♦ Marco Tsaradia Solombavambahoaka voafidy tao Ampanihy Andrefana no lany ho filohan'ny Antenimieram-pirenena, fifidianana notoherin'ny avy amin'ny Antoko TIM, ny AVI ary ny Pro Siteny... ♦ Nivory niaraka tamin'ny filoha mpanorina ny Antoko Tiako I Madagasikara teny Faravohitra alina, taorian'ny zava-nitranga teny Tsimbazaza ireo solombavambahoaka voafidy tamin'ity Antoko ity. Andrasana anio ny fehin-kevitra raisin'izy ireo momba ny tohin'ny raharaha... ♦ Minisitra roa mitondra tamin'ny fitondrana Rajoelina no isany nohainoan'ny Fitsaràna momba ilay raharaha Ambohimalaza, efa tonga eny amin'ny fitsaràna koa ny disque dur...