24 janoary 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra Fahatelo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 1-20)

Ny "Kipotsaka" dia karazan-dahabolana mifototra amin'ny tsilalaon-teny. Ampiasaina rehefa hampita hafatra fohy izy io ka eo alohan'ilay fehezanteny na andiam-pehezanteny mirakitra ny tena hafatra dia andrafetana fehezanteny na andiam-pehezanteny tsy manana hevitra mifandraika mihitsy amin'ny votoatin'izay hafatra hampitaina amin'ilay itenenana. Ny foko Betsileo no tena fatra-piangaly azy. Ohatra : Raozimaria tsa mba ratsy fa anarana nataon'ny vazaha,  ka ny aombe mahia tsa mba mate, lehe mba tohofana vodi-kajaha. Amin'ny "kipotsaka" dia ny fehezanteny mamarana ny fehezan-teny mifanohy no tena misy ny votoatin'ny resaka tiana hampitaina. 

♦ Namaky lay amin'ny fidirana an-tsehatra eo amin'ny pôlitika ny antoko Malagasy Miara-Miainga ary nilaza fa hanohy hatrany ny ady amin'ny fametrahana ny tany tan-dalàna... ♦ Fanapahan-kevitra pôlitika no azo andikàna ny fametrahana PDS raha hisy izany hoy ny administrateur Civil Nicolas Rabenandrasana... ♦ Vinavinaina tsy hihoatra ny 10% ny tahan'ny fisodrotry ny vidim-piainana amin'ity taona ity, ny INSTAT... ♦ Niala an-daharana ka nilaza ny hanohana an'ingahy Donald Trump ny governoran'i Floride...

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 7, 4-17)

Hatsangako ny taranakao manaraka anao ary hamafisiko ny fanjakany.

Tamin’izany andro izany
tonga tamin’i Natàna ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mandehana lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe:
Izao no lazain’ny Tompo:
Ianao ve no hanao ny trano hitoerako?
Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho,
hatramin’ny nitondrako ny zanak’i Israely nivoaka avy tany Ejipta
ka mandrak’androany,
fa izao nifindrafindra tamin-day sy tamin-tabernakla izao.
Ary nandritra ny fotoana rehetra niarahako nandeha tamin’ny zanak’i Israely rehetra,
moa mba nilaza teny indraim-bava aho tamin’ireo mpifehy an’i Israely,
izay nasaiko hamahana an’i Israely vahoakako, nanaovako hoe:
Nahoana ianareo no tsy manao trano sedera ho ahy?
Koa ankehitriny lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe:
Izao no lazain’ny Tompon’ny tafika:
Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry no nangalako anao
ho andriana amin’ny vahoakako amin’i Israely,
ary izay nalehanao nombako anao avokoa;
ny fahavalonao rehetra naringako teo anoloanao,
ny anaranao nataoko nalaza toy ny anaran’ny olo-malaza ambonin’ny tany.
Nanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely aho
dia nampiorina azy eo,
ka efa monina ao aminy izy, ary handry tsy amin’ahiahy,
fa tsy hampahorin’ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony
sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara hifehy an’i Israely vahoakako.
Nanome anao fialan-janona tamin’ny fahavalonao rehetra aho;
ary lazain’ny Tompo aminao fa hananganany trano ianao.
Rahefa tapitra ny andronao, ka mandry amin’ny razanao ianao;
dia hatsangako ny taranakao manaraka anao, izay haloaky ny kibonao,
ary hamafisiko ny fanjakany.
Izay no hanorina trano ho an’ny anarako,
ary hohamafisiko ho mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakany:
Ho toy ny ray ho azy Aho, ary izy dia ho toy ny zanaka ho Ahy.
Raha manao ratsy izy,
dia hofaiziko amin’ny rotsankazon’olombelona.
Ny famindram-poko anefa tsy mba hiala aminy,
toy ny nanesorako izany tamin’i Saola, izay nalako teo anoloanao.
Fa ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao, sy ny fanjakanao eo anatrehanao mandrakizay
ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao.”

Nambaran’i Natàna tamin’i Davida avokoa
izany teny sy fahitana rehetra izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 88, 4-5. 27-28. 29-30

Hotanako aminy mandrakizay ny Hatsaram-ponao.

