1 desambra 2024 — Alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Asehoy anay, ry Tompo ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 25-28. 34-36)
Ny 1 desambra dia andro maneran-tany hiadiana amin'ny VIH-SIDA, ka ny loha-hevitra entina hanamarihana izany eto Madagasikara dia : "Ndao homena lanja ny zon'olombelona". Manomboka ny 30 novambra ary mifarana ny 1 desambra ny fanamarihana izay hatao any Antsiranana. Na mitondra ny tsimok'aretina VIH-SIDA aza ny olona iray dia manana ny zony. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.
Ny fampianaran'ny apôstôly: mampatsiahy ny ezaka hihaino sy fampitana ny tenin'Andriamanitra izany, indrindra ny fampianaran'ny Apôstôly niainga tamin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ; fototra iray maneho fa i Kristy no ifotorana satria Izy no fahamarinan'Andriamanitra. Ny fizarana ny mofo no Eokaristia, ilay ahatsiarovana ny nahafatesan'i Kristy sy nitsanganany... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
Ny ray aman-dreny dia manana adidy hampita ny tantara amin'ny taranaka mba hamelona ny fanantenana ao anatin'ny tanora. Mivaona tanteraka ny iainan'ny mpitondra ankehitriny ny teny filamatry ny repoblikan'i Madagasikara. Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana ; ny fitiavana eto dia mirona amin'ny fitiavan-tena, fitiavam-bola sy voninahitra ary harena ; noho ireo dia fandrosoana miiba no misy ho an'ny Tanindrazana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Manana anjara asa lehibe ny Fanahy Masina ao amin'ny Vavaky ny Kristianina. Ny Papa François dia manazava fa manampy ny olombelona hivavaka ny Fanahy Masina, na dia tsy hay aza hoe hatao ahoana ny handrafetana ny vavaka fangatahana ataon'ny olombelona. Mpampianatra lehibe ao anatintsika amin'ny vavaka ny Fanahy Masina... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
Ny teknôlôjia dia misy lafiny tsara ho an'ny fanabeazana. Porofon'izany ny fananan'i Madagasikara, ankizivavy miisa telo solontena amin'ny fanehoana tanteta maneran-tany, mikasika ny fikirakirana teknôlôjia. Misy fifandraisany amin'ny zon'ny ankizy anefa ireny fahombiazana ireny. Misy 10isa ny zo fototra ho an'ny ankizy : zo hanana ankohonana, zo hanana anarana, zo hotsaboina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco