Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 40, 1-5. 9-11)

Amboary ny lalan’ny Tompo.

Hoy ny Andriamanitrareo:

“Ampionony, ampionony ny vahoakako”.

Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema,
ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany,
voaonitra ny helony,
voarainy tamin’ny tanan’ny Tompo,
ny indroa heny valin’ny fahotany.
Injany misy feo miantso hoe:

“Misavà lalana any an’efitra, ho an’ny Tompo,
manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika.
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra;
ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry;
ny avo hanjary tany lemaka;
ary ny vato mideza ho lembalemba.
Dia hiseho ny voninahitry ny Tompo,
ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kanavaka
fa ny vavan’ny Tompo no efa niteny”.

Miakara eny an-tendrombohitra avo ianao
izay mitondra ny vaovao mahafaly ho an’i Siôna.
Manandrata feo mafy,
ianao izay mitondra ny vaovao mahafaly ho an’i Jerosalema;
manandrata feo, fa aza matahotra,
lazao amin’ny tanànan’ny Jodà hoe:

“Indro ny Andriamanitrareo!
Indro fa tonga ny Tompo Andriamanitra, amin’ny heriny;
ny sandriny mampiasa ny fahefana.
Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy,
ary ny tamby homeny, eo anoloany.
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy;
handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny
hitondra an’ireny eo an-trotroany,
ary handroaka moramora ny mampinono”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 84, 9ab-10. 11-12. 13-14

Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Hihaino izay lazain’ny Tompo aho:
moa tsy fiadanana no lazainy?
Akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny;
efa honina amin’ny tanintsika ny voninahiny.

Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana,
ny fahamarinana mitrebona an-tany,
ny rariny kosa mitranga eny an-danitra.

Ny Tompo amim-peo avo manome orana,
ny tanintsika manome ny vokany;
ny rariny mizotra anoloany,
ny fiadanana manjohy ny diany.

Vakiteny faharoa

Taratasy faharoan’i Masindahy Piera Apôstôly (2 Pi. 3, 8-14)

Manantena ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika.

Ry hava-malala,
izao zavatra iray loha izao no aoka ho fantatrareo:
amin’ny Tompo, ny indray andro dia hoatra ny arivo taona,
ary ny arivo taona dia hoatra ny indray andro.
Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany,
fa miandry anareo amim-pandeferana Izy,
mba tsy hisy very na dia iray aza,
fa samy hanatona sy hibebaka daholo.
Ho avy toy ny mpangalatra ny andron’ny Tompo,
ary amin’izany andro izany,
ny lanitra hirimorimo mankarenina,
ny tenan-javatra rehetra ho levon’ny afo,
ny tany mbamin’ny asa rehetra eo aminy hodorana.
Koa raha tsy maintsy ho levona àry izao rehetra izao,
ho toy inona no tokony ho fahamasinan’ny fitondran-tena amam-pitiavam-bavakareo,
amin’ny fiandrasana sy fanafainganana ny hiavian’ny andron’ny Tompo,
izay hahamay sy hahalevona ny lanitra,
ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra?
Eny, araka ny fampanantenany,
dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao isika,
izay hanjakan’ny fahamarinana.
Amin’ny fiandrasana izany,
dia ataovy izay tratry ny ainareo,
mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro
ary mihavana tsara,
no hahitan’ny Tompo anareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia, Aleloia.

Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany; dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 1-8)

Ahitsio ny alehan’ny Tompo.

Fiandohan’ny Evanjelin’i Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra.
Araka izay voasoratra ao amin’i Izaia Mpaminany hoe:

“Indro Aho maniraka ny Anjeliko eo alohanao,
izay hamboatra ny lalanao;
injay misy feo miantso any an’efitra hoe:
Amboary ny lalan’ny Tompo,
ahitsio ny alehany”,

dia niseho tany an’efitra i Joany Batista
nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka.
Ary nandeha nanatona azy ny tany Jodea rehetra
sy ny mponina rehetra tao Jerosalema,
ka nataony batemy tamin’ny onin’i Jordany ireo,
rehefa niaiky ny fahotany.
Volon-drameva no nitafian’i Joany,
fehikibo hoditra no nanaovany,
ary valala sy tantely remby no fihinany;
ary izao no notorìny:

“Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho,
ka tsy mendrika hiondrika,
hamaha ny fehikapany akory aho.
Izaho nanao batemy tamin’ny rano,
fa Izy kosa hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...