Nanao fanekena tamin’ilay voafidiko Aho;
nianiana tamin’i Davida mpanompoko.
Ajoroko ho mandrakizay hoy Aho ny taranakao;
aoriko ho lalandava ny Fiketrahanao.

Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao.
Andriamanitro sy Vatolampy famonjena ahy.
Izaho kosa hanao azy ho lahimatoako,
sy ho avo indrindra amin’ny mpanjakan’ny tany.

Hotanako aminy mandrakizay ny hatsaram-poko,
ho azony antoka ny fanekeko.
Hapetrako eo am-piketrahany ny taranany,
ho toy ny lanitra ny fitoeram-piandrianany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 1-20)

Niainga hamafy ny mpamafy.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa nampianatra teo amoron-dranomasina
ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy,
Izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin’ny ranomasina,
ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina.
Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ny fanoharana Izy
ka nilaza tamin’ny fampianarany hoe:

“Mihainoa:
Indro niainga hamafy ny mpamafy, ka nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana
dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy.
Ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sy marivo nofo,
ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina,
fa nony niposaka ny masoandro,
sady nasian’ny hainandro izy no tsy latsapaka ka maina.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
Ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara,
dia naniry sy nitombo, ary namoa,
ka ny sasany avo telopolo heny,
ny sasany avo enim-polo heny,
ny sasany avo zato heny.”

Ary hoy Izy:

“Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino.”

Nony efa nitokana Izy,
dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo momba Azy
mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy.
Ary hoy Izy taminy:

“Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra,
fa amindry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia natao amin’ny fanoharana
mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra,
fandrao hibebaka izy ka havela ny helony.”

Dia hoy Izy:

“Tsy azonareo va izany fanoharana izany?
Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra?
Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
Ireto eo amoron-dalana dia ny olona izay amafazana ny teny;
fa raha vao nahare izy,
dia tonga i Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony.
Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin’ny tany be vato
no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana;
nefa tsy miorim-paka ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela;
fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny,
dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Ireto mandray ny voa ao anatin’ny tsilo
no izay mihaino ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao
sy ny fitaky ny harena mbamin’ny fanirian-javatra hafa,
dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy.
Ary ireo mandray ny voa amin’ny tany lonaka
no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa,
ny sasany avo telopolo heny,
ny sasany enim-polo heny,
ary ny sasany zato heny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

23 janoary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra Fahatelo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 31-35)

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 6, 12b-15. 17-19)

Tamin’ny hobin-kafaliana sy feon’anjomara no nampakaran’i Davida sy ny taranak’i Israely rehetra ny fiaran’i Israely.

Tamin’izany andro izany:
Niainga nandeha i Davida ka nampiakatra ny fiaran’Andriamanitra
avy any an-tranon’i Obededôma ho any an-tanànan’i Davida
nombam-panotrona maro niravoravo.
Nony namindra inenina ny mpitondra ny fiaran’ny Tompo,
dia nisy ombalahy iray sy zanak’omby matavy izay natolotra ho sorona.
Nitsinjaka araka izay tratry ny ainy i Davida teo anatrehan’ny Tompo,
ary nisikina efôda rongony madinika.
Tamin’ny hobin-kafaliana sy ny feon’anjomara
no nampakaran’i Davida sy ny taranak’i Israely rehetra ny fiaran’ny Tompo.
Nony tafiditra ny fiaran’ny Tompo
ka efa voapetraka tamin’ny fitoerany tao afovoan’ny lay
nasain’i Davida natsangana ho azy,
dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pisaorana teo anatrehan’ny Tompo i Davida.
Ary rehefa tapitra naterin’i Davida ny sorona dorana sy sorom-pivavahana
dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny anaran’ny Tompon’ny tafika izy.
Dia samy nomeny mofo mamy iray sy hena iray didy
ary ampembam-boaloboka iray avy ny vahoaka rehetra,
ny olona marobe rehetra amin’i Israely na lahy na vavy.
Ary samy nody tany an-tranony daholo ny vahoaka rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 23, 7. 8. 9. 10

Mpanjakan’ny voninahitra iza moa izany?

‘Nareo vavahady: atrakao ny tatao;
‘nareo varararana re, misondrota!
Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!

Fa iza àry moa no Mpanjaka malaza?
Ny Tompo mahery, ny Tompo tsitoha,
ny Tompon’ny tafika mahery an’ady.

‘Nareo vavahady atrakao ny tatao;
‘nareo varavarana re, misondrota.
Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!

