Alahady faha-28 mandavantaona - B : Mety hisakana tsy ho tafiditra any an-dranitra ny harena ; Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Ny fahendrena sy ny fahalalana dia tsy miara-teraka amin'ny olona, fanomezana avy amin'Andriamanitra ireny, ka omeny izay rehetra mangataka aminy, indrindra ireo miraikipo aminy amin'ny alalan'ny vavaka. Ny fahendrena sy ny fahalalana dia mifanohitra amin'ny havonavona sy ny fiheboheboina, ny fitiavan-tena sy ny fifikirana amin'ny harenin-tany. Ny toetra manokan'ny fahendrena dia izy mandrakizay izay tsy mety maty...

♦ Tafapetraka eny amin'ny ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahantena eny Ankorondrano ny Ivon-toerana natokana ho an'ny tanora. Nentina nanamarihana ny andro manerantany ho an'ny vehivavy omaly ny fanokafana azy io... ♦ Tsy mametraka olana amin'ilay naoty navoakan'ny ministera izay mandrara ny mpitsara tsy handray olona manan-draharaha eny anivon'ny fitsarana ny SMM... ♦ Manamafy ny fiaraha-miasany amin'ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ny Orange-Money sy ny ny Banky SG... ♦ Miaramila 2 teratany Srilankais avy amin'ny Funil, tafika misatro-mangan'ny firenena mikambana no naratra omaly, vokatry ny tifitra nataon'ny tafika Israeliana...

♦ Nisaraka ady sahala, iray no iray, ny Barea sy ny ekipam-pirenena Gambiana, tany amin'ny kianja Labri Zaouili, Casablanca Maroc. Lalao fifanintsanana handraisana anjara amin'ny CAN 2025... ♦ Manamafy ny fiaraha-miasany amin'ny fanomezana fahafahampo ny mpanjifa ny Orange Money sy ny banky Société Générale eto Madagasikara... ♦ Ny anjara andraikitry ny sehatra tsy miankina amin'ny ady amin'ny kolikoly no lohahevitra tamin'ny loabary an-dasy tetsy amin'ny foiben'ny Bianco androany...

♦ Nanetriketrika ny fitsenana an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, tamin'ny alarobia 9 ôktôbra 2024... ♦ Pretra roa sy Diakra iray avy amin'ny fikambanana Frères Mineurs Capucins no nohamasinina tamin'ny alahady 6 ôktôbra 2024, tany Befandriana Nord, Diôsezin'Ambanja... ♦ Ny Fanahy Masina no miantoka ny maha maneran-tany sy maha iray ny Eglizy, hoy ny Papa François, nandritra ny Audience générale, ny alarobia 9 ôktôbra 2024...

♦ Antoky ny fiakaran'ny lanjan'ny toekarena malagasy ny fisian'ny fitoniana ara-pôlitika, hoy ny Masoivoho britanika vaovao miasa eto Madagasikara, nandritra ny fihaonany tamin'ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Vintana farany hahafahan'ny Barean'i Madagasikara hiady ny tapakila hiatrehana ny fifanintsanana CAN 2025, ny lalao hihaonana amin'i Gambie... ♦ Efatra isan-taona eo ny herisetra na fanararaotana mianjady amin'ny mpanao gazety, eo am-panatanterahana ny asany, raha ny tatitra voarain'ny OJM...

♦ Efa any amin'ny Diôsezin'Ambatondrazaka i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, izay voatendry ho Evekan'Ambatondrazaka... ♦ Navaozina ny kiôska momba ny torohay ara-pitsarana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo... ♦ Manome tanana amin'ny famatsian-drano ao Toamasina amin'ny alalan'ny JICA i Japon...

♦ Nanetriketrika ny fitsenana ny Eveka vaovaon'ny Diôsezin'Ambatondrazaka omaly. Tomefy olona tany Vohidiala, toerana nandraisana azy voalohany... ♦ Napetraka ny “Centre de Commandement Opérationnel”, handrindra ny asa famatsiana rano ho an'Antananarivo. Hifarimbona ao anatin'izany ny Governemanta manontolo... ♦ Najoro ny sampana miaro ny mpanao gazety eto Madagasikara. Natao izany ho fiarovana azy ireo amin'ny teritery sy ny herisetra samihafa amin'ny fanatanterahana ny asany...

♦ Tsy mametraka olana amin'ny fanokafana n lisi-pifidianana amin'ny alalan'ny didy avy amin'ny Fitsaràna Ramatoa Raharivololoniaina Ninah, kandidà ho ben'ny tanàna mifaninana ao amin'ny kaominina Ivato ato amin'ny Distrika Ambohidratrimo... ♦ Hovitaina amin'ny volana jona amin'ny taona ho avy ny asa rehetra amin'ny tetik'asa Lac Iarivo. Tetik'asa fanomezana foto-drafitr'asa ho an'ny daholobe ho an'ny ao amin'ny Koaminina Antananarivo renivohitra. Voakasika ny lalana 8km mampitohy ny ety Ivato hatreo amin'ny sampanana Tsarasaotra... ♦ Miaina delestazy ny ao amin'ny Distrika Ikalamavony Faritra Matsiatra-Ambony. Manao antso avo amin'ny tompon'andraikitra hijery akaiky ny olan'izy ireo ny solombavambahoaka Pety Rakotoniaina...

Manoloana ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina dia tokony hamantatra tsara ny safidiny ny olom-pirenena rehetra, izay manan-jo hifidy. Ny fitiavan-tanindrazana dia safidy, porofon'izany ny safidin'ireo vahiny manana finiavana hampandroso ity firenena ity. Teny filamatra tsara tadidiana ny hoe : Fandrosoana - Filaminana - Fifanajàna. Tsy tokony hiandry fananan'andraikitra vao haneho fitiavan-tanindrazana, tsy tokony hifidianana sehatra ihany koa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Samy nahavita ny antsapaka amin'ny laharan'ireo kandidà ben'ny tanàna ao amin'ny bileta tokana ireo OVEC manerana ny nosy omaly. 50 mahery ireo kandidà mirotsaka ao Toamasina-I sy Toamasina-II, raha toa Ka maherin'ny 200 kosa izany ho an'ny ato amin'ny Distrika Ambohidratrimo... ♦ Nandroso hevitra hamahàna maika ny olan'ny rano ao an-drenivohitra ny filohan'ny repoblika nandritra ny filan-kevitry ny ministra. Havondrona avokoa ireo fiarabe afaka mitatitra rano hamatsiana ny tanàna misedra olana... ♦ Anjaran'ireo tompon'andraikitra misahana ny ady amin'ny kolikoly any amin'ny ministera samihafa no nanolotra ny heviny amin'ny fanavaozana ny paik'adim-pirenena vaovao hiadiana amin'ny kolikoly...

♦ Tontosa androany manerana ny OVEC 120, any amin'ny Distrika eto Madagasikara ny fanaovana ny antsapaka ny laharan'ireo kandidà ho Ben'ny Tanàna ao amin'ny bileta tokana, amin'ny fifidianana ny 11 desambra 2024... ♦ Anjaran'ireo tompon'andraikitra any amin'ny minisitera samihafa indray androany, no naneho ny heviny momba ny pôlitika anatiny amin'ny ady amin'ny kolikoly... ♦ Nankalazaina androany ny andro maneran-tany ho an'ny Paositra. Mivoatra sy manaraka ny toetr'andro ny Paositra Malagasy...

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 4, 7-16)

I Kristy no loha izay iankinan’ny tena manontolo.

Ry kristianina havana,
samy manana ny ambaratongany ny fahasoavana nomen’i Kristy antsika tsirairay avy.
Izany no anaovan’ny Soratra Masina hoe:

“Niakatra any ambony Izy, nitondra olona maro ho babo,
ary nanome fanomezana maro ho an’ny olona.”

Inona no ilazana hoe niakatra Izy,
afa-tsy noho Izy efa nidina ho any ambanin’ny tany koa?
Ary tsy iza Ilay nidina fa Ilay niakatra any ambonin’ny Lanitra rehetra ihany,
mba hamenoany ny zavatra rehetra.
Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho Evanjelista,
ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin’ny fandavorariana ny olona masina,
dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy,
mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra,
sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’i Kristy;
dia tsy ho zaza intsony isika,
ka tsy ho azon’ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy,
tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan’ny olona ho amin’ny hevi-diso;
fa hanaraka ny marina amin’ny fitiavana,
ka hitombo hatrany hatrany amin’ny zavatra rehetra, amin’ny firaisana amin’ny Loha dia i Kristy,
Izy no iankinan’ny tena manontolo,
ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany,
samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy,
ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin’ny fitiavana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 121, 1-2. 3-4a. 4b-5

Faly aho nilazana hoe: Andao ho any an-tranon’ny Tompo.

Hafaliana no nanenika ny tenako rehetra.
Nilazana fa hizotra ho any an-tranon’Izy Tompo.
Indro tonga soa ’zahay, tapitr’eto re ny dia.
Eto am-bavahadinao, ry Siôna tsara rindra.

Ao no miakatra ireo foko, dia ny fokon’Izy Tompo.
Ao ny Anaran’Izy Tompo ho derain’i Israely.
Fiketraham-pitsarana no mijoro anatiny ao,
ary miorina ao anivony ao ny tranon’i Davida.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 1-9)

Raha tsy mibebaka ianareo dia ho very tahaka azy koa ianareo rehetra.

Tamin’izany andro izany,
nisy olona sasany tonga nilaza tamin’i Jesoa ny nanjo an’ireo Galileanina
fa nalatsak’i Pilaty niaraka tamin’ny soron’izy ireo ny rany.
Ary novaliany hoe:

“Moa ataonareo fa ireny Galileanina ireny
dia mpanota mihoatra noho ny Galileanina rehetra matoa nozoin-doza toy izany?
Tsia hoy Aho aminareo;
fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra.
Na moa ataonareo fa ny olona valo ambin’ny folo maty nianjeran’ny tilikambon’i Silôe
no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema?
Tsia, hoy Aho aminareo;
fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra.”

Dia nanao ity fanoharana ity Izy:

“Nisy lehilahy anankiray nanana aviavy nambolena tamin’ny tanim-boalobony,
dia nankeo aminy mba hitady voa fa tsy nahita.
Dia hoy izy tamin’ny mpiasa ny tanim-boalobony:
‘Indro efa telo taona izay no tonga mitady voa amin’ity aviavy ity aho,
nefa tsy mahita;
koa kapao io, fa nahoana no manimba ny tany foana eo?’
Ary hoy ny mpiasa namaly azy:
‘Aoka re ho eo ihany izy amin’ity taona ity, tompoko,
dia hohevoiko ny fotony sady hasiako zezika;
angamba hamoa izy, fa raha tsy izany dia hokapainao ihany izy.’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...