Vakiteny voalohany

Bokin’ny Mpitsara (13, 2-7. 24-25a)

Nambaran’ny Anjely ny hahaterahan’i Samsôna.

Tamin’izany andro izany,
nisy lehilahy anankiray, atao hoe Manôe,
fianakavian’i Danita, avy amin’i Saraà;
momba ny vadiny, ka tsy niteraka.
Niseho tamin-dravehivavy ny Anjelin’ny Tompo
ka nanao taminy hoe:

“Momba ianao izao, ka tsy manan-janaka,
nefa hanana anaka kosa ianao, ka hitera-dahy.
Ary ankehitriny mitandrema tsara,
fa aza misotro divay na lalikera mahery,
na mihinan-java-maloto,
fa hanana anaka ianao, ka hitera-dahy.
Tsy hokasihin-kareza ny lohany,
fa io zaza io no nazareanin’Andriamanitra hatrany am-bohoka;
ary izy no hanomboka hanafaka an’i Israely
amin’ny tanan’ny Filistinina.”

Dia nandeha nilaza tamin’ny lahy ravehivavy nanao hoe:

“Nisy olon’Andriamanitra tonga taty amiko;
tahaka ny Anjelin’Andriamanitra no fijery ny endriny,
endrika mahatahotra.
Tsy nanontany izay niaviany aho
ary izy tsy nampahalala ahy izay anarany;
fa izao no nolazainy tamiko:
Efa hanana anaka ianao, ka hitera-dahy,
koa ankehitriny aza misotro divay na lalikera mahery
na mihinan-java-maloto
fa ho nazareanin’Andriamanitra io zaza io
hatrany am-bohoka ka mandra-pahafatiny.”

Ary tera-dahy ravehivavy,
ka nataony hoe Samsôna no anarany.
Dia nitombo ny zaza, sady notahìn’ny Tompo.
Dia nanomboka nitaona azy ny fanahin’ny Tompo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 70, 3-4a. 5-6ab. 16-17

Ny vavako feno fiderana Anao tontolo andro.

Aoka Ianao ho vatolampy fialofako,
ho trano mafy mahavonjy!
Eny, Ianao no haram-bato
sy toera-mafy ho ahy, ry Andriamanitra ô!

Ianao no tokiko, ry Tompo Andriamanitra,
fanantenako hatry ny fahakeliko!
Hatrany am-bohoka, Ianao no heriko;
hatrany an-kibon’i neny, Ianao no mpiaro ahy.

Ny vavako mitanisa tontolo andro
ny fahamarinanao sy ny vonjinao.
Andriamanitra ô, mbola kely aho no nampianarinao,
ka hatrizao dia manambara ny asanao mahagaga.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry ilay Atsinanana fibaliakan’ny hazavana mandrakizay sy masoandron’ny fahamarinana, avia ary omeo an’ireo izay mandry ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana ny hazavana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 5-25)

Ambaran’ny Anjely Gabriely ny hahaterahan’i Joany Batista.

Tamin’ny andron’i Herôda, mpanjakan’i Jodea,
nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria,
isan’ny fianakavian’i Abià,
ary ny vadiny dia taranak’i Aarôna sy natao hoe Elizabeta.
Samy marina teo imason’Andriamanitra izy mivady,
sady nitondra tena tsy nanan-tsiny
tamin’ny didy sy ny tenin’ny Tompo rehetra.
Tsy nanan-janaka izy, fa momba i Elizabeta,
ary efa samy zokiolona ihany izy mivady.

Indray andro,
nony nanao ny raharahan’ny mpisorona teo anatrehan’Andriamanitra i Zakaria
araka ny anjaran’ny antokony,
dia voatendrin’ny loka araka ny fanaon’ny mpisorona
hiditra ao amin’ny tempolin’ny Tompo,
hanolotra ny emboka,
ary ny vahoaka rehetra dia tao alatrano no nivavaka,
tamin’ny ora fanolorana ny emboka.
Fa nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy,
nitsangana teo ankavanan’ny ôtely fanolorana ny emboka.
Taitra i Zakaria nony nahita azy ka raiki-tahotra.
Fa hoy ny Anjely taminy :

