♦ Nahazo Eveka vaovao ny Diôsezin'Antsirabe. Notendren'ny Papa François ho Evekan'ity Diôsezy ity i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina... ♦ Nitokona tsy niasa ny mpiasan'ny kaominina Antananarivo renivohitra omaly. Velon-taraina izy ireo fa mbola tsy nandray karama volana jona. Misedra olana ny fandoavan-ketra, hoy ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo, etsy ankilany... ♦ Olona miisa 5 nampidirana am-ponja noho ny fanalam-baraka ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny Zandarimariam-pirenena ny jeneraly Serge Gellé. Maromaro ireo fandikan-dalàna nanenjehana azy ireo ka handalo fitsaràna amin'ny 25 jolay ny raharaha...
♦ Notendren'ny Papa François ho Eveka ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina... ♦ Nanatanteraka hetsika teny Analakely androany, ireo ampahany amin'ny mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, noho ny mbola tsy nandraisan'izy ireo ny karama volana jona... ♦ Olana fototra nampitotongana ny sehatry ny lavanila ankehitriny, ny tsy fampiharan'ny mpitondra fanjakana ny fitsinjaram-pahefana, hoy ny Filoha Nasônalin'ny Antoko MMM, tany amin'ny Faritra Sava...
♦ Notendren'ny Papa François ho Eveka ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka Mpanampy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Anisan'ireo hapetraka amin'ny toerana maha Kardinaly azy amin'ny 30 septambra 2023, ny Lehiben'ny Fikambanana Salezianina maneran-tany, i P Ángel Fernández Artime... ♦ Tontosa omaly ny fisaorana an'Andriamanitra sy fankasitrahana an'i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, izay nitantana ny Arsidiôsezin'Antananarivo nandritra ny 18 taona...
Boky Jenezy (Jen. 49, 29-33 ; 50, 15-24)
Tamin’izany andro izany,
dia izao no hafatra napetrak’i Jakôba tamin-janany:
“Efa hakambana any amin’ny razako aho izao, ka aleveno any amin’ny razako,
anatin’ny zohy izay ao amin’ny sahan’i Efrôna, Heteanina;
anatin’ny zohy amin’ny saha Makpelà, tandrifin’i Mambre, any amin’ny tany Kanaana;
dia izay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha, tamin’i Efrôna, Heteanina, hananany fasana ho azy.
Tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Sarà vadiny.
Tao no nandevenana an’i Isaaka sy i Rebekà vadiny.
Ary tao no nandevenako an’i Leà.
Tamin’ny taranak’i Heta no nividianana ny saha mbamin’ny zohy ao aminy.”
Nony avy nametraka ny didiny tamin’ireo zanany lahy i Jakôba,
navonkony teo am-parafara ny tongony dia niala aina izy;
ka voaangona any amin’ny razany.
Rahefa hitan’ireo rahalahin’i Jôsefa fa maty rainy dia hoy izy:
“Sao dia anaovan’i Jôsefa fo lentika isika,
ka valiany amin’izao ny ratsy rehetra nataontsika taminy.”
Koa nampilaza tamin’i Jôsefa izy nanao hoe:
“Nanafatra rainao talohan’ny nahafatesany, nanao hoe:
Izao no holazainareo amin’i Josefa:
‘Avelao lahy ny heloka amam-pahotan’ireo rahalahinao,
fa nahavita ratsy taminao izy.
Nefa mifona aminao aho ankehitriny,
avelao re ny heloky ny mpanompon’ny Andriamanitry ny rainao.’”
Nitomany i Josefa nandre izany teny izany.
Ary ny tenan’ireo rahalahiny dia tonga niankohoka teo anatrehany nanao hoe:
“Mpanomponao izahay.”
Fa hoy i Jôsefa tamin’izy ireo:
“Aoka tsy hanan-tahotra ianareo;
fa moa solon’Andriamanitra va aho?
Ny hanisy ratsy ahy no tao an-tsainareo;
fa ny hampisy soa avy amin’izany kosa no tao an-tsain’Andriamanitra
mba hahatanteraka izao hita anio izao,
mba hamonjy ny ain’ny vahoaka maro be.
Koa aza manan-tahotra akory, fa hamelona anareo,
na ny tenanareo na ny zanakareo aho.”
Toy izany no nampiononany azy tamin’ny teny mankamin’ny fon’izy ireo.
Ka dia nonina tany Ejipta i Jôsefa, izy sy ny ankohonan-drainy.
Folo amby zato taona no andro niainany.
Nahita ny terak’i Efraima hatramin’ny taranaka fahatelo izy.
Ary nisy koa zanak’i Makira, zanak’i Manase izay teraka
ka noraisin’i Jôsefa teo ampofoany.
Ary hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny:
“Izaho itý ho faty;
nefa Andriamanitra kosa dia hamangy anareo tokoa
sy hampiakatra anareo avy amin’itý tany itý
ho any amin’ny tany nianianany homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 104, 1-2. 3-4. 6-7
Mankalazà ny Tompo, miantsoa ny Anarany;
ampahafantaro eny amin’ny firenena ny asa lehibe nataony.
Mihirà ho Azy; mankalazà Azy!
Torio ny fahagagana rehetra ataony.
Mireharehà amin’ny Anarany masina:
hiravoravo anie ny fon’izay mitady ny Tompo.
Mitadiava ny Tompo sy ny heriny:
aza mitsahatra ny mitady ny tavany.
Ry taranak’i Abrahama mpanompony,
tamingan’i Jakôba olom-boafidiny.
Izy no Tompo Andriamanitsika;
mihatra amin’ny tany rehetra ny fitsarany.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjey Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 24-33)
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:
“Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony;
fa ampy ho an’ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy,
ary ho an’ny mpanompo ny tahaka ny tompony.
Raha ny lohan’ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba,
mainka fa ny ankohonany: koa aza matahotra azy ianareo.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra.
Izay lazaiko anareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava;
ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano;
ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy,
fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe.
Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa.
Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory
raha tsy avelan’ny Rainareo.
Na ny volondohanareo aza dia efa voaisa avokoa.
Koa aza matahotra, fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo.
Ary amin’izany, izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra;
ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 46, 1-7. 28-30)
Tamin’izany andro izany,
niainga i Israely nitondra izay rehetra nananany.
Nony tonga teo Bersabea izy,
dia nanolotra sorona tamin’Andriamanitr’i Isaaka rainy.
Ary Andriamanitra niteny tamin’i Israely tamin’ny fahitana nony alina, nanao hoe:
“Ry Jakôba! Ry Jakôba!”
Ka hoy ny navalin’i Israely:
“Intý aho.”
Dia hoy Andriamanitra:
“Izaho no Andriamanitra mahery, dia ny Andriamanitry ny rainao.
Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko tonga firenena lehibe ianao any.
Izaho hiara-midina aminao any Ejipta.
Izaho ihany koa no hitondra anao hiakatra indray tokoa avy any,
ary ny tanan’i Jôsefa no hanirina ny masonao.”
Dia niainga i Jakôba ka niala tao Bersabea;
ary ny zanak’i Israely nametraka an’i Jakôba rainy, mbamin’ny vady aman-janany,
teo ambonin’ny sarety nalefan’i Faraôna hitondrana azy.
Nentiny koa ny biby fiompy sy ny fananany nohariany tany amin’ny tany Kanaana.
Dia nankany Ejipta i Jakôba mbamin’ny fianakaviany rehetra.
Nentiny nankany Ejipta niaraka taminy ny zanany aman-jafiny lahy,
sy ny zanany aman-jafiny vavy, mbamin’ny ankohonany rehetra.
Dia nalefan’i Jakôba i Jodà, hialoha azy ho any amin’i Jôsefa,
hanomana ny hahatongavany any Gesena.
Rahefa tonga tany Gesena i Jakôba sy ny ankohonany,
dia nampamboatra ny kalesiny i Jôsefa
ka nitaingina teo hitsena an’i Israely rainy any Gesena.
Niseho taminy izy, dia niantoraka namihina ny vozony,
sy nitomany ela teo amin’ny vozony.
Ary hoy i Israely tamin’i Jôsefa:
“Tsy mampaninona ahy intsony ny ho faty amin’izao,
fa efa nahita tava anao aho, ary mbola velona ihany ianao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 36, 3-4. 18-19. 27-28. 39-40
Miantehera amin’ny Tompo; manaova ny tsara;
monena amin’ny tany; miraota amin-toky.
Eny, ny Tompo no iravoy:
dia homeny anao izay irin’ny fonao.
Ny andron’ny madio fantatry ny Tompo;
ny lovan’ireny ho mandrakizay.
