Vakiteny voalohany
Taratasy voalohany nosoratan'i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 2, 3-11)
Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava.
Anaka, izao no ahafantarantsika,
fa mahalala an’i Jesoa isika,
dia raha mitandrina ny didiny isika.
Izay milaza ho mahalala Azy,
nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga,
ary tsy ao anatiny ny marina.
Fa izay mitandrina ny didiny,
no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa;
ary amin’izany no ahafantarana fa ao aminy isika.
Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy,
dia tsy maintsy mandeha toy ny nandehanany koa.
Ry malala,
tsy didy vaovao no soratako aminareo,
fa didy ela izay efa azonareo hatramin’ny voalohany:
ary izany didy ela izany dia ilay teny efa renareo teo.
Didy vaovao ihany koa anefa no soratako aminareo,
izay hita marina amin’i Kristy sy aminareo,
fa efa misava ny haizina,
ary miposaka sahady ny fahazavana marina.
Izay milaza azy ho ao amin’ny fahazavana,
nefa mankahala ny rahalahiny,
dia mbola ao amin’ny haizina ihany.
Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava,
ka tsy misy fanafintohinana ao aminy.
Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao anatin’ny haizina
sy mandeha amin’ny maizina,
ka tsy mahalala izay halehany,
fa voajamban’ny haizina ny masony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Salamo 95, 1-2a. 2b-3. 5b-6
Mifalia, ry lanitra sy tany.
Ikaloy ireo hira vaovao
ho an’ny Tomponao, ry manana aina!
Ny fisaorana
aoka hanakoako!
Isan’andro vaky dia torio:
itony vonjy nentiny lazao,
mba handre daholo
ny eran-tany.
Ny habakaba-manga dia nataony,
ka ny lapa masiny tazano,
fa mitemitra
ilay fahefany.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Andro masina no mamirapiratra ho antsika: avia, ry vahoaka, hitsaoka ny Tompo, fa hazavana lehibe no tonga eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 22-35)
Fahazavana hanilo ny Jentily.
Rahefa tapitra ny andro fidiovana araka ny lalàn’i Môizy,
dia nentin’ireo ray aman-dreniny ho any Jerosalema i Jesoa
mba hatolotra amin’ny Tompo,
araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàn’ny Tompo hoe:
“Ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe:
masina ho an’ny Tompo”,
ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromailala roa,
araka ny voalaza ao amin’ny Lalàn’ny Tompo.
Ary indro,
nisy lehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema,
ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany
ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely,
ary tao aminy ny Fanahy Masina
sady efa nanambaran’ny Fanahy Masina izy
fa tsy hahita fahafatesana mandra-pahitany an’i Kristin’ny Tompo.
Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny tempoly,
ka nony nitondra an’i Jesoa zazakely ny rainy aman-dreniny
hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy,
dia nitrotro Azy izy
ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe:
“Ankehitriny, ry Tompo,
vao alefanao amim-piadanana
araka ny teninao ny mpanomponao,
fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao,
izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra,
dia fahazavana hanilo ny Jentily
sady voninahitr’i Israely olonao.”
Dia gaga ny ray aman-drenin’ny zaza
noho ny zavatra nolazaina ny aminy.
Ary nitso-drano azy ireo i Simeôna,
ka nilaza tamin’i Maria renin’ny Zaza hoe:
“Indro, ity Zaza ity no voatendry
ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’i Israely
ary ho famantarana hotoherina,
— ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra,
— mba hiseho ny hevitry ny fo maro.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.