“Aza matahotra, ry Zakaria
fa efa nohenoina ny fangatahanao,
ka i Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao,
ary i Joany no hataonao anarany,
dia ho faly sy ho ravo ianao,
ary maro koa no ho faly amin’ny fahaterahany.
Fa ho lehibe eo imason’ny Tompo izy;
tsy hisotro divay na zava-mahamamo izy,
sady ho feno ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny,
maro amin’ny zanak’i Israely no hampodìny amin’ny Tompo Andriamanitra,
dia hialoha azy amin’ny fanahy,
sy ny herin’i Elia izy hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka
ary ny tsy manoa ho amin’ny fahendren’ny olo-marina,
hamboatra firenena voavonona ho an’ny Tompo.”

Dia hoy i Zakaria tamin’ny Anjely:

“Inona no hahafantarako izany?
fa izaho efa antitra, ary koa efa zokiolona ny vadiko.”

Namaly ny Anjely nanao taminy hoe:

“Izaho no Gabriely,
ilay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra,
ary nirahina aho hiteny aminao hampandre anao
izany teny mahafaly izany,
fa indro ho moana ianao,
ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan’izany,
noho ianao tsy nino ny teniko,
izay ho tanteraka amin’ny fotoan’androny.”

Niandry an’i Zakaria anefa ny olona
ka gaga noho izy naharitra ela tao anatin’ny tempoly;
kanjo nony nivoaka izy,
dia tsy nahay niteny taminy,
ka fantatry ny olona fa nahita fahitana tao anatin’ny tempoly izy,
dia baikon’ny moana no nitenenany taminy,
fa moana tokoa izy.
Ary nony tapitra ny androny amin’ny raharahany,
dia nody tany an-tranony izy.
Ary taorian’izany andro izany
dia nitoe-jaza i Elizabeta vadiny
ary niery dimy volana ka nanao hoe:

“Izao no nataon’ny Tompo tamiko,
tamin’ny andro nitsinjovany ahy
hahafa-tondromaso ahy amin’ny olona.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin'i Jeremia Mpaminany 23, 5-8

Hanangana Solofo marina ho an’i Davida Aho.

Indro avy ny andro, — teny marin’ny Tompo, —
hananganako ho an’i Davida Solofo marina;
hitondra tahaka ny mpanjaka, ho hendry,
hanao ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.
Amin’ny androny, i Jodà hovonjena;
i Israely handry fehizay;
ary izao no anarana hanononana Azy:

“Tompo - fahamarinantsika.”

Noho izany, indro avy ny andro, — teny marin’ny Tompo, —
izay tsy hanaovana intsony hoe:

“Velona ny Tompo,
izay nitondra ny zanak’i Israely
niakatra avy any amin’ny tany Ejipta”;

fa hoe:

“Velona ny Tompo, izay nitondra sy nampody
ny firenena taranak’i Israely,
avy any amin’ny tany Avaratra
sy ny tany rehetra nandroahako azy
Dia honina eo amin’ny taniny izy ireo.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 71, 2. 12-13. 18-19

Ny Rariny hamony amin’ny andron’ny Tompo.

Andriamanitry ny fahamarinana ô,
mba tolory ny andriana mpanapaka
sy ny zanak’andriana ho dimbiny
ny fahaiza-mitsara ara-drariny.

Izy hanafaka ny malahelo
mitoloko tsy manan-kanampy.
Ny mahantra sy ny ory hovonjeny
hotsimbininy hatrany ny osa.

Eny, hisaorana anie Andriamanitra!
Mahagaga ny asa nataony
ka hisaorana mandrakizay
izany Anarany tsy lefy laza.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry ilay Solofon’i Jese, fisehoan’ny fivondronan’ny vahoaka, avia hamonjy anay, aza maharitra ela intsony..

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 1, 18-24

I Jesoa dia naterak’i Maria, vadin’i Jôsefa zanak’i Davida.

