Loza mitatao ho an'ny fambolem-bary eto Madagasikara ny aretim-bary ateraky ny bakteria ka mila ny fiaraha-mientan'ny mpisehatra rehetra ny ady atao aminy. Miparitaka amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy ankehitriny ny aretina malazo ravina na ny BLB sy ny aretina tsipika amin'ny ravina na ny BRS raha toa ka ny volana desambra 2019 no nahitan'ny mpikaroka voalohny azy teto Madagasikara.
♦ Hotanterahana any amin'ny Diôsezin'Antsiranana amin'ny volana aogositra ho avy izao ny hetsika ara-panahy "Kongresy Eokaristika Nasiônaly sy ny Fihaonamben'ny AFAFI FET". Hisy ny fiomanam-panahy hiatrehana izany hoy ireo tompon'andraikitra... ♦ Manolotra ny fandaharan'asa hanatanterahana ny politika ankapoben'ny Fanjakàna eny amin'ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza ny Praiministra Lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian... ♦ Mikaikaika ny vahoaka manoloana ny fizakàna ny zo amin'ny fananan-tany hoy ny filohan'ny repoblika. Hiato mandritra ny 90 andro ny fangatahana tanim-panjakàna rehetra. Hisy ny lamina apetraka hisorohana ny fanodikodinana amin'ny endriny samihafa...
Tsara ary ilaina ny mamboly hazo. Tokony atao ny fambolen-kazo izay tokony hanaraka ny fenitra ara-teknika mba hampahomby sy hatratrarana ny tanjona. Anjara biriky ny tsirairay amin'ny fikajiana ny tranobe iombonana ny fambolen-kazo. Ilaina ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin'ny fanjohina ny fambolen-kazo natao, ahafantarana ny vokatra azo. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Bokin’i Jôba (Jôb. 7, 1-4. 6-7)
Tamin’izany andro izany, niteny i Jôba nanao hoe:
“Andro fanompoana, ny fiainan’ny olona eto an-tany,
ary toy ny an’ny mpikarama ny androny.
Toy ny mpanompo maniry alokaloka,
toy ny mpikarama miandry ny karamany,
mova tsy izany aho nanana izay anjara volana mampahory,
sy nanana izay anjara volana mampijaly.
Fa nony handry aho manao hoe:‘Rahoviana aho no hifoha?
Rahoviana ny alina no ho tapitra?’Dia mandry an-driran’antsy foana eo aho,
mandra-pahazavan’ny andro.
Mihelina faingana toy ny famahanan-tenona ny androko, dia lany:
tsy misy fanantenana intsony!
Andriamanitra ô!
tsarovy fa fofona kely foana ny aiko!
ka tsy hahita fiadanana intsony ny masoko”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 146, 1-2. 3-4. 5-6
Derao ny Tompo fa tsara,
antsao ny Andriamanitsika fa mamy:
ary fiderana voakaly no tena mendrika Azy:
Izy ilay manorina an’i Jerosalema,
manangona ny tafaely amin’i Israely.
Mitsabo ny fanahy torotoro,
manasitrana ny fo maratra,
Ilay manisa tsirairay ny kintana
sy miantso azy amin’ny anarany avy.
Tompontsika lehibe sy mahery,
Ilay tsy misy fetra ny fahalalany,
Izy Tompo manandratra ny ory,
fa ny olon-dratsy adabony aman-tany.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 9, 16-19. 22-23)
Ry kristianina havana,
raha mitory ny Evanjely aho,
dia tsy mba izany no voninahitro,
fa adidy tsy maintsy efaiko izany,
ka mila loza aho raha tsy mitory ny Evanjely.
Raha safidim-poko fotsiny no anaovako izany,
dia hoe mendri-baly aho;
fa didy no anaovako azy,
ka dia adidy napetraka hiandraiketako izany.
Inona àry ny valisoa azoko?
Izao ihany: mitory ny Evanjely aho,
ary mitory azy maimaim-poana,
fa tsy mampiasa ny fahefana ananako avy amin’ny Evanjely.
Eny, na dia olona afaka aza aho,
ka tsy mpanompon’iza na iza akory,
dia nilatsaka ho mpanompon’ny olona rehetra kosa,
mba hahazoako olona maromaro kokoa.
Tamin’ny malemy aho, dia hoatra ny malemy,
mba hahazoako ny malemy.
Eny, tonga toa azy rehetra tamin’ny olona rehetra aho,
mba hamonjeko azy rehetra.
Ary noho ny Evanjely no nanaovako izany rehetra izany,
mba hananako anjara aminy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 29-39)
Tamin’izany andro izany,
raha nivoaka avy tao amin’ny Sinagôga i Jesoa sy i Jakôba ary i Joany,
dia nankany an-tranon’i Simôna sy i Andre.
Ary ny rafozambavin’i Simôna nandry teo am-pandriana fa nanavy,
ka noresahin’izy ireo taminy niaraka tamin’izay.
Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy,
dia afaka ny tazony ka nanompo Azy izy.
Nony hariva efa maty masoandro,
dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon’ny demony,
ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa.
Dia nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy,
sady nandroaka demony maro,
fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra Azy.
Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy,
dia nivoaka nankany amin’ny tany mangingina, ka nivavaka tany.
