♦ Tsy maintsy faritana amin'ny alalan'ny didim-panjakàna ny fisitrahana tambin-karama sy tombontsoa ara-bola ho an'ny mpiasam-panjakàna rehetra hoy ny fampatsiahivana nataon'ny Fitsaràna momba ny kaonty... ♦ Nifarana ôfisialy omaly talata faran'ny volana marsa ny fitantanan'ny Ben'ny Tanàna teo aloha Harilala Ramanantsoa ny Kaominina Antananarivo-renivohitra... ♦ Niampy iray ny olona lavon'ny valan'aretina Mpox teto Madagasikara, lehilahy lehibe iray avy any Ambanja Faritra Diana io tsy natohitra ny aretina io ka lasa roa izany ireo maty hatramin'ny fotoana nisian'ny valan'aretina... ♦ Natokan'ny Papa Léon-XIV ho an'ny pretra mandalo fotoan-tsarotra ny vavaka volana avrily...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...