Tsy takona afenina toa ny tafika andrefan-tanana, araka ny fiteny, ny fiatraikan’ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny famokarana ataon’ny tantsaha eto amintsika. Misedra olana avokoa ny mpamokatra amin’ny faritra rehetra eto amin’ny nosy. Ny endrika isehoany no samihafa. Ny tsy fahampian’ny rano enti-mamokatra ao anatin’ny fotoana tena ilana izany, ampian’ny hafanana diso tafahoatra no itambaran’izy ireo.

Ho fanamarihana ny andro manerantany ho an'ny zokiolona, ny raibe sy ny renibe dia manana adidy isika mba hiahy sy haneho fitiavana ireo sokajin'olona ireo. Nanomboka tamin'ny taona 2021 no nisian'ity fanamarihana ity andro ho fanomezan-danja ireo zokiolona, ankalazaina isan-taona, ka alahady fahefatra amin'ny volana jolay no hanaovana azy. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka misahana ny fianakaviana, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Mitolona amin'Andriamanitra, endriky ny vavaka, hatramin'izay i Jakôba dia efa afaka niresaka tamin'Andriamanitra toy ny amin'ny namana sy ny olona akiaky. Indray alina dia nahatapa i Jakoba fa misy zavatra maro tsy voafehiny, tamin'io fotoana io no naverin'Andriamanitra amin'ny fahatsapany ny maha olona misy fetra azy izy, mety ho resy sy matahotra ary mitebiteby. Katesizy momba an'i Jakoba, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Tsy afaka misaraka ny safidy sy ny fitiavana. Ny safidy dia isan'ny fanomanana ny olom-pirenena. Ny olom-pirenena no fototra maha firenena ny firenena iray. Mijanona ho vahoaka fotsiny ny ankamaroan'ny olona +18 taona fa tsy tsy mahatsiaro tena mihitsy ho olom-pirenena. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Tamin'ny fotoana nifampitoloman'i Jakoba tamin'Andriamanitra dia izy irery no teo ; araka ny voalaza ao amin'ny Jenezy, tamin'iny alina iny ihany dia nitsangana i Jakoba : nalainy ny vadiny roa sy ny mpanompony roa vavy ary ny zanany 11 lahy, dia nita teo amin'ny fitàna an'i Jakoba izy... Ny vavaka dia tolona ary fandresen'ny olona manam-paharetana. Katesizy momba an'i Jakoba, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Ny tranga rehetra mifandraika amin'ny tsingerin'ny fadimbolana dia tokony ho fantatry ny vehivavy amin'ny ankapobeny. Ny ahafantarana fa hitsahatra ny fadimbolana : manomboka amin'ny faha-45 taona amin'ny ankapobeny, mihalava ny fiverenan'ny fadimbolana, mafana tampoka ilay vehivavy, marary andoha tampoka, vizaka tampoka, tsy taitra amin'ny firaisana ara-nofo intsony... Tsy aretina ny fitsaharan'ny fadimbolana fa toe-batana maha vavy. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

17 jolay 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-27)

16 jolay 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 20-24)

Voatery nandao ny tanindrazany i Jakoba noho ny fifandirana lava teo amin'ny sy ny rahalahiny, ary mba hakany vady any amin'ny tanindrazan-dreniny ; nahomby tamin'izay rehetra nataony izy. Azony ho vady ny zanak'i Labana na dia nanompoany an'ity farany 14 taona aza, mba ahazoana ho vady ny zanak'i Labana dia nampanaovin'io fanompoana fito taona izy, niampy fito taona hafa. Azon'i Jakoba avokoa ny vady sy ny harena... Katesizy momba an'i Jakoba, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Ny hasina amin'ny Malagasy dia ahatarafana fa mino ny Malagasy fa misy ny hery sy fahefana avy amin'Andriamanitra amin'ireo singa maro samihafa eto amin'ity nosy ity. Isan'ireo heverina fa manana ny hasina mampiavaka azy ny : rano, lanitra, biby, ny olombelona sy ny hasiny avy. Ny hasina dia hery ahafahana mandresy ny ratsy. Ny rano dia manana ny hasina ary azo adika ho aina izy io satria fototry ny niandohan'ny olombelona sy ny fahariana. Ny olona mitondra vohoka dia atao hoe "mitondra rano". Ny lanitra araka ny fahalalana azy dia fonenan'ny olomarina sy masina. Ny biby dia misy fifamatorana amin'ny olombelona ary izany dia mifamatotra aman-kasina ihany koa... 

15 jolay 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 34 — 11, 1)

14 jolay 2024 — Alahady Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Ataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 7-13)

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...