Tsy ho maina izy raha mihantona ny andro,
ary ho voky amin’ny tao-mosarena.
Halaviro ny ratsy, ataovy ny tsara,
raha tahiny te-haharitra mandrakizay.
Fa ny Tompo dia tia ny rariny,
ka tsy mandao ny mpivavaka aminy.
Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo:
fa Izy no mandany amin’ny andro fahoriana.
Ny Tompo mitahy sy manafaka azy,
manafaka azy amin’ny ratsy fanahy.
Eny, Izy no mamonjy azy
noho izy ireo mifefy aminy!
Aleloia. Aleloia.
Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao,
raha mitana ny tenin’ny fahamarinana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 16-23)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:
“Indro Aho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia,
ka mba malina tahaka ny bibilava ianareo,
ary mba tsotra tahaka ny voromailala.
Mitandrema, fa hotorìn’ny olona amin’ny fitsarany ianareo;
sy hokapohiny ao amin’ny sinagôgany;
ary hoentiny eo anatrehan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko,
mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin’ny jentily.
Fa raha hatolony ianareo,
dia aza manahy izay fomba fandaha-teny, na izay teny holazainareo,
fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany;
satria tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin’ny Rainareo no hiteny ao aminareo.
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina,
ny ray hanolotra ny zanany,
ny zanaka hiodina amin’ny ray aman-dreniny ka hamono azy;
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako:
fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.
Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa;
fa lazaiko aminareo marina tokoa
fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 44, 18-21. 23b-29 ; 45, 1-5)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jôsefa i Jodà ka nanao taminy hoe:
“Mihanta aminao aho, tompokolahy,
mba hahazo lalana ny mpanomponao hiteny indraim-bava eto anatrehan’ny tompoko,
ka aoka tsy hirehitra amin’ny mpanomponao ny fahatezeranao,
fa sahala amin’i Faraôna ianao.
Ny tompo lahiko nanontany ny mpanompony hoe:
‘Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?’
Ary izao no navalinay ny tompoko:
‘Manan-dray efa antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany;
nanan-drahalahy io zaza io fa efa maty,
dia izy irery no sisa tamin’izy iray reny, ka tian-drainy izy.’
Ary ianao nilaza tamin’ny mpanomponao hoe:
‘Ento midina atý amiko izy mba ho hitan’ny masoko.
Raha tsy miara-midina aminareo ny zandrinareo, tsy hahita ny tavako intsony ianareo.’Koa rahefa tafakatra tany amin’ikaky mpanomponao izahay,
dia nambaranay azy ny tenin’ny tompoko.
Ary nony avy izay nilazan’ikaky taminay hoe:
‘Mandehana indray mividiana hanina kely ho antsika’,
dia izao no navalinay:
‘Tsy mahazo midina izahay;
fa raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy vao hidina izahay;
satria tsy mahazo mahita tava an-dralehilahy akory izahay,
raha tsy miaraka aminay ny zandrinay.’
Ka hoy ikaky mpanomponao taminay:
‘Fantatrareo fa roa lahy no nateraky ny vadiko tamiko;
ny iray efa lasa tafasaraka tamiko, ka hoy aho hoe:
tsy maintsy ho voaviraviram-biby izy, satria tsy hitako intsony mandraka androany.
Ary itý iray raha alainareo koa, ka mahita loza any,
dia hampidirinareo any amin’ny fonenan’ny maty amin’alahelo ny voloko fotsy.’"
Dia tsy nahatsindry fo intsony i Jôsefa teo anatrehan’izay rehetra teo, ka niantso hoe:
“Avoahy avokoa ny olona rehetra!”
Ary tsy nisy olona tafajanona intsony teo aminy,
raha nitonona anarana tamin’ireo rahalahiny izy.
Nanandra-peo izy nitomany,
ka ren’ny Ejipsianina sy ren’ny tao an-tranon’i Faraôna.
Hoy i Jôsefa tamin’ny rahalahiny:
“Izaho no i Jôsefa.
Mbola velona ihany va ikaky?”
Fa tsy nahateny tsy nahavolana ireto rahalahiny,
fa very saina loatra teo anatrehany.
Ary i Jôsefa nanao tamin’ny rahalahiny hoe:
“Manatòna eto amiko ianareo.”
Dia nanatona izy, ka hoy izy:
“Izaho no i Jôsefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atý Ejipta.
Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo,
noho ny nivarotanareo ahy ho atý,
fa hamonjy aina anareo no nampandehanan’Andriamanitra ahy hialoha anareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 104, 16-17. 18-19. 20-21
Niantso mosary hamely ny tany Izy;
notapahiny ny hanina izay tohan’aina.
Naniraka olona hialoha azy ireo Izy:
i Jôsefa namidy ho andevo.
Nogiazana tamin’ny fatorana ny tongony,
nogadrana vy izy,
mandra-pahatongan’ny andro nahatanterahan’izay voalazany mialoha,
izay nanamarinan’ny tenin’Andriamanitra azy.
Naniraka hanesotra ny fatorany ny mpanjaka;
nalefan’ny filohan’ny vahoaka ho afaka izy.
Dia natsangany ho tompon’ny tranony,
sy ho mpanapaka ny taniny rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra no mampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy
sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 7-15)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôly nanao hoe:
“Raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe:
Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.
Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony:
nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.
Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao amin’ny fehin-kibonareo,
na kitapom-batsy eny an-dalana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina,
fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina.
Ary amin’izay tanàna na vohitra hidiranareo,
dia anontanio izay mendrika, hidiranareo ao,
ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo.
Ary raha vao miditra ao amin’ny trano ianareo, dia miarahabà hoe:
‘Ho amin’itý trano itý anie ny fiadanana’;
ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano,
dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo;
fa raha tsy mendrika kosa izy,
dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo.
Ary raha misy tsy mampiantrano anareo na tsy mihaino ny teninareo,
dia mialà amin’izany trano izany, na amin’izany tanàna izany,
ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo.
Lazaiko marina aminareo fa ho moramora kokoa
ny hatao amin’i Sôdôma sy i Gômôra amin’ny andro fitsarana
noho ny hatao amin’izany tanàna izany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 41, 55-57 ; 42, 5-7a. 17-24a)
Tamin’izany andro izany, dia tratry ny mosary koa ny tany Ejipta rehetra,
ka nitaraina tamin’ny Faraôna ny vahoaka nitady hanina.
Fa hoy i Faraôna tamin’ny Ejipsianina rehetra:
“Mankanesa any amin’i Jôsefa, ary ataovy izay lazainy aminareo.”
Nony nanenika ny tany rehetra ny mosary,
novohan’i Jôsefa ny tranom-bary rehetra naorina tany,
ary nivarotra tamin’ny Ejipsianina izy;
ary nitombo nitombo ihany ny mosary tamin’ny tany Ejipta.
Tonga tao Ejipta avokoa ny avy amin’ny tany rehetra, hividy vary amin’i Jôsefa,
fa nihamafy ny mosary tamin’ny tany rehetra.
Koa tonga hividy vary ireo zanak’i Israely,
ary nisy olon-kafa koa niara-tonga taminy fa tratry ny mosary ny tany Kanaana.
I Jôsefa no manam-pahefana nitantana ny tany,
ary izy no nivaro-bary tamin’ny tompon-tany rehetra.
Nony tonga ny rahalahin’i Jôsefa dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany.
Vao nahita ireo rahalahiny i Jôsefa dia nahalala azy;
nefa nody olon-kafa taminy izy, ka niteny mafy taminy.
Dia nasainy hatao an-tranomaizina hateloana izy ireo.
Nony tamin’ny andro fahatelo, dia hoy i Jôsefa tamin’izy ireo:
“Izao no ataovy, dia ho velona ianareo, fa matahotra an’Andriamanitra aho:
Raha olo-marina tokoa ianareo, aoka ny anankiray aminareo, izay rahalahinareo,
hijanona mifatotra ao an-tranomaizina misy anareo,
ary ianareo kosa handeha hitondra vary hanafaka hanoanana ny fianakavianareo.
Koa ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy;
dia ho hita fa marina ny teninareo, ka tsy ho faty ianareo.”
Dia nataony izany.
Ary nifampilaza izy nanao hoe:
“Voakapoka tokoa isika izao, noho ny amin’ny rahalahintsika;
fa nahita ny fahorian’ny fanahiny isika,
tamin’ilay izy nitalaho ny famindram-pontsika, nefa tsy nihaino azy isika
ka izany no nahatongavan’izao fahoriana izay manjò antsika izao.”
Fa niteny tamin’izy ireo i Robena ka nanao hoe:
“Tsy efa nilazako va re ianareo fa hoe:
Aza manota amin’ny zaza?
