♦ Zaza sy ankizy maherin'ny 1.000.000 isa no kendrena ho vita vaksiny fanefitr'ireo aretina samihafa hatramin'ny faran'ity taona 2024 ity. Natomboka omaly ny fanokafana ny herinandro Afrikana ho an'ny fanoavam-baksiny... ♦ Nametraka fepetra iadiana misimisy kokoa amin'ny kolikoly ny tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI, ahafahan'i Madagasikara mahazo ny famatsiam-bola FEC... ♦ Misy amin'ireo kandidà solombavambahoaka no efa mampanantena poakaty amin'ny vahoaka, milaza fa hanao foto-drafitr'asa goavana rehefa lany, nefa tsy andraikitr'izy ireo izany... ♦ olona 51 no namoy ny ainy tany Gaza tao anatin'ny 24 ora farany, vokatry ny fanafihana nataon'ny tafika Israeliana...
♦ Zaza sy ankizy maherin'ny 1 tapitrisa no kendrena ho vita vakisiny fanefitr'ireo aretina samihafa, hatramin'ny faran'ity taona 2024 ity. Natomboka androany ny Herinandro Afrikana ho an'ny fanaovam-bakisiny... ♦ Nametraka fepetra iadiana misimisy kokoa amin'ny kolikoly ny FMI, ahafahan'i Madagasikara mahazo ny famatsiam-bola Facilité de crédit... ♦ Mbola tsy nihatra androany zoma ilay fandaminana vaovao momba ny fivarotana eny Analakely, napetraky ny Kaominina Antananarivo Renivohitra...
♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...
♦ Namaha olana amin'ny fahasarotana amin'ny famatsiana katsaka hatao sakafom-biby, ny fanafarana ity akora ity. Vahaolana vonjy maika manoloana ny tsy fahampian'ny katsaka anefa ny fanafarana, hoy ny IPA Madagascar... ♦ Vary maherin'ny 50 taonina no tsy maintsy nodorana ao Antsiranana noho ny fahasimbana. Natomboka omaly ny fandorana... ♦ Mitentina 100 tapitrisa Dolara ny tetibola hiatrehana ny fandaharan'asa momba ny vakisiny eto Madagasikara amin'ity taona 2024 ity...
♦ Niakatra ho 86% ny tahan'ny fanaovam-bakisiny eto Madagasikara ankehitirny, raha toa efa tafidina ho 35% izany telo taona lasa. Mitentina 100 tapitrisa Dolara ny tetibola hiatrehana ny fandaharan'asa momba ny vakisiny eto Madagasikara amin'ity taona 2024 ity... ♦ Nametraka fotodrafitr'asa fivarotana rano fisotro madio ao Analakely, ny ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly, ny fandrafetana ny drafitra hitantanana ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara, na ny PDSEM...
♦ Kandidà efatra no henjehina ara-pitsarana amin'izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Ny roa amin'ireo no naiditra am-ponja vonjimaika... ♦ Niakatra 86% ny tahan'ny fanaovam-bakisiny eto Madagasikara ankehitriny. Tsy misy afa-tsy 35% io taha io, noho ny fielezan'ny tsaho nandritra ny krizin'ny Covid-19, teto amintsika... ♦ Mpitsidika maherin'ny 22.000 no andrasana mandritra ny FEPA andiany faha-16, eny Nanisana. Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany io hetsika momba ny famokarana io...
♦ Mbola olana goavana eto amin'ny firenena ny kolikoly eny amin'ny fitsarana hatreny amin'ny fonja. Tsy ampy ny fandraisana andraikitry ny fanjakana hoy ny transparency international initiative Madagascar... ♦ Nasaina manokana nanatrika ny filan-kevitry ny ministra omaly ny teknisiana eo anivon'ny Banky Iraisam-pirenena, izay mpiara-miombon'antoka amin'ny Madagasikara eo amin'ny tetik'asa momba ny rano... ♦ Hahafantatra zava-baovao ankoatra ny voly fanondrana lavanila, ireo hanatrika ny andiany fahasivy amin'ny hetsika iraisam-pirenena ho an'ny faritra Sava, hoy ny governoran'ny Faritra Teddy Gervais Seramila... ♦ Maty nandritra ny tafika an'habakabaka nataon'ny Tsahal, ny antsasak'isa tamin'ireo mpitari-tafiky ny Hezbollah...
Ny mitaiza dia fampitana fahalalana ho tonga ho fahaizana ka ahazoana marim-pahaizana ary ahafahana miasa ; ny fanabeazana dia manomana olona ho tompon'andraikitra. Ny olona notezaina dia olona novolavolaina ho tompon-toerana, ary matetika tsy manome lanja ny hafa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Tsy ho marin-toerana ny fahazoana ny maroanisa eny amin'ny antenimieram-pirenena amin'ny fe-potoam-piasan'ny solombavambahoaka manaraka eo hoy Andriamatoa Paraina Auguste... ♦ Notendrena ny governora mpisolo toerana ao amin'ny Faritra Atsinanana sy Ihorombe. Nesorina tamin'ny toerany koa ny governoran'ny Faritra Itasy sy Vatovavay... ♦ Omena lanja amin'ny hetsika iraisam-pirenena ho an'ny faritra 2024 ny Faritra Sava ny 7 jona hatramin'ny 9 jona ho avy izao. Nosokafan'ny Ministry ny raharaham-bahiny malagasy omaly teny Ansoy ity hetsika ity... ♦ Tafaverina amin'ny fianakaviany ny ankizy Ukreniana miisa 16 noho ny fifanarahana teo amin'ny Kiev sy Rosia...
♦ Mitaky ny famoahana tsy misy hataka andro ny kandidà Olga Ramalason, izay nampidirina am-ponja omaly eny Antanimora, ny RMDM... ♦ Notontosaina androany teny Anosy ny atrik'asa niarahan'ny FAO sy ny J.CIF ary ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, nandinihana ny paikady iatrehana ny fiovan'ny toetr'andro... ♦ Niteraka fizarazarana ho an'ireo mpivarotra eny Ambodin'Isotry ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ireo samy mpitantana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, manoloana ny fanohizana na tsia ny asan'ny orinasa SMGD...
♦ Mananika ny 2.500 Ariary ny iray kapoaka ny vidim-bary amin'izao fotoana izao amin'ny kaominina sasatsasany mandritra ny distrikan'i Nosy-Varika raha ny fanadihadiana natao tamin'ny mponina avy any an-toerana... ♦ Voaresaka tamin'ny fihaonan'ny filoha Rajoelina Andry sy ny delegasiôn'ny FMI ny fandaharan'asa "Facilité Elargie de Crédit" sy ny "Facilité pour la Résilience et de Durabilité"... ♦ Tsy mankasitraka ny fitantanan'ny orinasa tsy miankina RANO AN'ALA B ny foto-drafitr'asa famatsiana rano fisotro madio ny mponina any amin'ny kaominina Belavabary, Distrika Moramanga... ♦ Enim-bolana aty aorian'ny nanombohan'ny ady teo amin'ny Israël sy ny Hamas, maherin'ny 130 ireo olona lasa takalon'aina...
♦ Hanimba ny fifantohan'ny mpianatra amin'ny fianarany ny fandalovan'ny zotra teleferika eo ambonin'ny Sekolintsika eny Analamahitsy, hoy ny tompon'andraikitra, ka tsy eken'izy ireo ny handalovan'izany ao aminy. Nandamoka ny dinika nifanaovana tamin'ny fitondrana... ♦ Nifarana ny tetikasa ho an'ny Fambolena Lovainjafy mikajy ny tontolo iainana voarindra na ny PADAP, nanomboka tamin'ny taona 2017. Manodidina ny 100% ny tanjona napetraka no tratra, araka ny tatitra natao androany... ♦ Hampahafantatra ny boky vaovao nampitondraina ny lohateny: "Ny hafatr'ireo tavoahangy plastika", ny Editions Tsipika rahampitso. Boky manabe ny olona hiaro ny tontolo iainana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco