--- Andro manan-danja amin’ny tantaran’i Madagasikara ny datin’ny 29 Mars 1947, izay nisian’ny tabataba tao Moramanga, Manakara ary teto Antananarivo. Feno 79 taona ankehitriny iny hetsika nanoheran’ireo bekotro maro holatra ny fanjanahan-tany iny. Ambadiky ny 29 marsa 1947 an-daniny ny fitiavan-tanindrazana nataon’ireo ankamaroany, fa ambadika koa tetsy an-kilany ny famadihana tanindrazana nataon’ireo sasany nila ranondranony tamin’ny voanjo. ny fanamarihana ny hetsika nanoherana ny fanandevozana tamin’ireo mpanjanatany. Raha ny ara-tantara dia naherin’ny 2 hetsy ireo Malagasy namoy ny ainy teo anelanelan’ny 29 Mars 1947 hatramin’ny volana Novambra 1948...

Nandritra ny fotoana nipoahan’ny fikomiana nataon’ny Malagasy nitaky fahafahana sy fahaleovan-tena, dia nisy ny fandraisana anjara avy amin’ny tantsaha, ny tanora, ny olom-pirenena tsotra, saingy novalian’ny tafika frantsay tamin’ny herisetra mahery vaika izany. Nisy ireo nohelohina ho faty, tao ireo notifirina, teo koa ireo nalefa sesitany toa an-dry Raseta Joseph, Ravoahangy Joseph, Tata Max sns... Tao koa anefa ireo novotsorana taty aoriana.

Loha-hevitra noraisin’ny mpitondra, ho fanamarihana ny tolom-panafahana 1947, tamin’ity taona ity ny hoe : « Tolom-panafahana : fanavaozana ny fitiavan-tanindrazana ». 79 aty aoriana mbola maro ireo mametra-panotaniana hoe tena azontsika ve ny fahafahana sa mbola misaritsari-pahafahana ny firenena hatramin’izao ? Toa samy mandeha samy mitady mantsy ny fiainan-dramalagasy ankehitriny fa tsy hita taratra intsony izay fiombonana handresy ny fahavalony izay. Vao mainka manome vahana ny mpanjanaka mantsy izany. Dia ho gaga ve isika raha mahita hatramin’izao fa mbola mifikitra amin’ny fanjanahan-tany amin’ny endriny vaovao i Lafrantsa ? Toa tsy tsapan’ny Malagasy fa mbola voazanaka ara-toe-karena sy ara-politika izy. Tsy ny basy aman-tafondro intsony koa mantsy no miasa, fa ny fampiasana ny lalàna sy ny rafi-pitsarana, raha tsy hilaza miara mahita isika ireo Malagasy very fananana fa bodoin’ny voanjo mpanam-bola ny tanindrazana izay nohajariana sy nolovaina tamin’ireo ray aman-dreny am-polo taonany maro.

Maro lafy ireo hetsi-pitakiana niseho teto Madagasikara taorian’ny tabataba 1947, izay nametrahana tanjona hiadiana hoan’ny fiainana tsaratsara kokoa, saingy toa tsy hita taratra mandraka ankehitriny ny vidin’ireo rà latsaka teto amin’ny firenena. Mivoana amin’ny tokony ho izy aza ny zava-misy satria zary lasa ataon’ireo mitady tombotsoa manokana fitadiavan-tseza ahazoana fahefana tsy ho refesi-mandidy ny tolona natao. Tsy ela akory fa ny tolona nataon’ireo tanora farany teo ny volana Oktobra 2025 teto amin’ny firenena, dia lasa hampiasaina hanaovana takalon’aina ny mpitondra hitakiana toerana sy seza.

Tsy maintsy fahefana ve ny sandan’ny fitolomana nambara ho fitiavan-tanindrazana ? Tsy afaka mitondra ny anjara biriky hoan’ny fampandrosoana sy ny fanampiana ny mpiara-belona ve raha tsy mahazo seza sy voninahitra ? Dia ho sanatria ve ho very momoka toy ny sira latsaka an-tany ny ran’ireo mahery fo niady sy nitolona hoan’ny fahaleovan-tenam-pirenena 79 taona lasa izay ? Mila miverina andoha-rano ny Malagasy milaza ho tia ny tanindrazany. Maneho firaisankina sy firaisam-po, ka tsy handrarak’ilo mby an-doha ny ady nataon’ireo mahery fo tia tanindrazana tamin’ny taona 1947. Arofanina heverina fa mety hahatafita ny afon’ny fitiavan-tanindrazana ny fametrahana any ambadika ny fitiavan-tseza sy voninahitra ary fahefana

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...