♦ Nahitsy ny Filohan'ny CAF teo aloha sady Filohan'ny FMF teo aloha, Ahmad, nilaza fa kisendrasendra raha handeha ny baolina kitra malagasy, amin'izao endriny misy ankehitriny izao... ♦ Mangataka ny fampitsaharana ny asa fanamboaran-dàlana miainga eny Andranotapahana mankety Ivato, ireo manana tany voakasik'izany. Mbola minia manohy ny asa hatrany ny orinasa ankehitriny na dia efa eny amin'ny Filankevi-panjakana aza ny raharaha... ♦ Nitondra fandaminana vaovao amin'ny tsena ao Analakely indray ny mpitantana ny Kaominina ankehitriny. Hafindra toerana ary hoferana ny fotoana hivarotan'ireo mpivarotra amoron-dàlana...

♦ Nandao tanteraka ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena, Ramatoa Razanamahasoa Christine, ao anatin'izao famaramparanana ny fe-potoam-piasan'ny Solombavam-bahoaka izao... ♦ Mbola mihisatra ny ady amin'ny kolikoly eto Madagasikara, hoy ny Filohan'ny Kômity Mitandro ny Fahitsiana, na ny CSI... ♦ Mbola misy fanantenana kely ny hahafahan'ny Barea milalao amin'ny kianja eny Mahamasina amin'ny volana jona, hoy ny mpamakafaka baolina kitra, Fenosoa Razafimamonjy...

Misedra olana ny tantsaha manamorona ny tandavan'ala Angavo anatin'ny faritry ny kaominina Antaniditra sy ny Kaominina Analasoa ao amin'ny distrikan'i Moramanga. Mangataka ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy hampiato ny fambolen-kazo any anatin'ny tany fiveloman'ireo tantsaha ireo ny Pretra sy ny mpikamban'ny Birao mpandrindra ny Justice et Paix ao amin'ny Distrika misionera Amboasary-Gara, Diôsezy Moramanga...

Ao anatin'ny vatana tomady no misy ny saina matsilo. Misy ny mari-drefy ara-pahasalamana manamarina ny fahasalaman'ny vatana toy ny tahan'ny tosi-dra [8-12], eo koa ohatra ny lanja ara-pahasalamana na ny IMC [18,5 - 25], eo ihany anefa ny fitiliana. Rehefa manana vatana salama ny vahoaka dia mandroso ny firenena. Misy toetra azo anamarihana ny hoe manana saina matsilo : tia karokaroka, afaka miaina ny zavatra misy, fahafahana mipetraka amin'ny toeran'ny hafa... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny fisafidianana vady? sahirana ny tanora, maro ireo olona hisafidianana. Ohatra fanta-daza ny ao amin'ny Jenezy 24 : Nanomboka tamin'i Abrahama, rain'i Isaaka, izay nitady vady ho an'ny zanany. Tsy maintsy tanterahina ve io tolo-kevitra aroso ao amin'ny Jenezy 24 io izany hoe ny ray no misafidy izay ho vadin' ny zanany. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

♦ Namindra fahefana tamin'ny Filoha mpisolo toeran'ny Antenimeram-pirenena androany, Ramatoa Christine Razanamahasoa. Tandrovy mafy ny fahamarinana na hihatra aman'aina aza, hoy izy... ♦ Tsy manaiky ny hanaovana ho fitaovana pôlitika ny tontolon'ny fampianarana, ny Sendikàn'ny mpiasa eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Nanao fanambarana teny Ambohijatovo izy ireo androany... ♦ Hahazo mpitantana vaovao ny orinasa JIRAMA amin'ny volana mey izao. Manam-pahaizana avy atsy Rwanda no nambaran'ny Filoham-pirenena fa hitantana ny Jiro sy Rano Malagasy...

♦ Lesoka mila herenina ho an'ny mpiasam-panjakàna ny tsy fanajàna ny toerana hanatanterahana ny asa hoy ny sendikàn'ny mpiasa mpandraharaha sy teknisiana eny amin'ny Oniversite an'Antananarivo na ny SPATUT... ♦ Miantso ny kandidà amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao hanaja ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra ny CENI... ♦ Mangataka ny hanokafana orinasa manodina menaka amin'ny alalan'ilay tetik'asa Taninketsa Indostrialy ny mponina sy ny mpandraharaha ao Belo ambonin'i Tsiribihina, distrika mamokatra voanjo 500 taonina isan-taona... ♦ Hanefa ny adidiny hifidy izay ho solombavambahoaka ny vahoaka indiana manomboka rahampitso...

Ny fanantenana dia ilaina eo amin'ny fiainana mba hisian'ny fivoarana. Ny fanantenana dia mametraka tanjona mandrakariva, koa manàna àry fanantenana eo amin'ny fiainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Notanterahana omaly tany amin'ny OVEC manerana ny nosy ny antsapaka ho an'ny laharan'ny kandidà ao amin'ny bilta tokana amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny volana mey ho avy izao... ♦ Notanterahana tany Toamasina ny filan-kevitry ny ministra, ivelan'Antananarivo. Any Antsiranana indray no hanaovana ny filan-kevitry ny ministra mitety faritra manaraka... ♦ Nanomboka nanohy ny asa fanamboarana ny lalana miainga eny Andranotapahana mihazo an'Ivato indray ny orinasa nahazo fifanarahana amin'ny Fanjakàna hanao izany asa izany... ♦ Namoaka sazy vaovao ho an'i Iran noho ny fanafihana nataony tany Israël ny eo anivon'ny vondrona eraopeana...

Ny fitiavana no "lalana tsara indrindra" (1 Korintiana 12 : 31) mitondra amin'ny fahalavorariana sy ny fahamasinana. "Ny fitiavana mahari-po sady be hatsaram-panahy (1 Korintiana 13: 4). Tsy lavo na ho potika amin'ny faharetana sy ny hatsaram-panahy ny olombelona. Arakaraka ny hitomboan'ny fitiavantsika no hianarantsika hanome sy hanokana ny tenantsika ho an'ny hafa. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

♦ Tontosa androany tany amin'ireo OVEC manerana ny Distrika eto Madagasikara, ny fanaovana ny ankitsapaka handaharana ny laharan'ny kandidà ao amin'ny biletà tokana, amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ny 29 mey 2024... ♦ Nahazo fahafahana ireo olona enina tamin'ireo olona sivy nosamborina noho ny fanoherana ny fizarana tsy ara-drariny ny tany ao amin'ny lemaka Bas-Mangoky... ♦ Efa manomboka mahazo vahana eto amintsika ny fitsaboana ampitain-davitra, na ny “télé-médecine”...

♦ Maro tamin'ireo ratsa-mangaikan'ny CENI teny anivon'ny distrika manerana ny nosy no efa nahavita ny hatsapaka izay mamaritra ny filaharan'ny kandidà anatin'ny bileta tokana, ny tapany maraina teo... ♦ Ministeran'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa : Tanora miisa 150 ao amin'ny Faritra Vakinankaratra no hisitraka fanofanana faobe amin'ny famokarana akora mifototra amin'ny simenitra... ♦ Ministeran'ny foloalindahy : Handray zazavao miisa 2.000 isa, misokatra ny fandraisana ny antotantaratasy ho an'ireo izay liana, izay hifarana ny talata 30 aprily izao... ♦ Niantso ny kristiana sy ny olona tsara sitra-po any Burundi ny fivondronamben'ny Eveka any an-toerana mba hamelona ny ezaka hametraka fandriam-pahalemana...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...