♦ Tsy hisy fitsofan-drano ny fiarahan'ny mitovy fananahana na oviana na oviana atao amin'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara hoy ny Evekan'i Madagasikara omaly, manoloana ilay fanambarana "fitokisana am-pitalahoana" nataon'i Vatican ny 18 desambra 2023, ary nosoniavin'ny Pape François... ♦ Nivoaka ny ranomasina androany maraina ilay rivo-doza Alvaro... ♦ Maherin'ny 3.000 ireo tra-boina vokatry ny rivo-doza Alvaro... ♦ Tafakatra 62 ireo namoy ny ainy vokatr'ilay horohoron-tany mahery vaika tany amin'ny Peninsule de Noto Japon ny alatsinainy teo... ♦ Maty vokatry ny fanafihana nataon'i Israely ny filoha lefitry ny Hamas Saleh Al Arouri sy ny olona 6 hafa...

[audio src="/images/sounds/jma-20240103.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...