Toy izao no nahaterahan’i Kristy:
i Maria reniny dia efa fofombadin’i Jôsefa;
fa raha mbola tsy niray trano izy ireo,
dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.
Ary i Jôsefa vadiny,
noho izy lehilahy marina sady tsy te-hanala baràka azy
dia nikasa hametraka azy mangingina.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy,
indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy,
ka nanao hoe:

“Ry Jôsefa, zanak’i Davida,
aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao,
fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,
ary hiteraka Zazalahy izy,
ka ny anarany hataonao hoe: Jesoa,
fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.”

Ary izany rehetra izany no tonga,
dia mba hahatanteraka
izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe:

“Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny anarany hatao hoe: Emanoela,
izany hoe: amintsika Andriamanitra.”

Ary rahefa nahatsiaro tamin’ny torimaso i Jôsefa,
dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy
ka nampakatra ny vadiny.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Fanisana 24, 2-7. 15-17a

Misy kintana hipoitra avy amin’i Jakôba.

Tamin’izany andro izany,
natopin’i Balaama ny masony,
dia nahita an’i Israely nitoby isam-pokony izy,
ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy,
ka nilaza ny lahateniny nanao hoe:

“Faminanian’i Balaama, zanak’i Beora;
faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony;
faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra,
izay mibanjina ny fahitana avy amin’ny Tsitoha,
izay lavo ka misokatra ny masony:
Endrey ity hatsaran’ny lainao, ry Jakôba!
Ary izato fonenanao, ry Israely!
Midadasika toa lohasaha,
tahaka ny zaridaina amoron’ny ony,
tahaka ny taretra nambolen’ny Tompo,
tahaka ny sedera amoron-drano!

Mitobaka ny rano amin’ny sisiny roa.
Ny taranany mitombo eo amoron’ny rano be dia be.
Ny mpanjakany misandratra ambonin’i Agaga,
ary ny fanjakany mandroso voninahitra.”

Dia nilaza ny lahateniny indray i Balaama, ka nanao hoe:

“Faminanian’i Baalama zanak’i Beora.
Faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony,
faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra,
izay mahalala ny fahaizan’ny Avo indrindra,
izay mibanjina ny fahitan’ny Tsitoha.
Izay lavo ka misokatra ny masony.
Hitako Izy, fa tsy toy ny ankehitriny;
tazako Izy fa tsy mba akaiky.
Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba,
tehim-panjaka iray mitsangana avy amin’i Israely.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 24, 4ab-5ab. 6-7bd. 8-9

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy.

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy!
Ny soritrao ampianaro ahy!
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo:
fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.

Tsarovy ny indrafo sy hatsaram-ponao,
izay efa hatramin’ny fahagola!
Ny otako fahazaza, ry Tompo,
hadinoy noho ny hatsaram-ponao!

Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ka ny mpanota toroany lalana;
ny ory tarihiny amin’ny hitsiny;
ny ory ampianariny ny lalany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ho avy ny Tompo, tsenao izy;
Izy no Mpanjakan’ny fiadanana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 23-27

Avy taiza ny batemin’i Joany ?

Tamin’izany andro izany,
rahefa tafiditra tao an-tempoly i Jesoa ka nampianatra tao,
dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe:

“Fahefana avy aiza no anaovanao izao?
ary iza no nahazoanao izany?”

Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Hanontaniako zavatra iray loha kosa ianareo;
ka raha voavalinareo izany
dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao.
Avy taiza moa ny batemin’i Joany?
avy tany an-danitra sa avy tamin’ny olona?”

Dia nieritreritra ireo ka nanao hoe:

“Raha ataontsika hoe: Avy tany an-danitra,
dia hovaliany hoe: Raha izany, nahoana no tsy nino azy ianareo?
Ary raha ataontsika hoe: Avy tamin’ny olona indray,
ny vahoaka kosa no atahorantsika,
fa ataon’izy rehetra ho mpaminany i Joany.”

Dia izao no navaliny an’i Jesoa:

“Tsy fantatray.”

