Manasitrana antsika ny vavaka tahaka an'i Bartime sy ireo marary maro hafa sitrana. Ny fandinihana kristianina dia mitondra antsika amin'ny resadresaka amin'i Jesoa. Ny fandinihana dia firosoana hihaonana amin'Andriamanitra. Maro no nilaza fa asan'ny fo ary famolavolana ny fo ny vavaka. Ny fandinihana dia maka andalan-tSoratra Masina iray ho entina mandini-tena, hakana voka-tsoa ara-panahy. Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...