Nitondra valin-kafatra ho an'ny mpanohitra ireo antoko manohana ny fitondrana amin'izao fotoana izao. Tsy ilaina intsony ny fanakorontanana ny fiainam-pirenena fa ny fampandrosoana izao no imasoana hoy izy ireo...
Tsy maintsy ampidinina ao anatin'ny 1 volana sy tapany ny vidim-bary eto Madagasikara hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Efa vita ny kajy fa tokony ho 750 Ariary ny kapoakan'ny vary afarana avy any ivelany...
Misedra olana ny famokarana herinaratra eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo. Misy ny fahatapahana indray mandeha maharitra adiny telo hoy ny Jirama. Ho voavaha ny olana amin'ity taona ity hoy ny ministra tompon'andraikitra amin'ny alalan'ny tetik'asa fametrahana foibe mamokatra herinaratra avy amin'ny herin'ny masoandro sy avy amin'ny menaka mavesatra...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.