Ny diabeta dia tsy aretina fa toe-batana, izay misy eo amin'ny olona manana olana amin'ny fanodinana ny siramamy ao anatin'ny vatany. 14 novambra no andro iraisam-pirenena ho an'ny diabeta, izay daty mifanandrify amin'ny nahaterahan'ilay Mpitsabo teratany Kanadiana, nahita ny "insuline". Ny loha-hevitry ny fankalazana amin'ny taona ity dia : Ny diabeta sy ny fahatonian'ny saina. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.
Alahady faha-34 mandavantaona — B "Fankalazana manetriketrika an’i Jesoa Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao" : ampanjakao ny fahamarinana sy ny fitiavana, dia ho mpanjakantsika i Kristy ; Hosoavina anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika. Ity alahady ity no mamarana ny taona litorjika ho an'ny Eglizy katôlika. Efa i Kristy ve no manampahefana tanteraka eo amintsika sa zavatra hafa sa olona hafa, ary sao mba ny zavatra mahadoka ivelany fotsiny?. Tsy hay refesina ny fitiavan'i Kristy ny olombelona, ny fibanjinana an'i Jesoa be voninahitra, izay fiandohana sy fiafarana dia mitondra fahasoavana maro...
Tsy tokony hohadinoina hoy ny Papa fa ireto zavatra miisa telo ireto no fihetsika manokana mampiavaka an'Andriamanitra : akaiky, mangoraka, malemy fanahy. Izany no hanehoan'Andriamanitra amintsika ny maha-Ray Azy. Ny vavaka dia fiezahana miombona amin'ny lamin'asan'Andriamanitra : hikatsahana ny voninahiny sy ny fahasambaran'ny olombelona... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa, OSsT.
Toy ny asa rehetra ihany ny zaitra ka misy ireo liana sy tia manao azy, misy kosa ireo tsy liana ary tsy mahay mihitsy aza. Toy izany koa ny resaka tontolon'ny asa famoronana, azo atao hoe talenta ihany izy io, nefa ihany koa misy ny mianatra sy mandalina azy. Tsy izay rehetra mahay manjaitra anefa no afaka manao asa famoronana lamaody, ary tsy voatery izay mahay mamorona koa dia mahay manjaitra, fa misy kosa anefa ireo izay sady mpanjaitra no mpamorona lamaody ihany koa. Azo sokajiana ho asa tena ny asa fanjairana sy famoronana lamaody. Ny atao hoe asa famoronana moa raha araka ny resadresaka nifanaovana tamin'i Jouany izay miaiana ao anatin'izay tontolon'ny asa famoronana izay dia zavatra tsy fahita eny amin'ny andavan'andro no foronina, avy amin'ny aingam-panahinao.
Kihon-dalana tsy azo iodivirana amin'izao fotoana izao ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala na ity atao hoe "RPF" mba ahafahana miaro ny tontolo iainana, iantohana ny famokarana maharitra. Ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala izay hanaovan'i Afrika ezaka manokana ka 100 tapitrisa Hektara no ezahana hotratrarina amin'ny taona 2024. Firenena 10 no nametraka fanamby amin'ny RPF ka i Madagasikara manokana namatraka tanjona 4 tapitrisa Hektara amin'ny taona 2030. Misy ny asa atao momba izany isan'izany ny any avaratry ny nosy. Tsy very maina ny fiofanana nataon'ny tantsaha tao Antsiranana faharoa tao, iadiana amin'ny fiovan'ny toetr'andro sy ny fampanjariana ny famokarana. Tafita ny hafatra tamin'ny fampiofanana samihafa narahan'ireo tantsaha ireo. Efa hita taratra ny asa vita ho an'ny ao Antsiranana faharoa ao amin'ny Kaominina Sajoavato, sy ny ao amin'ny fokontany Berafia Kaominina Andrafiabe. Manomboka mamerina ny tontolo manodidina ny ala ny mponina, tetik'asan'ny fikambanana UNION MATANJAKA iarahany amin'ny Réseau SOA. Niara-niasa tamin'ny fikambanana TOSIKA izy ireo tamin'ny fanomezana fiofanana ny tantsaha. Ny FAO amin'ny alalan'ny fandaharan'asa FFF FAO, no miara-miombon'antoka amin'ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala "RPF" ao amin'ny distrika Antsiranana faharoa izay.
Fantaro sy tandrovy ny rano satria antoky ny fahasalamana. Noho ny zava-misy ankehitriny indrindra ny fahasarotan'ny fahazoana rano fisotro madio sy ny tsy fiavian'ny orana, dia tsara ny hifanentanana mba samy hitandrina amin'ny fitantanana ny rano ny tsirairay. Ny olona miahy ny rano dia mitsimbiny ny aina, ny rano no fototry ny aina, ohatra ny 80% ny tenan'ny zaza dia rano avokoa. Mila manao ezaka ny tsirairay mba hikajiana ny rano izany hoe mametraka ny paik'ady fitsitsiana. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.
Tsy misy olona hanana herim-po hino fa tia azy Andriamanitra raha tsy mahalala an'i Jesoa ; ny fahalalana an'i Jesoa no hahafahantsika mahatakatra ny fitiavan'Andriamanitra. I Kristy nofantsihana teo amin'ny hazofijaliana no herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra ; Ray mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra porofon'izany ny fitsimbinany antsika... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa, OSsT.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco