• Noraisina tao anatin'ny katedraly Fo Masin'i Jesoa tao Farafangana androany tolak'andro ny Eveka vaovaon'ity Diôsezy ity, izay apetraka amin'ny toerany, araka ny fomban'ny Eglizy ny alahady izao...
  • Mangataka ny hamelàna malalaka ny vahoaka haneho hevitra eny amin'ny kianjan'ny faha-13 mey, Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko, raha nandray fitenenana teny Bel Air androany...
  • Mandrahona ny hanao hetsika fitakiana lehibe ny mpiasa Malagasy mivondrona ao amin'ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa, manoloana ny tsy fisian'ny fisondrotan-karaman'ny mpiasam-panjakàna, efa 3 taona izao...
  • Nandefa taratasy telegrama maneho ny fiaraha-mihorina any amin'ny Arsevekan'i Nouvelle Orléans tamin'ny nafahatesana olona 15 tany an-toerana ny Papa François...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...