♦ Mihena hatrany ny herin'i Alvaro, izay efa tsy voasokajy ho rivo-doza intsony fa lasa andro ratsy. Manohy ny diany miatsinanana hatrany izy, amin'ny hafainganam-pandeha 20km/ora... ♦ Mbola tena tsy hilamina ny fifanolanana pôlitika nisy nandritra ny fifidianana teo amin'ity taona 2024 ity, hoy ny antoko MFM. Hanampy trotraka izany ny fiakaran'ny vidim-piainana ka ahiana hiteraka olana ara-pôlitika... ♦ Voafonja 9.757 amin'ireo 16.766 manerana ny nosy no hahazo fanalefahan-tsazy noho izao taona vaovao 2024 izao. Miisa 2.766 ireo hahazo izany ka afaka hivoaka ny fonja avy hatrany... ♦ Tafakatra 30 farafahakeliny ireo namoy ny ainy, vokatr'ilay horohoron-tany nitranga tany Japon...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240102.mp3" background="#0099ffff"] 

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...