• Hiditra an-tanety eo amin'ny Distrikan'i Vohemar na ao Antsiranana-II ilay rivo-doza atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana DIKELEDI anio hariva. Tany amin'ny 275 km atsinanana somary avaratra-atsinanan'i Vohemar no nisy ny foibeny tamin'ny 5 ora maraina teo...
  • Lôjika hoy ny KMF/Cnoe raha misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ny mpanao pôlitika momba ny didy navoakan'ny Fitsaràna nahafahana niditra tao amin'ny lisitry ny mpifidy (Ordonnance). Samy manana ny famakiana ny lalàna misy eto amintsika izy ireo...
  • Norobain'ny jiolahy miisa 3 nirongo basy , omaly tamin'ny 1 ora tolak'andro, ny tranom-barotra iray tao amin'ny tsenan'Ankirihiry-Toamasina...
  • Miantso ny kristianina katôlika hankahery an'ireo niharan-doza noho ny firehetan'ny tanàna ny Arsevek ao Los Angels ; 11 no maty vokatr'ity loza ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...