Nefa tsy nohenoinareo akory izany;
koa indro arahina amintsika izao ny rany.”
Tsy fantatr’izy ireo ho nahalala ny teniny i Jôsefa,
satria mpandika teny no niresahany taminy.
Ka nihataka niala teo amin’izy ireo izy, dia nitomany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 32, 2-3. 10-11. 18-19
Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo!
Ihirao hira vao Izy;
andredony horaka aman-java-maneno.
Ny Tompo mandrava ny fanampoizan’ny firenena,
sy manafoana ny fikasan’ny vahoaka.
Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay;
ny fikasan’ny Fony, amin’ny taranaka mifandimby.
Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy,
sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony,
hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana,
sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena.
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo;
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 1-7)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy
ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto,
sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy:
Ny voalohany dia i Simôna izay atao hoe i Piera,
dia i Andre rahalahiny, i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny,
i Filipo sy i Bartelemy,
i Tomà sy i Matio ilay poblikanina,
i Jakôba zanak’i Alfe sy i Tade,
i Simôna ilay Kananeanina,
ary i Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy.
Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay nirahin’i Jesoa
rahefa nohafatrafarany hoe:
“Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily,
ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina,
fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely.
Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe:
Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka ao amin’ny diosezin’Antsirabe i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy eto Antananarivo.
♦ Isan'ireo Kardinaly vaovao miisa 21 notendren'i Papa François, nampahafantarina omaly, ny lehiben'ny Fikambanana Saleziana maneran-tany, mompera Angel Fernandez ARTIME... ♦ Manatanteraka famangina ôfisialy any amin'ny Diôsezin'i Morondava, izay misy ny filohan'ny fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny Nonce Apôstôlika Thomas GRYSA, izay tonga tany an-toerana, omaly tolakandro... ♦ Sidina maromaro avy any ivelany, no mivantana avy hatrany ao Nosy-Be Hell Ville amin'izao fotoana tena mahabe ny mpizaha-tany any an-toerana izao. Kendrena ho avo roa heny tamin'ny mpitsidika tonga tany Nosy-Be tamin'ny 2019, ny ho tonga amin'ity taona ity...
♦ Tontosa omaly alahady nyEokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra sy fankasitrahana an'i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo, izay nahatratra ny taona hitsaharana amin'ny asa fitantanana ny Diôsezy... ♦ Fitenim-paritra faharoa nahavitana dika tenin'ny Baiboly, ny fiteny Tsimihety. Natolotra an'ireo vahoaka Tsimihety, tamin'ny sabotsy, tany Antsohihy izany... ♦ Milina afaka manodina mangahazo, ho lasa lafarinina no nomena ny tantsaha sy ny mpandraharaha any amin'ny Distrikan'i Mahanoro...
♦ Mbola miala nenina miantso ny hisian'ny fikaonandoham-pirenena ny Hery Pôlitika Mitambatra. Manantena ny fakàn-kevitra ataon'ny FFKM ho tonga amin'izany dinika izany ny HPM... ♦ Efa misy akony amin'izao fangatahana ny hanangànana "maison de coopération" eo amin'i Madagasikara sy Mayotte. Miroso amin'izany ny fihaonan'izy ireo tamin'ny tompon'andraikitra teo anivon'ny Ministeran'ny Raharaham-Bahiny Frantsay, tany Paris... ♦ Efa misy in-dimy isan'andro ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo amin'izao. Tsipahan'ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI anefa ny fitadiavana vahiny hitantana ny orinasa Jirama...
♦ Hirosoana amin'izay ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo, araka ny tapaka tamin'ny filan-kevitry ny ministra manokana, omaly. Ampahan-dalana miisa 11 no nankatoavina fa amboarina amin'izany... ♦ Tsy tokony ahilika any amin'ny Bianco irery ny ady amin'ny kolikoly fa andraikitry ny olom-pirenena rehetra, hoy ny tale jeneraliny. Miantso ny tanora amin'izany ady atao amin'ny kolikoly izany izy, omaly... ♦ Hampiova ny toe-karena ara-bola eto Madagasikara ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola nolaniana teny amin'ny Antenimiera farany teo hoy ny manampahaizana manokana momba ny lalàna, Raphaël Jacob. Tsy hisy intsony, hoy izy, ny fanomezana tombondahany ny mpampiasa vola sasany...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco