;
ka tanteraka aminy ilay fanoharan’i Izaia manao hoe:
‘Handre amin’ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala,
ary hijery amin’ny masonareo fa tsy hahita;
fa ny fon’ity vahoaka ity efa nihamafy,
ny sofiny efa nihadonto, ary ny masony efa nakimpiny,
sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny,
ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ary hositraniko’.
Fa ianareo kosa,
sambatra ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre.

Lazaiko aminareo marina tokoa,
fa maro ny mpaminany sy ny olo-marina naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita,
ary handre ny renareo fa tsy nandre.
Ka henoy àry ny hevitry ny fanoharana amin’ny mpamafy.
Raha misy mandre ny tenin’ny Fanjakan’Andriamanitra nefa tsy mahalala,
dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay nafafy tao am-pony:
dia izay no ilay nafafy teny an-dalam-be.
Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato
no izay nandre ny teny sy nandray azy an-kafaliana miaraka amin’izay,
nefa tsy miorina mafy izy ka tsy maharitra ela;
fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny,
dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay nandre ny teny,
fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena,
mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy.
Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa
no ilay mandre ny teny ka mahalala azy;
dia mamoa, ny sasany avo zato heny,
ny sasany enimpolo heny,
ary ny sasany telopolo heny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana;
ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio Mt. 13, 1-9

Indro nivoaka hamafy ny mpamafy.

Tamin’izany andro izany, rehefa nivoaka avy tany an-trano i Jesoa,
dia nipetraka tao amoron-dranomasina.
Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy,
ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo,
ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.
Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe:

“Indro nivoaka hamafy ny mpamafy;
ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana,
dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy;
ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo ka nitsimoka vetivety,
satria tsy lalina ny nofon-tany;
kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina,
satria tsy latsaka lalina.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
dia nitombo ny tsilo ka nahafaty azy;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa:
ao ny tonga avo zato heny,
ao ny enimpolo ary ao ny telopolo.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

15 jolay 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjey Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 24-33)

14 jolay 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 16-23)

13 jolay 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Andriamanitra no mampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 7-15)

12 jolay 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 1-7)

♦ Mangataka ny hanaovana fifidianana andro alahady ny antoko Fiombonana, mba hampiakarana ny taha-pahavitrihan'ny mpifidy. Namoaka fanambaràna izy ireo, manoloana ny raharaham-pirenena... ♦ Mangataka ny hanaovana fanadihadiana lalina ny BNGRC, manoloana ny ampamoaka nataon'ny Transparency International, amin'ny fisian'ny fanodikodinana fanampiana ho an'ny olona kere any atsimon'ny nosy... ♦ Marihina androany ny andro maneran-tany ho an'ny mponina. Mifantoka amin'ny fanomezan-danja ny "Miralenta ny lahy sy ny vavy" ny loha-hevitra hanamarihantsika eto Madagasikara izany, ho an'ity taona ity...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...