Ary hoy Izy taminy:

“Izaho koa àry,
dia tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

  • Tapaka ny lalana eo Ifasy, lalam-pirenena faha-6, raha vao midina ny rano dia hiroso amin'ny fanamboarana ny orinasa COLAS...
  • Nihemotra ka hitohy hatramin'ny faha 4 desambra izao ny fangalana ny "ordonnance" ahafahana misoratra anarana anaty lisim-pifidianana...
  • Mangataka amin'ny fitondram-panjakàna hanafaingana ny famoahana ny didim-panjakàna fampiharana momba ny lalàna fototra mifehy ny fanabeazana ireo fiarahamonim-pirenena misehatra amin'ny fanabeana mampiaty...
  • Nanamafy ny antso hisian'ny fandriam-pahalemana any Proche-Orient ny Papa François ; miaina anaty krizy pôlitika efa am-bolana maro ny any Liban...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Sôfônia Mpaminany (Sôf. 3, 14-18e)

Haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao ny Tompo.

Mihobia, ry zanakavavin’i Siôna!
Manaova feo firavoravoana, ry Israely!
Mifalia sy mireharehà amin’ny fonao rehetra, ry zanakavavin’i Jerosalema.
Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’ny Tompo,
ny fahavalonao nentiny nihodivitra anao.
Ny Tompo, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao, ka tsy hahita loza intsony ianao.
Amin’izany andro izany, izao no holazaina amin’i Jerosalema:

“Aza matahotra, ry Siôna, ary aza miraviravy tanana!
Ny Tompo Andriamanitrao no eo aminao, Mpamonjy mahery!
Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao;
hangina Izy amin’ny fitiavany;
noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.
Hovorîko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 12, 2-3. 4bde. 5-6

Miantsoa mafy ary miravoravoa, fa lehibe eo afovoanao ilay Masin’i Israely.

Endrey! Andriamanitra no famonjena ahy:
tsy matahotra intsony aho fa matoky!
Eny, fa ny Tompo no hery sy tanjako,
Izy no famonjena ahy.

Am-piravoravoana ianareo no hanovo amin’ny loharanom-pamonjena,
ka izao no ho teninareo amin’izay andro izay:
Derao ny Tompo, antsoy ny Anarany torio ny vahoaka ny asany vaventy,
ny haavon’ny Anarany ambarao!

Antsao ny Tompo fa naneho fiamboniana:
ataovy antso avo izany eran-tany tontolo.
Mientàna, mihobia, ry mponina ao Siôna,
fa lehibe eo anivonao ny Masin’i Israely.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 4, 4-7)

Akaiky ny Tompo.

Ry kristianina havana, mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo;
eny, averiko indray: mifalia e!
aoka ho fantatry ny olona rehetra ny hamoram-panahinareo:
efa akaiky anie ny Tompo e!
Aza manahy na inona na inona;
fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana,
izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona.
Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie
ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 3, 10-18)

Inona àry no hataonay?

Tamin’izany andro izany, nanontanian’ny vahoaka i Joany nataony hoe:

“Inona àry no hataonay?”

Dia namaly izy ka nanao hoe:

“Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana;
ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa”.

Ary nisy poblikanina nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe:

“Inona no hataonay, ry mpampianatra ô?”

Dia hoy izy taminy:

“Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina alainareo”.

Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe:

“Ary izahay kosa, inona no mba hataonay?”

Dia hoy ny navaliny azy:

“Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana,
ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo”.

Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy,
dia niteny i Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe:

“Izaho manao batemy anareo amin’ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho,
ary tsy mendrika hanala ny fehikapany akory aho:
Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;
eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany,
ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra,
fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty”.

Fananarana maro hafa koa no nentiny nitory ny Evanjely tamin’ny olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

  • Tafaverina eto Madagasikara omaly alahady ireo varika miisa 16, ampahany tamin'ireo 48 nahondrana an-tsokosoko tany Thaïlande...
  • Misy mikasa haka ny tanin'ny mponina manodidina ny 200 hektara etsy amin'ny lemak'i Laniera...
  • Nandrombaka ny amboaran'i Afrika teo amin'ny taranja Basket-ball lalaovin'olona 3, ny ekipam-pirenena Malagasy Ankoay...
  • Maherin'ny 400 ireo olona namoy ny ainy tany Alep faritra avaratr'i Syrie vokatry ny asa fampihorohoroana natoan'ny mpihoko any an-toerana izay tohanan'i Turquie...