Fa iza tokoa no Mpanjaka malaza?
Ny Tompon’ny tafika mahery an’ady,
ny Tompo no hany Mpanjaka malaza!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aieloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 31-35)

Izay manao ny sitra-pon’Andriamanitra no rahalahiko, anabaviko ary reniko.

Tamin’izany andro izany,
tonga ny renin’i Jesoa sy ny rahalahiny,
nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso Azy.
Fa nisy olona maro nanodidina Azy,
dia nilazana Izy natao hoe:

“Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao, mitady Anao.”

Fa novaliany hoe:

“Iza moa no reniko sy rahalahiko?”

Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy ka nanao hoe:

“Ireo no reniko sy rahalahiko;
fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra,
dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Miisa 86 ireo tokan-trano marefo ao Feferamanga-Arivonomamo kendrena hisitraka ilay tetik'asa "Ankohonana Miarina" hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Mitaky ny hamoahana ny préfet an'i Mahajanga any am-ponja ny sendika SYNAD, araka ny tinapak'ireo administrateur civil izay nivory ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nodimandry kosa Rakotomalala Henri na i Riribe izay fantatra tamin'ny fanoherana sy ny fitarihana ny federasiôn'ny Federasiôn'ny gadra pôlitika... ♦ Samy mbola mitàna ny heviny ny Israeliana sy Hamas Palestiana monoloana ny raharaha ao Gaza...

Fanomezan'Andriamanitra ny fahanterana. Valim-babena ny fanajana ny ray aman-dreny zokiolona. Reharehan'ny fianakaviana ny manana zokiolona ary mampisy fanantenana ny taranany. Ny zokiolona dia manana ny kilemany, mety ho ratsy fitondran-tena fa rehefa mananatra izy dia manabe, mikendry ny soa hatrany. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

Tamin'ny nisian'ny valanaretina Covid-19 izay tsy nahafahana nifamezivezy no nanamafy orina ny fifandraisan'ny mpianakavy niombom-bavaka, nanamafy ny fifatoran'ny mpianakavy, afaka maneho ny heviny ny Zokiolona. Napetraka ny anjara-toeran'ny zokiolona fanomezam-boninahitra ireo ray aman-dreny izay nisahirana ho an'ny taranany. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

♦ Taratry ny fitantanana an'i Madagasikara ny zav-misy eto amin'ny tanànan'Antananarivo amin'izao hoy ny vovonana Mamita... ♦ Nanomboka ny asa fanadiovana ireo lakan-drano sy fanesorana tsikafona ao amin'ny boriborin-tany voalohany sy fahaefatra ao Antananarivo-renivohitra tanterahan'ny BNGRC...  ♦ Manomboka maro ireo olona manantona ny toeram-pitsaboana tsy miankina eto Antananarivo mitsabo ilay aretina maso "conjonctivite bactérienne"... ♦ Miaramila miisa 90.000 no hahetsiky ny OTAN amin'ilay fanazaran-tena ara-miaramila tanterahina manomboka amin'io herinandro ambony io...

Ny vitiligo dia ny "dermatologue" no tena mahafehy ny fitsaboina azy. Ny 2% amin'ny olona maneran-tany no tratran'ity aretina ity. Ny "vitiligo" dia toe-koditra miseho, mipentina fotsy vokatry ny fahasimban'ny sela "mélanocyte" izay singa mandoko ny hoditra, ity aretina ity dia tsy mifindra. Ny fomba fitsehony : misy faritra mihamazava ny hoditra ary somary mangididy. Ny karazan'ny vitiligo : actif, stable, segmantaire... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Ny Sakramenta fito : ny Batemy, ny Eokaristiana ary ny fankaherezana izay atao hoe sakramenta hirosoana ho kristiana ; fampihavanana sy ny fanosorana ny marary izay hatao hoe sakramenta fanasitranana ; filaharana sy ny fanambadiana izay hatao hoe sakramenta fanirihana na firotsahana, fampitomboan'isa ny zanak'Andriamanitra. Mizara roa lehibe ny Sakramenta : ny sakramentan'ny maty dia ny Batemy sy ny fampihavanana ; ny Sakramentan'ny velona dia ireo sakramenta ambiny. Ny Sakramentan'ny Eokaristia no faratampony amin'ny Sakramenta fito...

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...