Dia lasa nitady Azy i Simôna sy ny namany,
ka nony nahita Azy dia nilaza taminy hoe:
“Tadiavin’ny olona rehetra Ianao”.
Fa izao no navaliny:
“Andeha isika hankany amin’ny tanàna akaiky,
mba hitoriako any koa; fa izany no nivoahako”.
Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagôgan’ny olona
sy eran’i Galilea rehetra,
sady nandroaka ny demony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nankalaza ny fetin'i Masindahy Joany Bosco ny Fiangonana omaly faha-31 janoary. Sorona Masina notarihan'ny Arsevekan'Antananarivo Mgr Raoelison Jean de Dieu no nanehoan'ny fikambanana saleziana izany teny Ivato... ♦ Telo no maty, dimy naratra mafy, izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana an-dalamby niseho tao Sahasinaky Fenomby. Fiaran-dalamby niainga tao Manakara saika hihazo an'i Fianarantsoa... ♦ Hanolotra ny fandaharan'asany hanatanterahana ny pôlitika ankapoben'ny Fanjakàna eny amin'ny antenimieram-pirenena, anio maraina ny Praiministra lehiben'ny Governemanta, araka ny voalazan'ny andininy faha-99 ao amin'ny Lalam-panorenan'ny Repoblika fahaefatra...
Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny Zokiolona , ho an'ny fianakaviana, ho an'ny fiaraha-monina, ho an'ny Eglizy. Mila fanomezam-boninahitra amin'ny fiainana manontolo ny zokiolona, zava-dehibe ho an'ny fiaraha-monina izy ireny. Ny fanabeazana avy amin'ny zokiolona dia zava-dehibe, manamafy izany ilay fahendrena hoe : zaro amin'ny lalana tokony halehany ny zaza fa na efa lehibe aza izy tsy hiala amin'izany. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
Voajanahary eo amintsika olombelona ny tsara noho izany dia voajanahary eo amintsika ihany koa ny fahalalana ny ratsy. Mahafatatra isika fa ny mandainga dia ratsy. Ny fifandraisana eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka dia hampiarana io fahaizana mamakafaka io. Ny feon'ny fieritreretana dia feon'Andriamanitra koa taovina rehefa voafakafaka ireny. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
♦ Namoaka ny isa azo sy laharana misy an'ireo firenena eran-tany momba ny ady atao amin'ny kolikoly ny Transparency International. Any amin'ny laharana faha-145 amin'ny firenena 180 no misy an'i Madagasikara... ♦ Mbola tetezamita mitanila ny fitondrana misy ankehitriny hoy ny Cellule de Crise "Diovy i Madagasikara". Tsy handray anjara amin'ny fifidianana ho avy eo izy ireo araka ny tapaky ny mpikambana... ♦ Hajanona amin'izay hoy ny governoran'ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka ny fanariana fako eny Anosipatrana. Efa miverina amin'ny laoniny mantsy ny fidirana amin'ny fanarina fako eny Andralanitra... ♦ Nomelohan'ny fitsaràna any Pakistan 10 taona an-tranomaizina ny Praiministra teo aloha Imran Khan...
Ankehitriny dia miha mavesatra ny hasin'ny fianakaviana, izay ny ray no loham-pianakaviana mitarika. Manana andraikitra lehibe ny ray manoloana ny zava-misy ankehitriny, amin'ny lafiny fanabeazana ny ankohonany : aina sy vatana. Ny atao hoe "ray" dia solon-tenan'ny fianakaviana, miaro ny ankohonana, mamelona. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Miantso ny Governemanta, hidinika amin'ny rehetra momba ny fanatanterahana fifidianana, ny Vovonana Gasy Leo. Kajikajy pôlitika ny hampiarahana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Solombavam-bahoaka, hoy izy ireo... ♦ Mitaky amin'ny CENI, ny tokony hamoahana ny datim-pifidianana, ny antoko Humaniste Ecologique. Ahiana, hoy ity antoko ity, fa sao miandry baiko avy amin'ny fitondrana ny CENI, vao hamoaka ireo tetiandro... ♦ Ahiana hisy fiforonana rivodoza indray ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Mety hisy rindrin-drahona handalo any amin'ny ilany atsimo atsinanan'ny nosy, manomboka rahampitso...
Ankehitriny ny fahotana dia mifototra amin'ireo tsy mihaino ny tenin'Andriamanitra. Maro ny olona no tsy miraharaha ny fisian'Andriamanitra mihitsy. Vahaolana ny Zokiolona : ampitaina ny trai-kefa hahafahana mamakafaka. Misy anjara toerana manokan'ny zokiolona amin'ny fifandraisana amin'ny taranany , izay tsy miainga amin'ny zavatra teo aloha dia hirona amin'ny fahaverezana. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
♦ Tsy zava-baovao teto amin'ny firenena ny fikarakarana fifidianana roa samy hafa, hoy ireo fikambanana sy firaisamonim-pirenena, mpanara-maso fifidianana eto Madagasikara... ♦ Olana iray mbola mitoetra eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina hatramin'izao, ny fanalana fako... ♦ Nisy indray lalana tapaka, vokatry ny rotsak'orana, any amin'ny Faritra Sava, eo amin'ny PK 405 amin'ny Lalam-pirenena faha-5A...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco