Tsy mitovy ny lahy sy ny vavy ; ny lahy dia manao hetsika ary maleho-tena, ny vavy kosa dia olon'ny teny sy ny serasera. Ny vehivavy dia mila ny hafa kokoa, afahany maneho sy mizara. Rehefa manilika ny tenany ny vehivavy dia lasa tsy mahatoky tena, ary tsy mahatsapa ny hasiny intsony. Ireo mahatsiaro tena ho voahilika, tsy mahatoky tena dia mila tantsoroka fanohanana mba afahany mijoro... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

  • Nitondra fanazavana momba ny raharaha Jean Luce Randriamihaotra sy ny antony nitanana am-ponja vonjimaika azy omaly ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon'ny Fitsaràna Ambaratonga Voalohany Antananarivo...
  • Miantso ny handalana ny fihavanana Malagasy, ny hanajana ny filaminana sy ny fitoniana eto amin'ny tany sy ny firenena ny Arseveka Anglikanina vaovao ny Mgr Dr Rateloson Rakondravelo Gilbert...
  • Mihamahazo vahana teo anivon'ny Faritra Anôsy sy doro tanety sy doro ala, nivory nitady vahaolana momba izany ny BNGRC, ny ekipan'ny ministeran'ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy ary ny Faritra Anôsy...
  • Notondroin'ny firenena mikambana ho tompon'antoka tamin'ny tifitra nahazo ireo fiara mpitondra fanampiana maha-olona avy amin'ny PAM niazo an'i Gaza i Israël...

Raha raisina amin'ny maha kristianina ny teny hoe "méditer" dia manana ny heviny manokana tsy azo vonoana. "Méditer" dia tena ilain'ny maha olona rehetra, fa manana dikany lalindalina kokoa izay teny izay raha raisina amin'ny maha kristianina. I Jesoa Kristy no lalana ary Izy no ianarana rehefa manao "méditation". Ny fandinihana dia firosoana hihaonana amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

  • Miantso ireo Raiamandreny am-panahy tsy hihanona amin'ny fanambaràna ny Randrana Sendikaly, fa hamory ireo mpisehatra pôlitika. Miahiahy krisy eto amin'ny firenena ity vondrona sendikà ity...
  • Misy andro ratsy ahiana hivadika rivo-doza any antsinanan'ny Ranomasimbe Indiana. Vinavinaina hanambana ny morontsirak'i Madagasikara izy io ny sabotsy izao...
  • Ahiana hihena be ny voka-bary any Ambatondrazaka izay sompitr'i Madagasikara amin'ity taom-pambolena ity...
  • Nitrangàna horohoron-tany mahery vaika tany atsimo andrefan'i Chine androany. Nahatratra 6,8 amin'ny mari-drefy Richter ny heriny. Olona 53 farafahakeliny no namoy ny ainy, vokatr'izany...

Ny "Fankahatry" dia lahabolana malagasy, lahabolana fanehoam-pitiavana. Ny Fankahatry dia lahabolana fanaon'ireo Betsimisaraka ary noho izany dia amin'ny fiteny Betsimisaraka. Lahabolana fifampiatsiana fitiavana, somary ankolaka, ka ny lehilahy no manomboka azy ary manohina ny vehivavy ; isan'ny mampiavaka azy ny hoe tsy maintsy hifamalian'ny lahy sy ny vavy. Any amin'ny faritra atsinanana amin'ny nosy no misy ny foko mpanao ity lahabolana ity...

  • Nahiditrra am-ponja vonjimaika i Jean Luce Randriamihoatra noho ilay raharaha voka-pifidianana teo anivon'ny tranokalan'ny CENI. Naharitra ora maro ny fakàna am-bavany azy teny Anosy omaly...
  • Tsy hitsahatra hiakatra ny vidim-piainana amin'ity taona 2025 ity, hoy ny Profesora Ralison Roge...
  • Diso fanantenana amin'ny pôlitikan'ny fitondràna ho an'ny mpiasa amin'ity taona ity ny RANDRANA SENDIKALY. Nanantena izy ireo fa mba hisy ny fampiakaran-karama hifanitsy amin'ny fisondrotry ny vidim-piainana...
  • Nametra-pialàna omaly hariva ny Praiministra Kanadiana, Justin Trudeau. Antony ny tsy fananan'ny antoko Liberaly misy azy ny maro an'isa intsony, eo anivon'ny Parlemanta...

Mila kaliana sy tandremana tsara ny fanaovana ny "méditation". Mila mitandrina tsara satria betsaka loatra ny karazam-pivavahana no miresaka momba azy io ary manao fampiharana. Mazàna ny "médiation" fanaon'ny tandrefana no tena maro mpanao, faniriana hahita fiadanam-po, satria eritreretina hanangonana hery, hitondra herim-po hiatrehana ny hitakitaka tsinahy, ny ankivy... Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

  • Niakatra fampanoavana androany i Jean Luce Randriamihoatra, voarohirohy tamin'ilay resaka voka-pifidianan'ny CENI...
  • Nisy namaky ny trano misy ny "émeteur" an'ny fahitalavitra tsy miankina Real TV eny Ambohimitsimbina. Toerana voaambina ary tsy azon'iza n'iza idirana anefa eny an-toerana hoy ny fampitam-baovao...
  • Tsy hitsahatra hiakatra ny vidim-piainana amin'ity taona 2025 ity, hoy ny mpahay toe-karena sy fitantanana ny Profesora Ralison Roger...
  • Mbola nanamafy ny filohan'i Azerbaidjan androany fa i Rosia no tompon'antoka tamin'ny fianjeran'ny fiaramanidina tany Kazhakstan ; tsy mbola naneho hevitra momba izany fiampangana izany ny Rosianina...

  • Hiavaka ny fihaonamben'ny tanora Afrikana Youth Connect Africa andiany faha-8 izay atao eto Madagasikara amin'ity taona 2025 ity...
  • Mety handamoka ny tetik'asa hanapariahana ny voly vary safiotra eto Madagasikara satria tsy mbola resy lahatra amin'izany ny tantsaha...
  • Mpianatra an-jatony no tsy manan-kialofana vokatry ny fahamaizan'ny trano fonenan'ny mpianatra any amin'ny Oniversiten'i Fianarantsoa ny sabotsy alina teo...
  • Nandray ôfisialy ny asa maha filohan'ny Federasiônan'ny Fivondronamben'ny Eveka azy, any Azia ny kardinaly Filipe Neri Ferrao ny voalohan'ny volana janoary teo...

  • Tontosa somantsara omaly alahady 5 janoary ny fametrahana an'ny Mgr Marcellin Randriamamonjy ho Evekan'ny Diôsezin'i Farafangana...
  • Fotoana tokony hijoroan'ny vahoaka Malagasy izao satria tsy azo antenaina intsony ny fiovan'ny fomba fitantanan'ny mpitondra hoy ny antoko Kintana...
  • Olona efa nalohan'ny vahoaka tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ireo minia mamboly korontana ankehitriny hoy ny mpitondra tenin'ny governemanta, ny ministra Volamirantsy Donna...
  • Tafakatra 88 ireo olona maty, ary maro no naratra tany Gaza, vokatry ny fanafihan'ny tafika Israelianina tany amin'ity faritra ity, tato anatin'ny 2 andro...

  • Noraisina tao anatin'ny katedraly Fo Masin'i Jesoa tao Farafangana androany tolak'andro ny Eveka vaovaon'ity Diôsezy ity, izay apetraka amin'ny toerany, araka ny fomban'ny Eglizy ny alahady izao...
  • Mangataka ny hamelàna malalaka ny vahoaka haneho hevitra eny amin'ny kianjan'ny faha-13 mey, Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko, raha nandray fitenenana teny Bel Air androany...
  • Mandrahona ny hanao hetsika fitakiana lehibe ny mpiasa Malagasy mivondrona ao amin'ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa, manoloana ny tsy fisian'ny fisondrotan-karaman'ny mpiasam-panjakàna, efa 3 taona izao...
  • Nandefa taratasy telegrama maneho ny fiaraha-mihorina any amin'ny Arsevekan'i Nouvelle Orléans tamin'ny nafahatesana olona 15 tany an-toerana ny Papa François...

  • Hiakatra ny vidin-tsolika amin'ity taona 2025 ity. Voalaza fa hisondrotra 200 Ariary isaky ny litatra isam-bolana izany, mandram-pahatongan'ny vidiny tena izy...
  • Hiverina indray ny fisoratana anarana ho an'ireo maniry hisitraka fitsaboana amin'ilay sambo hôpitaly Mercy Ships. Nisy ny dinika niresahana izany omaly tany Toamasina...
  • Anarana miisa 2 no efa mandeha fa mety ho mpanazatra ny Barea. Nitondra fanazavàna ny FMF omaly fa tsy mbola nisy ny famoahana izay ho mpanazatra saingy ho fantatra tsy ho ela...
  • Voafonja an'arivony no nomen'ny fitondràna miaramila any Birmanie famotsoran-keloka. Famotsoran-keloka noho ny fahaleovantenan'ity firenena ity androany 4 janoary 2025...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...