• Manasa ny kristianina hanao pelerinazy any Roma ny Papa François amin'ity taona 2025 ity. ho an'ireo izay tsy afaka hoy ny Nonce Apostolique Mgr Tomasz Grysa dia misy ny lamina efa napetraky ny fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara hanaovana izay pelerinazy izay eto Madagasikara, hatao any amin'ny Diôsezin'i Miarinarivo...
  • Tsy nitsahatra namaha ny olana sy nitondra vahaolana momba izany ny mpitondra niatrehana ireo sedra nolalovan'ny tsirairay sy ny firenena hoy ny filoham-pirenena. Taona hametrahana fanamby goavana ity taona 2025 ity...
  • Taona nahitana fahasahiranana sy fangirifiriana ary fijaliana iny taona 2024 iny hoy ny filohan'ny Antoko TIM, Ravalomanana Marc. Miaina amin'ny tahotra sy ny tsy fahamarinana ny Malagasy hoy izy...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...