Mpivahiny isika, mila miantoraka amin'Andriamanitra tompon'ny lanitra sy ny tany. Tsy afaka misaraka ny fitiavantsika an'i Marie renin'Andriamanitra sy i Jesoa ilay tena Andriamanitra. Raha milaza fa tia ny zanany isika dia tokony hitia azy Marie Reny koa. Maro ny fanajana sy vavaka azo atao miaraka amin'u Masina Marie ; fa i Jesoa no tetezana mampifandray antsika amin'ny Ray... Katesizy momba ny vavaka miombona amin'i Masina Marie, iarahana amin'i P. Celestin Ravonjiarimalala.

  • Misy azo amboarina hifanaraka amin'ny filàn'ny vahoaka ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàana 2025 hoy ny firaisamonim-pirenena CCOC...
  • Nankasitraka ny fanapahan-kevitry ny Fanjakàna nanala ny fepetra nampiato ny sehatr'asan'ny orinasa Base-Toliara nanomboka ny taona 2019...
  • Tanterahana ao Fenoarivo-Atsinanana androany ny fanamarihana ny andiany faha-19 amin'ny androm-pirenena ho an'ny fanjariantsakafo, anombohana ihany koa ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny ONN...
  • Nomarihana omaly any andro iraisam-pirenena ho firaisan-kina amin'ny vahoaka palestiniana. Fankalazana fanao isan-taona nanomboka ny taona 1977...

 Ny lagaly dia aretina misy mandavan-taona, tao anatin'ny fotoana fohy izay dia mihamaro ny olona marariny. Ny lagaly dia aretin-koditra, ary mifindra, indrindra ho an'ireo manana hoditra marefo. Bibikely atao hoe "sarcopte" ny mitondra ny lagaly, izay miditra amin'ny maso-koditra. Ny fifampikasohana no mampifindra aza haingana, ny fitsaboana azy dia tsy maintsy atao amin'ny iray trano.  Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.

Alahady voalohany fiavian’ny tompo – taona D : ho avy i kristy amin’ny farandro ; Asehoy anay, ry Tompo ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao. Miditra amin'ny fotoanan'ny fiaviana isika izay fotoana mialoha ny fankalazana ny nahaterahan'i Jesoa Kristy, izany hoe afaka herinandro efatra. Mampalahelo fa ny fiverenan'i Jesoa kristy dia ampifandraisintsika amin'ny loza hitranga amin'ny fiafaran'izao tontolo izao, ny voalazan'ny Evanjely anefa nambara mba hankahery antsika sy hampifoha. Jesoa ilay ho avy no fahazavana lehibe, anefa tsy maintsy mivonona isika, amim-bavaka sy amim-pinoana...

  • Nolanian'ny solombavambahoaka alina tamin'ny endriny tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana ilay volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna 2025 ; solombavambahoaka 118 tamin'ny 119 nifidy no nandany izany...
  • Tsy ampy hoy ny firaisamonim-pirenena CCOC ny teti-bola natokana ho an'ny sôsialy ao amin'io volavolan-dalàna io. Nitaky ny hanaovana laharam-pahamehana ny fitsinjaram-pahefana ihany koa izy ireo tamin'ny fanambarana nataony omaly...
  • Mampiantrano ny fiadiana ny amboaran'i Afrika taona 2024 amin'ny taranja basket-ball 3x3, lahy sy vavy, i Madagasikara. Lalao iraisam-pirenena tanterahana eny amin'ny lapan'ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina eny Mahamasina hatramin'ny rahampitso. Nibata fandresena avokoa ny ekipa malagasy tamin'ny andro voalohany omaly...

Ny vavaka dia loharanon'ny fahamasinana sy ny asa fanirahana. ; hoy i Jesoa (Jn 15,5) " raha tsy Izaho dia tsy mahefa inona na inona ianareo". Amin'io toko faha 15 io Joany dia milaza mazava fa i Jesoa no Foto-boaloboka ary ny Rainy no mpamboly. Izy no loharano ipoiran'ny fiainana sy ny fitomboana ara-panahy ; izany no  mitory ny fifandraisan'ny Trinite Masina... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...