• Mitombo hery ka mety no lasa rivodoza anio alina na rahampitso maraina, ilay andro ratsy ao amin'ny Lakandranon'i Mozambika. Faritra maro no nahazo filazana loza manambana sy loza fanairana avy amin'ny Météo... • Nisy andiana tanora nanao diabe nankeny amin'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza androany. Nilanja sora-baventy izy ireo, mitaky ny handravana ny andrim-panjakana sy hirosoana amin'ny fanovana tena izy... • Tanora miisa 1.300 no hisitraka fampiofanana mandritra ny 15 volana, momba ny tontolo nomerika. Tafiditra amin'ny tetikasa ASAN'AI izy io, natomboka tamin'ny fomba ofisialy androany...
♦ Mila ajoro eto amin'ny firenena ny vovonana fanovan-drafitra hamolavola ny andrimaso dina hitanjozorana hitondràna ny firenena hoy Andriamatoa Leno Razafiarison, mpikambana ao amin'ny CNC, fikaonan-doham-pirenen'ny krisitanina... ♦ Natolotra androany tetsy amin'ny Mining Business Center Ivato ny tatitry ny EITI taona 2023 Nivoitra tamin'izany fa manana anjara toerana goavana amin'ny toe-karena ny sehatry ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Tsy mbola tafapetraka hatramin'izao ny dinika eo amin'ny solontenan'ny mpiasa, ny mpampiasa ary ny Fanjakàna handinika ny momba ny fampiakarana ny karama ho an'ny tsy miankina hoy Rakotomanga Barson...
Ny tafika no nisantatra ny fanavaozana, nampitodika tamin'ny tantara nisy ny zava-mitranga ankehitriny, mampisy fanantenana ny fandraisan'andraikitry ny foloalindahy. Ilaina ny fahitsiana amin'ny asa aman'andraikitra tanan'ny tsirairay mba ho asa vita tsara sy andraikitra tontosa antsakany sy andavany. Tsara toerana koa ny "Dinam-piaraha-monim-pirenena" miohatra amin'ny Lalam-panorenena satria iry voalohany dia niainga teny ifotony ary mahakasika kokoa ny fiaraha-monina manontolo... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nomarihana omaly ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny angon-drakitra manokana. Andro iraisam-pirenena mifanindran-dalana anatin'ny hetsika fisoratana anarana biômetrika eto Madagasikara, miatomboka amin'izao fotoana izao... ♦ Hotanterahana ny 7 hatramin'ny faha-10 mey izao ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny toe-karena etsy amin'ny Foibe Fandraisana Fivoriana Iraisam-pirenena (CCI) ety Ivato. Efa misokatra ny fisoratana anarana... ♦ Miisa 533 ny fitambaran'ny tranga rehetra mitondra ny aretina MPox eto Madagasikara tamin'ny talata. Miisa 201 ny tranga voamarina, miisa 332 ny tranga ahiana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco